Prayers & Meditations

Malagasy · Bahá'u'lláh

Add range:
  • Tonom-bavaka lava izay vakiana indray mandeha isan’andro.

  • Raha hanao ity vavaka ity, dia aoka hitsangana, mitodika any amin’Andriamanitra ary tsy miova toerana, miherikerika an-kavanana sy an-kavia toy ny miandry ny famindrampon’ny Tompo, Ilay tena be Indrafo, Ilay Onena. Aoka izy hiteny hoe: Ianao izay Tompon’ny anarana rehetra sy Mpahary ny lanitra! Mitalaho Aminao aho noho Ireo izay Fiposahan’ny Andron’ny Fisianao tsy hita maso, Ilay Be Voninahitra, mba hanao ny vavako ho afo afaka handoro ny voaly izay nanakona ahy tamin’ny Hatsaran-tarehinao, ary fahazavana izay mitarika ahy eny amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao.

  • Aoka hanandratra ny tanana ho mariky ny fitalahoana amin’Andriamanitra, deraina sy ankalazaina anie Izy, ary hiteny hoe:

O Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao, Ilay Malalan’ny firenena! Hitanao aho mitodika eny Aminao, ary afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny hafa afatsy Ianao ary mifikitra amin’ny fatoranao, izay ny fihetsehany dia mamelombelona ny nohariana rehetra. Mpanomponao aho ry Tompo ô ary zanaky ny mpanomponao. Inty aho mitsangana vonona hanatanteraka ny Sitraponao sy ny Fanirianao ary tsy maniry zavatra hafa afa-tsy ny Fahafinaretanao. Mitalaho Aminao aho, noho ny Ranomasimben’ny Famindramponao sy ny kintana Marainan’ny Fahasoavanao, mba hampiasa ny mpanomponao arak’izay tianao sy mahafinaritra Anao. Noho ny Herinao izay mihoatra lavitra ny filazana sy ny fiderana rehetra, izay nambaranao dia fanirian’ny foko sy fanirian’ny fanahiko. Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Aza miraharaha ny fanantenako na ny asako fa ny Sitraponao izay mandrakotra ny lanitra sy ny tany. Noho ny Anaranao Lehibe Indrindra, ô Ianao Tompon’ny firenena rehetra! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy tia afa-tsy izay tianao.

  • Mandohalika ary manondrika ny handrina amin’ny tany, miteny hoe: Avo dia avo tokoa Ianao, ambonin’ny famaritana rehetra afatsy ny famaritana ny Tenanao sy ny fahafantarana hafa afa-tsy Ianao.

Mitsangana indray ary miteny hoe: Aoka ny fivavahako, ry Tompoko ô, ho toy ny loharanon’ny mamelombelona izay ahazoako mivelona mandra-paharetan’ny Fiandriananao sy manambara Anao ao amin’ny tsirairay amin’ireo Tontolonao.

  • Asandratra indray ny Tanana am-pitalahoana ary miteny hoe: Ô Ianao izay ny fisarahana aminy dia mahaketraka ny fo sy ny fanahy, ary ny afom-pitiavany dia manenika izao tontolo izao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nandresy ny zavaboahary rehetra, mba tsy hisakana ho ahy izay Anao. O Ianao izay manjaka amin’ny olon-drehetra! Hitanao, ry Tompoko ô, ity vahiny dodona ho eny amin’ny toerany tena be voninahitra, ho eo ambanin’ny alokin’ ny Fiandriananao, ho ao amin’ny toeran’ny Famindramponao, ary ity mpanota eo am-pitadiavana ny ranomasimben’ny Famelankelokao, ity manetry tena ny tokontanin’ny Voninahitrao, ity olo-mahantra ny fiposahan’ny Harenao. Anao ny fahefana handidy izay irinao. Vavolombelona aho fa tokony ankalazaina Ianao amin’ny Asanao, ankatoavina amin’ny Baikonao ary tsy manam-petra amin’ny Didinao.

  • Ampiakarina ny tanana ary mamerina in-telo ilay Anarana Lehibe (Alláh’u’Abhá). Miondrika rehefa avy eo anatrehan’ Andriamanitra - deraina sy ankalazaina anie Izy -apetraka ny tanana eo ambony lohalika, ary miteny hoe: Hitanao, ry Andriamanitro ô, ny fanahiko dia mihovitrovitra miaraka amin’ny ratsam-batako, amin’ny faniriany hankalaza Anao ary ny fiandrandrany hahatsiaro sy hidera Anao. Hitanao ny nanamarinany izay namarinin’ny lelan’ny Baikonao ao amin’ny fanjakan’ny Teninao sy ny lanitrin’ny Fahalalanao. Amin’izany, ry Tompoko ô, tiako ny mangataka Aminao izay rehetra Anao mba hanaporofoako ny fahantrako, ary hanomezam-boninahitra ny Hatsaram-panahinao sy ny Harenao, hanambarako ny fahalemeko ary anehoako ny Fahefanao sy ny Herinao.

  • Mitraka indray, asandratra in-droa ny tanana ho mariky ny fitalahoana, ary milaza hoe: Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay Onena olona. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpandahatra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafarana. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, nampahery ahy ny Indrafonao ary nampatanjaka ahy ny Famindramponao; namoha ahy ny Antsonao, nampisondrotra ahy ny Fahasoavanao ary nitondra ahy ho any Aminao. Raha tsy izany, iza aho no ho sahy hitsangana eo am-baravaran’ny fonenan’ny Fanakaikezanao, na hampitodika ny tavako eny amin’ny fahazavana izay mamirapiratra avy eny amin’ny lanitrin’ny Sitraponao? Hitanao, ry Tompoko ô, ity olo-mahantra mandondona ny varavaran’ny Fahasoavanao, ity fanahy mihelina izay mikatsaka ny reniranon’ny fiainana mandrakizay avy amin’ny tanan’ny Fahasoavanao. Anao ny fandaharana amin’ny fotoana rehetra, ô Ianao izay Tompon’ny Anarana rehetra; ary ny ahy dia ny fanekena sy ny fanoavana am-pitiavana ny Sitrakao, ry Mpamorona ny lanitra rehetra ô!

  • Asandratra in-telo ny tanana ka miteny hoe: Andriamanitra dia lehibe noho ny lehibe rehetra.

  • Mandohalika manaraka izany sy miankohaka amin’ny tany ka milaza hoe: Avo loatra Ianao, mba ho afaka hisandratra any amin’ny lanitry ny Fanatrehanao ny fideran’ireo izay akaiky Anao, na mba hahatratra ny tokonan’ny Varavaranao ny voron’ny fon’ireo izay manolon-tena ho Anao. Manamarina aho fa nohamasinina mihoatra ny hatsarana rehetra Ianao ary masina mihoatra ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Avo indrindra, Ilay Be Voninahitra.

  • Dia mipetraka ka milaza hoe: Manamarina aho, izay namarinan’ny voahary rehetra, ny Fihaonan-danitra, ny mponin’ny paradisa ambony indrindra, ary ankoatr’ireo, ny Lelan’ny Fahalehibiazana avy amin’ny Faravodilanitra feno voninahitra, fa Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ary Izy ilay nambara no Misitery miafina, Ilay Famantarana sarobidy izay nakambanana sy nampiraisana ny litera B sy E (Be = Misia). Manamarina aho fa Izy Ilay anarana nosoratan’ny Penin’Ilay tena Avo ary nolazaina tao amin’ny Bokin’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny Fiandrianana any an-danitra sy ety an-tany.

  • Mitsangana ary miteny: Ry Tompon’ny aina rehetra ô, sy Ilay Tompon’ny zavatra hita sy ny tsy hita rehetra! Hitanao ny ranomasoko, tsapanao ny sentoko, renao ny fitarainako, ny fitolokoako sy ny fitomanian’ny foko. Noho ny Herinao! ny fahadisoako no nisakana ahy tsy hanatona Anao ary ny fahotako no nampanalavitra ahy ny tokonan’ny Fahamasinanao. Ny Fitiavanao, ry Tompoko ô, no nampanan-karena ahy; ny fisarahana Taminao no nanimba ahy, ary ny fanalavirana Anao no nandevona ahy. Mitalaho Aminao aho, noho ny mariky ny dian-tongotrao ato amin’ity tanihay ity ary noho ireto teny ireto: “Inty aho, inty aho”, izay notenenin’ireo nofidinao ao amin’ity midadasika ity ary noho ny Tsiokan’ity Fanambarana ity ary ny tsiodrivotra malefaky ny somambisambin’ny Fanehoanao, mba handidy izay ahazoako mandinika ny Hatsarantarehinao sy hankato izay rehetra ao anatin’ny Bokinao.

  • Avereno in-telo : “Alláh’u’Abhá”, miondreha ary ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika, ka miteny hoe: Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny nanampianao ahy hahatsiaro Anao sy hidera Anao, noho ny namelanao ahy ahafantatra Ilay izay Somambisambin’ny Famantaranao, ary nahatonga ahy hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra sy nahafantarako izay notononinao tamin’ny Lelan’ny Fahalehibeazanao.

  • Mitsangana ka miteny hoe: Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Nivokoka ny lamosiko noho ny vesatry ny fahotako ary ny fanaovako antsirambina dia nanimba ahy. Rehefa misaintsaina ny asa ratsiko aho sy ny Fiantranao, dia torotoro ny foko ao anatiko ao ary mangotrangotraka ny ràko ao amin’ny lalandràko. Noho ny hatsaran-tarehinao, ô Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao! Mivoaramena hampitraka ny tavako eny Aminao aho ary menatra hanatsotra ny tanako mitalaho any amin’ny lanitry ny Halemem-panahinao. Hitanao ry Andriamanitro ô, toa inona ny ranomasoko izay misakana ahy hahatsiaro Anao sy hanandratra ny Hahatsaranao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fiandrianana any amin’ny avo sy ety an-tany ambany. Mitalaho Aminao aho, noho ny famantarana ny Fanjakanao sy ny zava-miafin‘ny Fanapahanao, hanao amin’ny olon-tianao toy izay mifanaraka amin’ny Hamoramponao, ry Tompon’ny fisiana rehetra ô, ary araka izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao, ô ry Mpanjakan’ny hita sy ny tsy hita!

  • Averina in-telo: “Alláh’u’Abhá”, dia mandohalika, ny handrina miankohoka amin’ny tany, ka milaza hoe: Deraina Ianao, ry Andriamanitray ô, noho ny namelanao hidina ety aminay izay mampanakaiky anay Aminao sy ahazoanay ny harena nampanantenainao rehetra ao amin’ny Bokinao sy ny Soratrao. Miangavy Anao izahay, ry Tompo ô , arovy amin’ny tafiky ny fisainam-poana sy ny hevidravina izahay. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.

  • Mitraka amin’izay, mipetraka ary milaza hoe: Manamarina aho, ry Andriamanitro ô, izay namafisin’ny olom-boafidinao ary mahafantatra aho izay neken’ny mponin’ny Paradisa tena Avo sy ireo izay mihodidina ny Seza fiandriananao. Anao ny fanjakan’ny tany sy ny lanitra, ry Ilay Andrian’izao tontolo izao ô.

*(Ity takela ity dia vakiana eo amin’ny fasan’i Bahá’u’lláh sy i Báb. Vakiana matetika koa amin’ny fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taonany).

Ny fiderana izay miposaka avy amin’ny Tenanao hajaina indrindra, ary ny voninahitra izay namiratra avy amin’ny Hatsaran-tarehinao mitomaratra indrindra, dia mitoetra ho Anao, O Ianao izay Fanehoana ny Fahalehibeazana, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ary Tompon’izay rehetra eto an-tany sy any an-danitra! Vavolombelona aho fa, noho Ianao, ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fanapahany, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Fahalehibeazany, dia naseho, ary ny Kintana Marainan’ny Famirapiratana fahagola dia nandefa ny tarany eny amin’ny lanitrin’ny Didinao tsy azo ovaina, ary ny Hatsarantarehin’Ilay tsy Hita maso dia namirapiratra teny ambonin’ny faravodilanitry ny voahary. Vavolombelona koa aho fa, noho ny fihetsikin’ny Peninao, ny didinao «MISIA» dia nihatra, ary ny zava-miafin’ Andriamanitra dia navoaka, ary ny manan’aina rehetra dia nantsoina ho amin’ny fisiana, ary ny Fanambarana rehetra dia narotsaka. Vavolombelona ihany koa aho fa, noho ny Hatsaran-tarehinao, ny hatsaran-tarehin’Ilay Tiana dia nalana sarona, ary noho ny Endrikao, ny endrik’Ilay Nirina dia nanjelanjelatra, ary noho ny teny iray avy Aminao, dia nandidy Ianao ho an’ny manan’aina rehetra, izay nahatonga azy ireo, izay nanam-pitiavana Anao, hisandratra eny amin’ny tendron’ny voninahitra, ary ireo mpivadika ho latsaka ao amin’ny hantsana lalina indrindra. Vavolombelona aho fa izay nahafantatra Anao dia nahafantatra an’Andriamanitra ary izay nahatratra ny Fanatrehanao dia nahatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Lehibe, noho izany, ny tsodranon’izay nino Anao, sy ny Famantaranao, izay nanetry tena teo anatrehan‘ny Fiandriananao, ary nomem-boninahitra nihaona Taminao, ary izay afaka nanatratra ny fahafinaretan’ny Sitraponao, nihodidina Anao ary nijoro manoloana ny Seza-fiandriananao. Loza ho an’izay nanota Taminao, ho an’izay nivadika Taminao ary izay nandà ny Famantaranao, izay tsy nanaiky ny Fiandriananao ary nitsangana hanohitra Anao, izay feno fireharehana teo anatrehan’ny Endrikao, ary nandà ny Fijoronao vavolombelona, nandositra ny Lalànao sy ny Fanapahanao ka noheverina ho isan’ireo mpivadika izay voasoratra ao amin’ny Takelaka masinao ny anarany tamin’ny ratsan-tanan’ny Baikonao. Alefaso amiko, noho izany, O ry Andriamanitro ô, sy Ilay Malalako, avy amin’ny tanan-kavanan’ny Famindramponao sy ny Hatsaram-panahinao feno fitiavana, ny tsio-drivotra masin’ny Fahasoavanao, mba hahazoany misintona ahy hiala amin’ny tenako sy amin’izao tontolo izao ho any amin’ny lapan’ny fanakaikezana Anao sy ny Fanatrehanao. Manam-pahefana hanao izay mahafaly Anao Ianao. Marina tokoa, faratampony mihoatra ny zavatra rehetra Ianao. Ny filazana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Famirapiratany ho Aminao, Ianao izay Hatsaran-tarehiny! Vavolombelona aho fa ny mason’ny nohariana rehetra dia mbola tsy nahita na oviana na oviana tamin’ny nampahoriana toa Anao. Nilentika nandritran’ny androm-piainanao rehetra Ianao tao anatin’ny ranomasimben’ny fahoriana. Nisy fotoana, nifatotra rojo vy Ianao; tamin’ny fotoana hafa, norahonana tamin’ny sabatry ny fahavalonao Ianao. Kanefa na dia izany rehetra izany aza, dia nandidy ny olona rehetra Ianao hitandrina izay nandidiana Anao avy amin’Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa. Aoka ny fisainako atao sorona noho ny fijaliana izay niaretanao ary ny fanahiko atao antoka noho ny fahoriana izay nozakainao. Mitalaho amin’ Andriamanitra aho noho Ianao sy noho ireo izay nohazavaina ny endriny tamin’ny fanjelanjelatra manjopikan’ny Endrikao ary noho ireo izay, noho ny fitiavana Anao, dia nitandrina izay rehetra nandidiana azy, mba hanala ny voaly izay manelanelana Anao sy ny Voaharinao, ary mba hanome ahy ny soan’ity tany ity sy ny any ankoatra. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Be voninahitra Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be fangorahana Indrindra. Tahio, Ry Tompo Andriamanitro ô, ny “Hazo-Farany” masina, ny raviny, ny rantsany, ny sampany, ny tahony sy ny solofony, raha toa ka mbola maharitra koa ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ny toetranao tena mendrika. Arovy izy ireo, amin’ny asa ratsin’ny mahery setra sy ny tafiky ny mpanao didy jadona. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pahefana Indrindra. Tahio koa ry Tompo Andriamanitro ô, ny mpanompolahy sy mpanompovavinao izay nahatratra Anao. Ianao marina tokoa Ilay Mpangoraka Indrindra, izay tsy manam-petra ny Fahasoavana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

  • Vavaka tsy maintsy atao in-telo isan’andro: ny maraina, ny tolakandro, sy ny hariva hatramin’ny ora roa aorian’ny fiposahan’ny masoandro.

  • Izay maniry hanao ity vavaka ity, aoka izy hanasa tanana, ary hiteny hoe: Atanjaho ny tanako, ry Andriamanitro ô, mba handray ny Bokinao amim-pahamatorana ka ny tafik’izao tontolo izao dia tsy hanana fahefana aminy. Arovy izy, noho izany, tsy hitsabaka amin’izay tsy azy. Ianao, marina tokoa Ilay Tsitoha. Ilay Mahery indrindra.

  • Eo am-panasana ny tava, aoka hiteny hoe: Natodiko tany Aminao ny tavako, ry Tompoko ô! Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Endrikao. Arovy izy, noho izany tsy hitodika na any amin’iza na any amin’iza afa-tsy any Aminao.

  • Aoka izy hitsangana, mitodika any amin’ny Qiblíh (toeram-pankalazana, izany hoe Bahjí, any Akora), aoka hiteny hoe: Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy. Azy ny fanjakan’ny Fanambarana sy ny Famoronana. Izy, marina tokoa, no naneho Azy Ilay Fiposahan’andron’ny Fanambarana, Izay niresaka tao Sinay, Izay nampahazava ny Faravodilanitra avo indrindra, sy nitenenan’ny “Hazo-farany” izay ankoatra azy dia tsy misy lalana hafa azo lalovana, ary avy Aminy no nandefasana ny antso ho an’ireo rehetra izay any an-danitra sy ety an-tany: “Jereo! Tonga Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany, ny voninahitra sy ny fanapahana dia an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny olona rehetra, Ilay Tompon’ny Seza fiandrianana eny ambony sy ety an-tany ambany”.

  • Aoka izy hiondrika ary manaraka izany, ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika ary miteny hoe: Avo tokoa Ianao ambonin’ny fiderako sy ny fideran’ny olona afa-tsy izaho, ambonin’ny famaritako sy ny famaritan’ny rehetra izay any an-danitra sy izay ety an-tany!

  • Avy eo, mitsangana, misokatra ny tanana, ny fela-tanana miakatra manoloana ny tava, dia miteny hoe: Aza mandiso fanantenana azy, ry Andriamanitro ô, izy izay, amin’ny tanam-pitalahoany, niatsampy tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao, o Ianao ilay Mpamindrafo indrindra amin’ireo mpamindrafo.

  • Aoka izy hipetraka ka hiteny hoe: Mijoro vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao. Marina tokoa, naneho ny Fototrao Ianao, nanatanteraka ny Fanekem-pihavananao Ianao, ary nanokatra midanadana ny varavaran’ny Fahasoavanao ho an’ny mponina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ny fitahiana sy ny fiadanana, ny famonjena sy ny voninahitra dia hitoetra ho an’ny olon-tianao, izay tsy voasakan’ny fiovana sy ny kisendrasendran’ity tany ity hitodika any Aminao, ary nahafoy izay rehetra azy, am-panantenana handray izay avy Aminao. Ianao, marina tokoa, Ilay mpamela heloka mandrakariva, Ilay Mpangoraka Indrindra.

  • Raha misy misafidy hanonona ireto teny ireto fa tsy ireo andalana lava dia ampy : “Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Izay mamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.”

  • Torak’izany koa, eo am-pipetrahana, ampy ny misafidy hanonona ireto teny ireto : “Vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny Maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao”

Dera ho Anao, ry Andriamanitro ô, noho ny nandidianao ny Naw-Rúz ho androm-piravoravoana ho an’ireo izay nitandrina ny fifadian-kanina noho ny fitiavana Anao ary nifady izay rehetra tsy Tianao. Aoka, ry Tompoko ô, ny afon’ny Fitiavanao sy ny hafanana naterakin’ny fifadian-kanina izay nodidianao mba hampiredareda azy ao amin’ny Fototrao ary ahatonga azy hifantoka amin’ny Fiderana Anao sy ny fahatsiarovana Anao. Satria nohaingonao izy ireo, ry Tompoko ô, tamin’ny ravakin’ny fifadian-kanina izay nodidianao, haingoy koa izy ireo, amin’ny ravakin’ny Fanekena Anao, avy amin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao. Koa satria ny asan’ny olona dia miankina amin’ny Fahafinaretanao avokoa, ary miankina amin’ny didinao. Raha heverinao fa ny olona iray izay nampiato ny fifadian-kanina dia toy ny nitandrina izany, izany olona izany dia nisaina ho isan’ireo nitandrina ny fifadian-kanina hatrizay. Ary raha toa ka nandidy Ianao fa izay nitandrina ny fifadian-kanina dia nampitsahatra izany, izany olona izany kosa dia isaina ho isan’ireo nahatonga ny Akanjon’ny Fanehoanao ho voloton’ny vovoka, ary nesorina lavitry ny rano mangatsakatsak’ity Loharanom-piainana ity. Ianao, Ilay izay avy Aminy no nanandratana ny fanevan’ny “Mendri-piderana Ianao amin’ny Asanao,” sy nampihofahofana ny sainan’ny “Ankatoavina Ianao amin’ny Fandidianao”. Ampahafantaro ny mpanomponao rehetra ity Laharana izay Anao ity, ry Andriamanitro ô, mba ahazoany mahafantatra fa ny fahatsaran’ny zava-drehetra dia miankina amin’ny Fandaharanao sy ny Teninao, ary ny fahatsaran’ny asa rehetra dia miankina amin’ny Fahafinaretanao sy ny Sitraponao; ary mba hanekeny fa ny fanjakan’ny asan’ olombelona dia eo an-tanan’ny Fanekenao sy ny Didinao. Ampahafantaro azy fa tsy misy na inona na inona eto an-tany afaka hanakana azy amin’ny Hatsaranao, amin’izao andro izao, izay nilazan’i Kristy hoe: “Anao ny fanapahana rehetra, o Ianao izay Rain’ny Fanahy”, ary izay niantsoan’ny Sakaizanao (Muhammad) hoe: “Voninahitra ho Anao, o Ianao Ilay Tiana Fatratra, satria ianao no naneho ny Hatsaranao ary nanoratra ho an’izay nofidinao izay ahatonga azy ireo hanatratra ny sezan’ny fanambarana ny Anaranao Lehibe Indrindra, Anarana izay nampitaraina ny vahoaka afatsy ireo izay tsy niraikitra tamin’ny zavatra hafa afa-tsy Taminao sy nametraka ny tenany Aminy izay Mpanambara ny Tenany sy Fanehoana ny Hatsaranao”. Ireo Sampanao sy ireo mpiara-dia Aminao, ry Tompoko ô, dia nitsahatra nifady androany, rehefa avy nitandrina izany tao amin’ny manodidina ny Kianjanao, ary tamin’ny fahamaizany hahafaly Anao. Didio ho azy, sy ho azy ireo, ary koa ho an’ireo rehetra niditra teo amin’ny Fanatrehanao amin’izao andro izao, ny soa rehetra izay nalahatra tao amin’ny Bokinao. Omeo azy ireo, noho izany, izay rehetra mahasoa amin’ity fiainana ity sy any ankoatra. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay tena Hendry.
Ianao, ry Andriamanitro ô, no Ilay izay ny Anarany no mitondra fahasitranana ho an’ny marary, fahatomombanana ho an’ny kilemaina, rano fisotro ho an’ireo mangetaheta, fahatoniana ho an’ny ory, fitarihana ho an’ny diso lalana, fisandratana ho an’izay ambaniana, harena ho an’ny mahantra, fahazavana ho an’ny tsy ampy fahalalana, hazavana ho an’ireo kivy, hafanana ho an’ny mangatsiaka ary fisandratana ho an’ny ampahoriana. Noho ny Anaranao, ry Andriamanitro ô, taitra ny zavaboahary rehetra, nisokatra ny lanitra, nohariana ny tany, nasandratra ny rahona ary natao hitondra orana amin’ny tany. Izany marina tokoa no antoky ny Fahasoavanao amin’ireo voaharinao rehetra. Izany no hitalahoako Aminao, noho ny Anaranao, izay nampisehoanao ny maha-Andriamanitra Anao sy nanandratanao ny Fototrao ambonin’ny zava-boahary rehetra, ary noho ny Anaram-boninahitrao tsirairay tsara indrindra sy ny Toetranao mendrika indrindra, ary noho ny Hatsaram-panahy rehetra izay hanandratana ny maha-Andriamanitra ambony sy avo indrindra Anao, mba hampidina amin’izao alina izao, avy amin’ny rahon’ny Famindramponao ny ranonoram-panasitrananao, amin’ity zazakely ity, izay nampifandraisinao tamin’ny Tenanao be voninahitra, ao amin’ny fanjakan’ny Voarinao. Noho ny Famindramponao, ry Andriamanitro ô, tafio ny akanjom-pahasalamana sy ny fahasitranana izy, ary arovy izy, ry Malalako ô, amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra ary amin’izay rehetra tsy ankasitrahanao. Ny Fahefanao, marina tokoa, dia mitovy amin’ny zavatra rehetra. Ianao marina tokoa Ilay Tsitoha, Ilay Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany. Omeo azy an-koatra izany, ry Andriamanitro ô, ny tsara amin’ity tany ity sy ny any ankoatra ary ny soa an’ny taranaka taloha sy ho avy. Ny Herinao sy ny Fahendrenao, marina tokoa, dia ahafahanao manatanteraka izany.
Ankalazaina sy omem-boninahitra Ianao, ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny senton’ireo izay tia Anao sy ny ranomason’ireo izay maniry fatratra hijery Anao, tsy handà ho ahy ny Famindramponao feno fitiavana amin’izao Andronao izao ary tsy handiso anjara ahy amin’ny kalon’ny voromailala izay manandratra ny maha-iray Anao eo anoloan’ny fahazavan’ny Endrikao mamirapiratra. Izaho no iray amin’ireo ao anaty fahantrana, ry Andriamanitra ô! Jereo aho mifikitra mafy amin’ny Anaranao, Ilay Manana ny zavatra rehetra. Izaho ilay iray amin’ireo izay ho faty marina tokoa; jereo aho mamikitra amin’ny Anaranao, Ilay tsy mety maty. Koa noho izany, mitalaho Aminao aho, noho Ianao Ilay Ankalazaina, Ilay Tena Avo, mba tsy hamela ahy hitodika any amin’ny tenako ihany sy any amin’ireo fitsiriritana mirona amin’ny ratsy. Raiso amin’ny Tananao mahery ny tanako, ary afaho aho avy ao amin’ny halalin’ny hevitro diso sy ny fisainam-poanako, ary diovy aho amin’izay rehetra ankahalainao. Ataovy izay hitodihako tanteraka any Aminao, hametrahako Aminao ny fitokisako rehetra, hitadiavako Anao ho toy ny Fialofako ary handosirako ho eo anoloan’ny Endrikao. Ianao, marina tokoa, Ilay izay noho ny fahefan’ny Heriny, dia manao izay Irinao, ary noho ny herin’ny Sitrapony, dia mandidy izay Fidiany. Tsy misy afaka hanohitra ny fiasan’ny Didinao; tsy misy afaka hanodina ny fizotra ny Tendrinao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery indrindra, Ilay be voninahitra, Ilay onena olona.
Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza manalavitra ahy, satria ny fahoriana dia nihavosa manodidina ahy. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza mamela ahy ho an’ny tenako ihany, satria ny fahoriana dia nianjady tamiko. Amin’ny ronono madion’ny Halemem-panahinao feno fitiavana, afaho ny hetahetako satria ny hetaheta dia mandevona ahy tanteraka. Eo amin’ny alokin’ny elatry ny Famindraponao, alofy aho satria ny fahavaloko rehetra, niara niombon-kevitra, dia namely ahy. Tehirizo eo akaikin’ny fanjakan’ny Fiandriananao aho, manoloana ny fanehoana ny marikin’ny Voninahitrao, satria ny loza dia nahatratra ahy tanteraka. Amin’ny voankazo ny Hazon’ny Mandrakizainao, fahano aho satria ny faharerahana mafy dia nahazo ahy. Amin’ny kapoakan’ny fifaliana atolotry ny tanan’ny Famindramponao be fitiavana, ampaherezo aho satria alahelo maro no nitambesatra mafy tamiko. Amin’ny akanjo voaravaky ny Fiandriananao mahery indrindra ampiakanjoy aho satria ny fahantrana dia nambabo ahy tanteraka. Rotsirotsian’ny fitolokon’ny Voromailalan’ny Mandrakizanao, avelao aho hiala sasatra satria ny fijaliana farany izay manjombona dia tonga tamiko. Manoloana ny fanjakan’ny maha-iray Anao sy ny taratry ny hatsaran’ny Endrikao, aoka honenako satria ny tahotra sy ny hovitra dia nandevona ahy. Ao amin’ny ranomasimben’ny Famelanao heloka, eo anoloan’ny fitopatopa tsy misy faran’ny fahalehibiazan’ny Voninahitrao, arobohy ao aho satria ny fahotako dia nanameloka ahy tanteraka.

Omem-boninahitra Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Misaotra Anao aho noho izay niantsoanao ahy tamin’ny fahavelomana amin’ny Andronao, ary noho izay namenoanao ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao ao amiko. Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao, izay nampitranga ny voahangy tsaran’ny Fahendrenao sy ny Teninao avy amin’ny tahirin’ny fon’ny Mpanomponao izay eo Akaikinao, ary koa avy amin’ny Kintan’ny Marainan’ny Anaranao, Ilay Mpangoraka, izay nandefa ny tarany amin’ireo rehetra izay any an-danitrao sy ny ety an-taninao, mitaraina Aminao aho hanome ahy, noho ny Fahasoavanao sy ny Hamoramponao, ireo hamoraponao mahatalanjona sy miafina. Indreto ny andro fiandohan’ny fiainako, ry Andriamanitro ô, izay nampiraisanao tamin’ny andron’ny Tenanao. Ankehitriny, satria efa nanokananao ho ahy ny voninahi-dehibe tokoa, aza manaisotra amiko izay zavatra natokanao ho an’izay olom-boafidinao.

Ry Andriamanitro, tsy inona akory aho fa voatsinampy kely izay nafafinao tamin’ny Tanim-pitiavanao sy izay natosakao tamin’ny Tanam-pangorahanao. Io voa io dia mangetaheta, noho izany, hatrany amin’ny vololon’ainy, ny ranom-pamindramponao sy ny loharano velon’ny Fahasoavanao. Arotsahy aminy avy any an-danitry ny Hamoramponao be fitiavana izay hampamelana azy eo ambanin’ny Alokao sy ao anatin’ny Lapanao. Ianao Ilay izay manondraka ny fon’izay rehetra nanaiky Anao, avy amin’ny ranon’ny Reniranonao mahenika sy ny Loharanonao velona. Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

*(Ny andro manelanelana, ….. , dia andro fiomanana ho amin’ny fifadiankanina. Natokana izy ireo mba anaovana fampiantranoana, fiantràna sy fanomezana na fahatsiarovana).

Ry Andriamanitro ô, ry Afoko sy Fahazavako! Manomboka ny andro izay, nantsoina hoe: Ayyám-i-Há (1) ao amin’ny Bokinao, ô Ianao Mpanjakan’ny Anarana; ary ny androm-pifadiana nodidian’ny Peninao be voninahitra ho an’ireo izay monina ao amin’ny fanjakan’ny Faharianao dia manakaiky. Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô, noho ireto andro ireto ary noho ireo rehetra izay mamikitra ny fatoran’ny Didinao sy mifikitra amin’ny Fitsipikao, mandritra ity fotoana ity, mba hanome anjara toerana ny fanahin’ny tsirairay avy, ao amin’ny Fonenanao ary anjara seza amin’ny fotoana hisehoan’ny Famirapiratry ny Fahazavan’ny Endrikao.

  • Ny andron’ny Há, ny andro manelanelana

Indreto, ry Tompoko ô, ireo mpanomponao izay tsy misy fironana ratsy hanakana azy amin’izay nampidininao ao amin’ny Bokinao. Niondrika teo anoloan’ny Fototrao izy ireo; nandray ny Bokinao tamin’ny fanapahan-kevitra izay tsy avy aiza fa avy Aminao; ary nankatò izay nandidianao azy ireo, ary nifidy hanaraka izay nampidininao ho azy. Hitanao, ry Tompoko ô, fa nahafantatra sy niaiky izay nambaranao tao amin’ny Soratrao izy ireo. Omeo ho sotroiny, ry Tompoko ô, avy amin’ny tanan’ny Fangorahanao, ny ranon’ny Mandrakizainao. Soraty ho azy ireo, noho izany, ny valisoa nodidiana ho an’izay niroboka tao amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao sy izay nahatratra ny divay voafantin’ny Fihaonana Aminao. Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Mpiantra ny ampahoriana, mba handidy ho azy ireo ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Soraty ho azy ireo koa izay tsy mbola nisy nahita tamin’ireo voaharinao ary ataovy ho isan’ireo izay nihodidina Anao izy ireo, sy ireo izay mandeha manodidina ny sezam-piandriananao ao amin’ny tontolo tsirairain’ireo Tontolonao. Ianao marina tokoa, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra ny zavatra rehetra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.

Eo amin’ny alon-drano mamerovero ny Mandrakizainao, avelao aho hiala hetaheta, ry Andriamanitro ô, ary mamelà ahy hanandrana amin’ny voan’ny hazon’ny Fisianao, ry Fanantenako ô. Amin’ny loharano madio mangatsakatsakan’ny fitiavanao, avelaho aho mba hampitony ny hetahetako, ry Voninahitro ô, ary eo ambanin’ny aloky ny Fitondranao mandrakizay, avelao aho hitoetra, ry Fahazavako ô! Ao amin’ny tanin’ahitra ny fanakakaizanao, eo amin’ny Fanatrehanao, avelao aho hirenireny, ry Malalako ô ary eo an-tanankavanan’ny seza fiandrianan’ny Famindramponao, apetrao aho, ry Faniriako ô. Aoka ny tsiodrivotra manitry ny Fifalianao handalo eo amiko, ry Tanjoko ô, ary ao amin’ny paradisa avon’ny maha-Izy Anao, aoka aho hahita fidirana, ry Deraiko ô! Mamela ahy hihaino ny antsankiran’ny voromailalan’ny firaisanao, ô Ianao, Ilay Mamirapiratra ô ary noho ny fanahim-Pahefanao sy ny Herinao, velomy aho, ô Ianao, Ilay Mpamelona ahy ô! Aoka hitoetra ho matotra mandrakariva ao amin’ny fanahin’ny Fitiavanao aho, ry Mpanohana ahy ô, ary amafiso ny diako eo amin’ny lalan’ny fahafinaretanao, ry Mpamorona ahy ô! Ao amin’ny sahan’ny fisianao mandrakizay, manoloana ny Endrikao, avelao aho honina mandrakizay, ô Ianao, izay mamindra fo amiko, ary eo amin’ny Sezam-boninahitrao, aoreno aho, ô Ianao Ilay Tompoko! Eny amin’ny lanitry ny Hatsaram-ponao be fitiavana, asandrato aho, ô Ianao, Ilay mampavitrika ahy , ary eny amin’ny Kintana marainan’ny Fitarihinao, tariho aho, ô Ianao Ilay Misarika ahy. Manoloana ny fanehoana ny Fanahinao tsy hita maso, meteza hiantso ahy, ô Ianao izay Anton’ny Fisiako ary Faniriako fatratra ary any amin’ny votoatin’ny hanitry ny Hatsaran-tarehinao izay hirinao aseho, ataovy izay hiverenako, ô Ianao, Ilay Andriamanitro!

Manampahefana hanao izay Sitrakao Ianao. Ianao marina tokoa, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Faratampony.

Ho Anao ny fiderana, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay notanana an-tranomaizina tao amin’ny tanànam-pigadran’i Akora, nianjera teo an-tanan’ny fahavalony - araka izay hitanao ry Andriamanitro ô – ary norahonan’ny sabatry ny ratsy fanahy. Hanamafiso aho ao amin’ny Fototrany ary tariho mandrakariva ny fijeriko ho any amin’ny Lapany mba tsy hisy hanana fahefana hampitodika ny fijeriko tsy ho any Aminy. Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nanolotra ny fiainany Izy ho eo amin’ny lalanao, ary tsy naniry ho an’ny Tenany afa-tsy ny fahoriana noho ny fitiavany izay nananany Taminao. Niharitra henatra maro Izy mba ahazoany manambara ny Fiandriananao amin’ny mpanomponao sy manandratra ny Teninao eo amin’ireo voaharinao. Raha mbola niharatsy ny fahoriana ka mamely azy hatraiza hatraiza ny fampahoriana izay narotsakao Taminy, nanjary niredareda noho ny fieritreretana Anao Izy ka ny hamaroan’ireo izay tsy nino Anao sy tsy nanaiky ny Famantaranao dia nitsahatra tsy nampihorohoro Azy. Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô; amin’ny Alalany sy izay rehetra mahakasika Azy, mba hametraka ny fitiavako Aminy, toy izay nametrahany ny fitiavany Aminao. Milaza marina aho fa ny Fitiavany dia ny Fitiavanao, ny Tenany dia ny Tenanao, ny Hatsaran-tarehiny dia ny Hatsaran-tarehinao ary ny Fotony dia ny Fototrao. Aza lavinao amiko, ry Tompoko, izay anananao ary aza avela hanadino izay nirianao amin’ny Andronao aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Hendry Indrindra.
Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay namelombelona ny mpanomponao sy nanangana ny tanànanao, noho ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ireo fiantsoana Anao Mendrika Indrindra, mba hanampy ny vahoakanao hampitodika ny lalany eny amin’ireo fahasoavanao tsy tambo isaina, hampitràka ny endriny eny amin’ny tabernakelin’ny Fahendrenao. Sitrano ny aretina izay mamely ny fanahy hatraiza hatraiza sy nisakana azy hampihodina ny fijeriny any amin’ny Paradisa miorina eo amin’ny aloky ny Anaranao Mpiaro izay nodidinao ho Mpanjakan’ny Anarana rehetra ho an’ny mponina any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Eo am-pelatananao no misy ny fanapahan’ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Hendry. Voahary mahantra aho, ry Tompoko ô; mifikitra amin’ny moron’ny harenao aho. Marary mafy aho ary mifikitra mafy tokoa amin’ny rohim-panasitrananao. Noho ny Famelanao heloka sy ny Fangorahanao, esory amin’ny fangirifiriana izay mamatotra ahy aho, diovy tanteraka amin’ny ranom-Pahasoavanao sy ny famindramponao ary tafio ny akanjom-pahasitranana. Ampifantohy Aminao ny masoko ary aza avela hanana firaiketana amin’izay tsy Ianao aho. Ampio aho hankato izay fanirianao sy hanatontosa izay sitrakao. Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompon’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy. Ianao marina tokoa Ilay Mamela heloka mandrakariva, Ilay be indrafo.
Dera ho Anao ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho, noho ity Fanambarana ity izay nanova ny haizina ho fahazavana sy nananganana ny Tempoly faleha, ary nanambarana ny Takelaka voasoratra, sy nanokafana ny Horonan-taratasy; mba hampidina amiko sy amin’ireo mpiaradia amiko izay ahazoanay misondrotra eny amin’ny lanitry ny Voninahitrao ambony indrindra, ary hanadio anay amin’ny loton’ny fiahiahiana izay nisakana ireo be ahiahy tsy hiditra ao amin’ny taberinakelin’ny Firaisanao. Izaho ry Tompoko ô, ilay nifikitra mafy tamin’ny fatoran’ny Fitiavanao feno halemem-panahy sy nifikitra tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao. Didio ho ahy ary koa ho an’ireo olon-tiako ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Omeo azy ireo, noho izany, ny Tolotra miafina izay nodidianao ho an’ireo nofidianao tamin’ireo voaharinao. Indreto, ry Tompoko ô, ireo andro izay nandidianao ny mpanomponao hitandrina ny Fifadian-kanina. Voatahy izay mifady noho ny fitiavana Anao irery ihany ary amin’ny tsy firaiketana tanteraka amin’izay rehetra tsy Ianao. Ampio aho ary ampio izy ireo, ry Tompoko ô, mba hankatò Anao sy hitandrina ny Didinao. Marina tokoa, manana fahefana hanao izay nofidinao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa. Ny dera rehetra anie ho Anao ry Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.
Ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay Mpamorona ny Fanehoana rehetra, Loharanon’ny loharano rehetra, Fiandohan’ny Fanambarana rehetra sy Lohataonan’ny Fahazavana rehetra! Vavolombelona aho, fa noho ny Anaranao, ny lanitry ny fahatakarana dia noravahana, ny ranomasimben’ny fanambarana dia nisamboaravoara, ary ny fotoanan’ny Fitahianao dia nambara ampahibemaso tamin’ireo mpanara-dian’ny Finoana rehetra. Mitalaho Aminao aho mba hampanan-karena ahy ka afaka hiala amin’ny zava-drehetra afatsy Ianao, ary tsy hiankina na amin’iza na iza afa-tsy Aminao ihany. Arotsahy amiko, noho izany, avy amin’ny rahon’ny Fanomezanao, izay mahasoa ahy ao amin’ny tontolo rehetran’ny Tontolonao. Ampio aho, noho izany, avy amin’ny Fahasoavanao mampatanjaka, mba hanompo tsara tokoa ny Fototrao eo afovoan’ireo mpanomponao, ahazoako maneho izay hahatonga ahy hotsarovana arakaraka ny faharetan’ny Fanjakanao sy ny Fiandriananao. Ity ny mpanomponao, ry Tompoko ô, izay nampitodika ny tenany manontolo teny amin’ny faravodilanitry ny Fanomezanao, sy ny ranomasim-ben’ny Fahasoavanao, ary ny lanitry ny Fanomezanao. Ataovy amiko izay mifanentana amin’ny Fiandriananao, sy ny Voninahitrao, ary ny Fangorahanao sy ny Fahasoavanao. Ianao, marina tokoa, Ilay Andriamanitry ny Tanjaka sy ny Fahefana, izay vonona hamaly ireo izay mivavaka Aminy. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.
Fo mangatsiaka firifiry, ry Andriamanitro, no niredareda tamin’ny afon’ny Fototrao ary fanahy sondriana firifiry no nifoha tamin’ny antso malefakin’ny Feonao! Marobe ireo vao tonga izay nitady fialofana eo amin’ny aloky ny Firaisanao ary ireo mangetaheta izay naniry, amin’ity andro ity, izay Andronao, ny loharanon’ny Ranonao mamelombelona! Voatahy izay nitodika tany Aminao sy nihazakazaka hanatratra ny Kintana Marainan’ny fahazavan’ny Endrikao. Voatahy izay nampitodika ny firaiketam-pony eny amin’ny Somambisambin’ny Fanambaranao sy ny Loharanon’ny Tsindrimandrinao. Voatahy izay nandany teo amin’ny Lalanao izay natolotrao azy noho ny Fanomezanao sy ny Famindramponao. Voatahy izay nandà izay rehetra tsy Ianao, tao anatin’ny faniriana maharary hiantoraka Aminao. Voatahy izay nanana fiombonam-po lalina Taminao ka namaha ny fatorana rehetra na amin’inona na amin’inona, afatsy Aminao. Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, noho Ilay izay Anaranao sy Ilay izay nisondrotra eny ambonin’ny vodilanitry ny tranomaiziny, noho ny herin’ny Fiandriananao sy ny Fahefanao, mba handidy ho an’ny tsirairay ny zavatra izay mendrika ny Fahalehibiazanao. Marina tokoa, ny Herinao dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.
Ny fiderana rehetra anie ho Anao, ry Andriamanitro ô, izay loharanon’ny voninahitra rehetra sy ny fiandrianana, ny fahalehibeazana sy ny haja, ny fanapahana sy ny fanjakana, ny fisandratana sy ny fahasoavana, ny fahagagana sy ny fahefana. Mitarika izay tianao Ianao ho any amin’ny Ranomasimbe Lehibe Indrindra, ary hanome ho an’izay tianao omena voninahitra hahafantatra ny Anaranao Fahagolantany. Amin’ireo rehetra izay any an-danitra sy eto an-tany, tsy misy na dia iray aza afaka hanohitra ny asan’ny Sitraponao feno fanapahana. Hatry ny fahagola nanapaka izay noforonina rehetra Ianao, ary hanohy mandrakizay ny fampiasana ny Fanapahanao amin’ny zavaboahary rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Ambony Indrindra, Ilay Manampahefana, Ilay Hendry tokoa. Hazavao, ry Tompo, ny endriky ny mpanomponao mba ahazoany mibanjina Anao; ary diovy ny fony mba hitodihany any amin’ny lapan’ny Fahasoavan-danitrao ary miaiky Ilay Fanehoana Anao ihany sy ny Fiposaky ny Andron’ny maha-izy azy Anao. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay tsy refesi-mandidy.
Deraina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Ity ny mpanomponao izay nisotro avy tamin’ny tanam-pitiavanao ny divain’ny Famindramponao ary nanandrana ny tsiron’ny Fitiavanao ao amin’ireo Andronao. Mitalaho Aminao aho, noho ny fanehoana ny Anaranao, izay tsy misy alahelo afaka misakana ny fifaliana ao amin’ny fitiavanao na ny fandinihana ny Endrikao, ary izay tsy misy tompon’ny fiahiahiana hanan-kery hampiodina amin’ny lalan’ny Fahafinaretanao, mba hitalaho aminy ny harena tsara izay anananao ary hanandratra Azy amin’ny toerana ambony ka hijereny izao tontolo izao ho toy ny aloka izay hanjavona haingana kokoa noho ny indray mipi-maso. Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, noho ny fahefan’ny Fiandriananao tsy hita lany, amin’ireo rehetra izay ankahalainao. Ianao, marina tokoa, no Tompony sy Tompon’izao tontolo izao.
Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Tompo Andriamanitro! Ianao Ilay ankalazain’ny zavatra rehetra ary tsy mankalaza na inona na inona, Ilay Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy eo ambany fahefan’iza na iza, Ilay mahalala ny zavatra rehetra ary tsy fantatr’iza na iza. Naniry hanao izay ahafantaran’ny olona Anao Ianao, noho izany, avy tamin’ny tenin’ny Vavanao iray, nampisy ny zava-boahary Ianao ary namolavola izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpamolavola, Ilay Mpamorona, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahery indrindra. Mitalaho Aminao aho, noho ilay teny izay namirapiratra teny amin’ny vodilanitrin’ny Sitraponao, mba hamela ahy hisotro ny halalin’ny ranon’aina izay namelombelona ny fon’ireo olom-boafidinao sy namelombelona ny fanahin’ireo izay tia Anao, mba ahazoako, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fepetra inona, hampitodika ny endriko iray manontolo eny Aminao. Ianao ilay Andriamanitrin’ny hery, ny voninahitra sy ny fahalala-tanana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Mpandahatra faratampony, Ilay Be voninahitra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro ô sy Ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, Voninahitro sy Ilay Voninahitry ny zavatra rehetra, Faniriako sy Ilay fanirian’ny zavatra rehetra, Heriko sy Ilay Herin’ny zavatra rehetra, Mpanjakako sy Ilay Mpanjakan’ny zavatra rehetra, Tanjoko sy Ilay Tanjon’ny zavatra rehetra, Mpampihetsika ahy sy Ilay Mpampihetsika ny zavatra rehetra! Mitalaho Aminao aho, aza avela ho lavitry ny Famindramponao feno fitiavana aho na ho esorinao lavitry ny moron-dranon’ny Fanakaikezanao. Tsy misy hafa noho Ianao, ry Andriamanitro ô, no mahasoa ahy ary ny fanatonana akaiky ny hafa afa-tsy Ianao dia tsy misy ilako azy na dia kely akory aza. Mifona Aminao aho, noho ny habetsahan’ny harenao izay nahatonga Anao tsy hiankina amin’ny hafa afa-tsy Aminao ihany, mba hanisa ahy ho isan’ireo izay nampitodika ny endriny any Aminao sy nitsangana mba hanompo Anao. Noho izany mamelà, ry Tompoko ô, ireo mpanompolahy sy mpanompovavinao. Marina tokoa fa Ianao Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay be Famindrampo tokoa.
O Ianao, Izay ny Endrikao no fototry ny fiderako, ny Hatsaran-tarehinao no fialofako masina, ny Fonenanao no tanjoko, ary ny Fiderana anao no fanantenako, ny Fitahianao no mpiaradia amiko, ny Fitiavanao no antom-pisiako, ny Fanononana Anao no fampionononana ahy, ny Fanakaikezanao no faniriako, ny Fanatrehanao no faniriana mamiko indrindra sy fientanampoko ambony indrindra, miangavy Anao aho, mba tsy ho lavinao ho ahy izay nodidianao ho an’ny olom-boafidinao tamin’ireo mpanomponao. Vatsio aho amin’ny harenan’ity tany ity sy ny any an-koatra. Ianao, marina tokoa no Ilay Mpanjakan’ny olon-drehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be Fiantra.
  • Vavaka fohy tsy maintsy atao isan’andro eo anelanelan’ny roa ambinifolo ora atoandro hatramin’ny filetehan’ny masoandro

Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa noharianao mba hahafantatra Anao sy hankalaza Anao. Manamarina aho, amin’izao fotoana izao, ny fahalemeko sy ny Fahefanao, ny fahantrako sy ny Harenao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy sy Tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.