Prayers & Meditations
Malagasy ·
Tonom-bavaka lava izay vakiana indray mandeha isan’andro.
Raha hanao ity vavaka ity, dia aoka hitsangana, mitodika any amin’Andriamanitra ary tsy miova toerana, miherikerika an-kavanana sy an-kavia toy ny miandry ny famindrampon’ny Tompo, Ilay tena be Indrafo, Ilay Onena. Aoka izy hiteny hoe: Ianao izay Tompon’ny anarana rehetra sy Mpahary ny lanitra! Mitalaho Aminao aho noho Ireo izay Fiposahan’ny Andron’ny Fisianao tsy hita maso, Ilay Be Voninahitra, mba hanao ny vavako ho afo afaka handoro ny voaly izay nanakona ahy tamin’ny Hatsaran-tarehinao, ary fahazavana izay mitarika ahy eny amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao.
Aoka hanandratra ny tanana ho mariky ny fitalahoana amin’Andriamanitra, deraina sy ankalazaina anie Izy, ary hiteny hoe:
O Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao, Ilay Malalan’ny firenena! Hitanao aho mitodika eny Aminao, ary afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny hafa afatsy Ianao ary mifikitra amin’ny fatoranao, izay ny fihetsehany dia mamelombelona ny nohariana rehetra. Mpanomponao aho ry Tompo ô ary zanaky ny mpanomponao. Inty aho mitsangana vonona hanatanteraka ny Sitraponao sy ny Fanirianao ary tsy maniry zavatra hafa afa-tsy ny Fahafinaretanao. Mitalaho Aminao aho, noho ny Ranomasimben’ny Famindramponao sy ny kintana Marainan’ny Fahasoavanao, mba hampiasa ny mpanomponao arak’izay tianao sy mahafinaritra Anao. Noho ny Herinao izay mihoatra lavitra ny filazana sy ny fiderana rehetra, izay nambaranao dia fanirian’ny foko sy fanirian’ny fanahiko. Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Aza miraharaha ny fanantenako na ny asako fa ny Sitraponao izay mandrakotra ny lanitra sy ny tany. Noho ny Anaranao Lehibe Indrindra, ô Ianao Tompon’ny firenena rehetra! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy tia afa-tsy izay tianao.
- Mandohalika ary manondrika ny handrina amin’ny tany, miteny hoe: Avo dia avo tokoa Ianao, ambonin’ny famaritana rehetra afatsy ny famaritana ny Tenanao sy ny fahafantarana hafa afa-tsy Ianao.
Mitsangana indray ary miteny hoe: Aoka ny fivavahako, ry Tompoko ô, ho toy ny loharanon’ny mamelombelona izay ahazoako mivelona mandra-paharetan’ny Fiandriananao sy manambara Anao ao amin’ny tsirairay amin’ireo Tontolonao.
Asandratra indray ny Tanana am-pitalahoana ary miteny hoe: Ô Ianao izay ny fisarahana aminy dia mahaketraka ny fo sy ny fanahy, ary ny afom-pitiavany dia manenika izao tontolo izao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nandresy ny zavaboahary rehetra, mba tsy hisakana ho ahy izay Anao. O Ianao izay manjaka amin’ny olon-drehetra! Hitanao, ry Tompoko ô, ity vahiny dodona ho eny amin’ny toerany tena be voninahitra, ho eo ambanin’ny alokin’ ny Fiandriananao, ho ao amin’ny toeran’ny Famindramponao, ary ity mpanota eo am-pitadiavana ny ranomasimben’ny Famelankelokao, ity manetry tena ny tokontanin’ny Voninahitrao, ity olo-mahantra ny fiposahan’ny Harenao. Anao ny fahefana handidy izay irinao. Vavolombelona aho fa tokony ankalazaina Ianao amin’ny Asanao, ankatoavina amin’ny Baikonao ary tsy manam-petra amin’ny Didinao.
Ampiakarina ny tanana ary mamerina in-telo ilay Anarana Lehibe (Alláh’u’Abhá). Miondrika rehefa avy eo anatrehan’ Andriamanitra - deraina sy ankalazaina anie Izy -apetraka ny tanana eo ambony lohalika, ary miteny hoe: Hitanao, ry Andriamanitro ô, ny fanahiko dia mihovitrovitra miaraka amin’ny ratsam-batako, amin’ny faniriany hankalaza Anao ary ny fiandrandrany hahatsiaro sy hidera Anao. Hitanao ny nanamarinany izay namarinin’ny lelan’ny Baikonao ao amin’ny fanjakan’ny Teninao sy ny lanitrin’ny Fahalalanao. Amin’izany, ry Tompoko ô, tiako ny mangataka Aminao izay rehetra Anao mba hanaporofoako ny fahantrako, ary hanomezam-boninahitra ny Hatsaram-panahinao sy ny Harenao, hanambarako ny fahalemeko ary anehoako ny Fahefanao sy ny Herinao.
Mitraka indray, asandratra in-droa ny tanana ho mariky ny fitalahoana, ary milaza hoe: Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay Onena olona. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpandahatra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafarana. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, nampahery ahy ny Indrafonao ary nampatanjaka ahy ny Famindramponao; namoha ahy ny Antsonao, nampisondrotra ahy ny Fahasoavanao ary nitondra ahy ho any Aminao. Raha tsy izany, iza aho no ho sahy hitsangana eo am-baravaran’ny fonenan’ny Fanakaikezanao, na hampitodika ny tavako eny amin’ny fahazavana izay mamirapiratra avy eny amin’ny lanitrin’ny Sitraponao? Hitanao, ry Tompoko ô, ity olo-mahantra mandondona ny varavaran’ny Fahasoavanao, ity fanahy mihelina izay mikatsaka ny reniranon’ny fiainana mandrakizay avy amin’ny tanan’ny Fahasoavanao. Anao ny fandaharana amin’ny fotoana rehetra, ô Ianao izay Tompon’ny Anarana rehetra; ary ny ahy dia ny fanekena sy ny fanoavana am-pitiavana ny Sitrakao, ry Mpamorona ny lanitra rehetra ô!
Asandratra in-telo ny tanana ka miteny hoe: Andriamanitra dia lehibe noho ny lehibe rehetra.
Mandohalika manaraka izany sy miankohaka amin’ny tany ka milaza hoe: Avo loatra Ianao, mba ho afaka hisandratra any amin’ny lanitry ny Fanatrehanao ny fideran’ireo izay akaiky Anao, na mba hahatratra ny tokonan’ny Varavaranao ny voron’ny fon’ireo izay manolon-tena ho Anao. Manamarina aho fa nohamasinina mihoatra ny hatsarana rehetra Ianao ary masina mihoatra ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Avo indrindra, Ilay Be Voninahitra.
Dia mipetraka ka milaza hoe: Manamarina aho, izay namarinan’ny voahary rehetra, ny Fihaonan-danitra, ny mponin’ny paradisa ambony indrindra, ary ankoatr’ireo, ny Lelan’ny Fahalehibiazana avy amin’ny Faravodilanitra feno voninahitra, fa Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ary Izy ilay nambara no Misitery miafina, Ilay Famantarana sarobidy izay nakambanana sy nampiraisana ny litera B sy E (Be = Misia). Manamarina aho fa Izy Ilay anarana nosoratan’ny Penin’Ilay tena Avo ary nolazaina tao amin’ny Bokin’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny Fiandrianana any an-danitra sy ety an-tany.
Mitsangana ary miteny: Ry Tompon’ny aina rehetra ô, sy Ilay Tompon’ny zavatra hita sy ny tsy hita rehetra! Hitanao ny ranomasoko, tsapanao ny sentoko, renao ny fitarainako, ny fitolokoako sy ny fitomanian’ny foko. Noho ny Herinao! ny fahadisoako no nisakana ahy tsy hanatona Anao ary ny fahotako no nampanalavitra ahy ny tokonan’ny Fahamasinanao. Ny Fitiavanao, ry Tompoko ô, no nampanan-karena ahy; ny fisarahana Taminao no nanimba ahy, ary ny fanalavirana Anao no nandevona ahy. Mitalaho Aminao aho, noho ny mariky ny dian-tongotrao ato amin’ity tanihay ity ary noho ireto teny ireto: “Inty aho, inty aho”, izay notenenin’ireo nofidinao ao amin’ity midadasika ity ary noho ny Tsiokan’ity Fanambarana ity ary ny tsiodrivotra malefaky ny somambisambin’ny Fanehoanao, mba handidy izay ahazoako mandinika ny Hatsarantarehinao sy hankato izay rehetra ao anatin’ny Bokinao.
Avereno in-telo : “Alláh’u’Abhá”, miondreha ary ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika, ka miteny hoe: Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny nanampianao ahy hahatsiaro Anao sy hidera Anao, noho ny namelanao ahy ahafantatra Ilay izay Somambisambin’ny Famantaranao, ary nahatonga ahy hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra sy nahafantarako izay notononinao tamin’ny Lelan’ny Fahalehibeazanao.
Mitsangana ka miteny hoe: Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Nivokoka ny lamosiko noho ny vesatry ny fahotako ary ny fanaovako antsirambina dia nanimba ahy. Rehefa misaintsaina ny asa ratsiko aho sy ny Fiantranao, dia torotoro ny foko ao anatiko ao ary mangotrangotraka ny ràko ao amin’ny lalandràko. Noho ny hatsaran-tarehinao, ô Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao! Mivoaramena hampitraka ny tavako eny Aminao aho ary menatra hanatsotra ny tanako mitalaho any amin’ny lanitry ny Halemem-panahinao. Hitanao ry Andriamanitro ô, toa inona ny ranomasoko izay misakana ahy hahatsiaro Anao sy hanandratra ny Hahatsaranao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fiandrianana any amin’ny avo sy ety an-tany ambany. Mitalaho Aminao aho, noho ny famantarana ny Fanjakanao sy ny zava-miafin‘ny Fanapahanao, hanao amin’ny olon-tianao toy izay mifanaraka amin’ny Hamoramponao, ry Tompon’ny fisiana rehetra ô, ary araka izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao, ô ry Mpanjakan’ny hita sy ny tsy hita!
Averina in-telo: “Alláh’u’Abhá”, dia mandohalika, ny handrina miankohoka amin’ny tany, ka milaza hoe: Deraina Ianao, ry Andriamanitray ô, noho ny namelanao hidina ety aminay izay mampanakaiky anay Aminao sy ahazoanay ny harena nampanantenainao rehetra ao amin’ny Bokinao sy ny Soratrao. Miangavy Anao izahay, ry Tompo ô , arovy amin’ny tafiky ny fisainam-poana sy ny hevidravina izahay. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.
Mitraka amin’izay, mipetraka ary milaza hoe: Manamarina aho, ry Andriamanitro ô, izay namafisin’ny olom-boafidinao ary mahafantatra aho izay neken’ny mponin’ny Paradisa tena Avo sy ireo izay mihodidina ny Seza fiandriananao. Anao ny fanjakan’ny tany sy ny lanitra, ry Ilay Andrian’izao tontolo izao ô.
*(Ity takela ity dia vakiana eo amin’ny fasan’i Bahá’u’lláh sy i Báb. Vakiana matetika koa amin’ny fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taonany).
Ny fiderana izay miposaka avy amin’ny Tenanao hajaina indrindra, ary ny voninahitra izay namiratra avy amin’ny Hatsaran-tarehinao mitomaratra indrindra, dia mitoetra ho Anao, O Ianao izay Fanehoana ny Fahalehibeazana, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ary Tompon’izay rehetra eto an-tany sy any an-danitra! Vavolombelona aho fa, noho Ianao, ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fanapahany, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Fahalehibeazany, dia naseho, ary ny Kintana Marainan’ny Famirapiratana fahagola dia nandefa ny tarany eny amin’ny lanitrin’ny Didinao tsy azo ovaina, ary ny Hatsarantarehin’Ilay tsy Hita maso dia namirapiratra teny ambonin’ny faravodilanitry ny voahary. Vavolombelona koa aho fa, noho ny fihetsikin’ny Peninao, ny didinao «MISIA» dia nihatra, ary ny zava-miafin’ Andriamanitra dia navoaka, ary ny manan’aina rehetra dia nantsoina ho amin’ny fisiana, ary ny Fanambarana rehetra dia narotsaka. Vavolombelona ihany koa aho fa, noho ny Hatsaran-tarehinao, ny hatsaran-tarehin’Ilay Tiana dia nalana sarona, ary noho ny Endrikao, ny endrik’Ilay Nirina dia nanjelanjelatra, ary noho ny teny iray avy Aminao, dia nandidy Ianao ho an’ny manan’aina rehetra, izay nahatonga azy ireo, izay nanam-pitiavana Anao, hisandratra eny amin’ny tendron’ny voninahitra, ary ireo mpivadika ho latsaka ao amin’ny hantsana lalina indrindra. Vavolombelona aho fa izay nahafantatra Anao dia nahafantatra an’Andriamanitra ary izay nahatratra ny Fanatrehanao dia nahatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Lehibe, noho izany, ny tsodranon’izay nino Anao, sy ny Famantaranao, izay nanetry tena teo anatrehan‘ny Fiandriananao, ary nomem-boninahitra nihaona Taminao, ary izay afaka nanatratra ny fahafinaretan’ny Sitraponao, nihodidina Anao ary nijoro manoloana ny Seza-fiandriananao. Loza ho an’izay nanota Taminao, ho an’izay nivadika Taminao ary izay nandà ny Famantaranao, izay tsy nanaiky ny Fiandriananao ary nitsangana hanohitra Anao, izay feno fireharehana teo anatrehan’ny Endrikao, ary nandà ny Fijoronao vavolombelona, nandositra ny Lalànao sy ny Fanapahanao ka noheverina ho isan’ireo mpivadika izay voasoratra ao amin’ny Takelaka masinao ny anarany tamin’ny ratsan-tanan’ny Baikonao. Alefaso amiko, noho izany, O ry Andriamanitro ô, sy Ilay Malalako, avy amin’ny tanan-kavanan’ny Famindramponao sy ny Hatsaram-panahinao feno fitiavana, ny tsio-drivotra masin’ny Fahasoavanao, mba hahazoany misintona ahy hiala amin’ny tenako sy amin’izao tontolo izao ho any amin’ny lapan’ny fanakaikezana Anao sy ny Fanatrehanao. Manam-pahefana hanao izay mahafaly Anao Ianao. Marina tokoa, faratampony mihoatra ny zavatra rehetra Ianao. Ny filazana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Famirapiratany ho Aminao, Ianao izay Hatsaran-tarehiny! Vavolombelona aho fa ny mason’ny nohariana rehetra dia mbola tsy nahita na oviana na oviana tamin’ny nampahoriana toa Anao. Nilentika nandritran’ny androm-piainanao rehetra Ianao tao anatin’ny ranomasimben’ny fahoriana. Nisy fotoana, nifatotra rojo vy Ianao; tamin’ny fotoana hafa, norahonana tamin’ny sabatry ny fahavalonao Ianao. Kanefa na dia izany rehetra izany aza, dia nandidy ny olona rehetra Ianao hitandrina izay nandidiana Anao avy amin’Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa. Aoka ny fisainako atao sorona noho ny fijaliana izay niaretanao ary ny fanahiko atao antoka noho ny fahoriana izay nozakainao. Mitalaho amin’ Andriamanitra aho noho Ianao sy noho ireo izay nohazavaina ny endriny tamin’ny fanjelanjelatra manjopikan’ny Endrikao ary noho ireo izay, noho ny fitiavana Anao, dia nitandrina izay rehetra nandidiana azy, mba hanala ny voaly izay manelanelana Anao sy ny Voaharinao, ary mba hanome ahy ny soan’ity tany ity sy ny any ankoatra. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Be voninahitra Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be fangorahana Indrindra. Tahio, Ry Tompo Andriamanitro ô, ny “Hazo-Farany” masina, ny raviny, ny rantsany, ny sampany, ny tahony sy ny solofony, raha toa ka mbola maharitra koa ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ny toetranao tena mendrika. Arovy izy ireo, amin’ny asa ratsin’ny mahery setra sy ny tafiky ny mpanao didy jadona. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pahefana Indrindra. Tahio koa ry Tompo Andriamanitro ô, ny mpanompolahy sy mpanompovavinao izay nahatratra Anao. Ianao marina tokoa Ilay Mpangoraka Indrindra, izay tsy manam-petra ny Fahasoavana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.
Vavaka tsy maintsy atao in-telo isan’andro: ny maraina, ny tolakandro, sy ny hariva hatramin’ny ora roa aorian’ny fiposahan’ny masoandro.
Izay maniry hanao ity vavaka ity, aoka izy hanasa tanana, ary hiteny hoe: Atanjaho ny tanako, ry Andriamanitro ô, mba handray ny Bokinao amim-pahamatorana ka ny tafik’izao tontolo izao dia tsy hanana fahefana aminy. Arovy izy, noho izany, tsy hitsabaka amin’izay tsy azy. Ianao, marina tokoa Ilay Tsitoha. Ilay Mahery indrindra.
Eo am-panasana ny tava, aoka hiteny hoe: Natodiko tany Aminao ny tavako, ry Tompoko ô! Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Endrikao. Arovy izy, noho izany tsy hitodika na any amin’iza na any amin’iza afa-tsy any Aminao.
Aoka izy hitsangana, mitodika any amin’ny Qiblíh (toeram-pankalazana, izany hoe Bahjí, any Akora), aoka hiteny hoe: Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy. Azy ny fanjakan’ny Fanambarana sy ny Famoronana. Izy, marina tokoa, no naneho Azy Ilay Fiposahan’andron’ny Fanambarana, Izay niresaka tao Sinay, Izay nampahazava ny Faravodilanitra avo indrindra, sy nitenenan’ny “Hazo-farany” izay ankoatra azy dia tsy misy lalana hafa azo lalovana, ary avy Aminy no nandefasana ny antso ho an’ireo rehetra izay any an-danitra sy ety an-tany: “Jereo! Tonga Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany, ny voninahitra sy ny fanapahana dia an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny olona rehetra, Ilay Tompon’ny Seza fiandrianana eny ambony sy ety an-tany ambany”.
Aoka izy hiondrika ary manaraka izany, ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika ary miteny hoe: Avo tokoa Ianao ambonin’ny fiderako sy ny fideran’ny olona afa-tsy izaho, ambonin’ny famaritako sy ny famaritan’ny rehetra izay any an-danitra sy izay ety an-tany!
Avy eo, mitsangana, misokatra ny tanana, ny fela-tanana miakatra manoloana ny tava, dia miteny hoe: Aza mandiso fanantenana azy, ry Andriamanitro ô, izy izay, amin’ny tanam-pitalahoany, niatsampy tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao, o Ianao ilay Mpamindrafo indrindra amin’ireo mpamindrafo.
Aoka izy hipetraka ka hiteny hoe: Mijoro vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao. Marina tokoa, naneho ny Fototrao Ianao, nanatanteraka ny Fanekem-pihavananao Ianao, ary nanokatra midanadana ny varavaran’ny Fahasoavanao ho an’ny mponina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ny fitahiana sy ny fiadanana, ny famonjena sy ny voninahitra dia hitoetra ho an’ny olon-tianao, izay tsy voasakan’ny fiovana sy ny kisendrasendran’ity tany ity hitodika any Aminao, ary nahafoy izay rehetra azy, am-panantenana handray izay avy Aminao. Ianao, marina tokoa, Ilay mpamela heloka mandrakariva, Ilay Mpangoraka Indrindra.
Raha misy misafidy hanonona ireto teny ireto fa tsy ireo andalana lava dia ampy : “Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Izay mamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.”
Torak’izany koa, eo am-pipetrahana, ampy ny misafidy hanonona ireto teny ireto : “Vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny Maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao”
Omem-boninahitra Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Misaotra Anao aho noho izay niantsoanao ahy tamin’ny fahavelomana amin’ny Andronao, ary noho izay namenoanao ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao ao amiko. Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao, izay nampitranga ny voahangy tsaran’ny Fahendrenao sy ny Teninao avy amin’ny tahirin’ny fon’ny Mpanomponao izay eo Akaikinao, ary koa avy amin’ny Kintan’ny Marainan’ny Anaranao, Ilay Mpangoraka, izay nandefa ny tarany amin’ireo rehetra izay any an-danitrao sy ny ety an-taninao, mitaraina Aminao aho hanome ahy, noho ny Fahasoavanao sy ny Hamoramponao, ireo hamoraponao mahatalanjona sy miafina. Indreto ny andro fiandohan’ny fiainako, ry Andriamanitro ô, izay nampiraisanao tamin’ny andron’ny Tenanao. Ankehitriny, satria efa nanokananao ho ahy ny voninahi-dehibe tokoa, aza manaisotra amiko izay zavatra natokanao ho an’izay olom-boafidinao.
Ry Andriamanitro, tsy inona akory aho fa voatsinampy kely izay nafafinao tamin’ny Tanim-pitiavanao sy izay natosakao tamin’ny Tanam-pangorahanao. Io voa io dia mangetaheta, noho izany, hatrany amin’ny vololon’ainy, ny ranom-pamindramponao sy ny loharano velon’ny Fahasoavanao. Arotsahy aminy avy any an-danitry ny Hamoramponao be fitiavana izay hampamelana azy eo ambanin’ny Alokao sy ao anatin’ny Lapanao. Ianao Ilay izay manondraka ny fon’izay rehetra nanaiky Anao, avy amin’ny ranon’ny Reniranonao mahenika sy ny Loharanonao velona. Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.
*(Ny andro manelanelana, ….. , dia andro fiomanana ho amin’ny fifadiankanina. Natokana izy ireo mba anaovana fampiantranoana, fiantràna sy fanomezana na fahatsiarovana).
Ry Andriamanitro ô, ry Afoko sy Fahazavako! Manomboka ny andro izay, nantsoina hoe: Ayyám-i-Há (1) ao amin’ny Bokinao, ô Ianao Mpanjakan’ny Anarana; ary ny androm-pifadiana nodidian’ny Peninao be voninahitra ho an’ireo izay monina ao amin’ny fanjakan’ny Faharianao dia manakaiky. Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô, noho ireto andro ireto ary noho ireo rehetra izay mamikitra ny fatoran’ny Didinao sy mifikitra amin’ny Fitsipikao, mandritra ity fotoana ity, mba hanome anjara toerana ny fanahin’ny tsirairay avy, ao amin’ny Fonenanao ary anjara seza amin’ny fotoana hisehoan’ny Famirapiratry ny Fahazavan’ny Endrikao.
- Ny andron’ny Há, ny andro manelanelana
Indreto, ry Tompoko ô, ireo mpanomponao izay tsy misy fironana ratsy hanakana azy amin’izay nampidininao ao amin’ny Bokinao. Niondrika teo anoloan’ny Fototrao izy ireo; nandray ny Bokinao tamin’ny fanapahan-kevitra izay tsy avy aiza fa avy Aminao; ary nankatò izay nandidianao azy ireo, ary nifidy hanaraka izay nampidininao ho azy. Hitanao, ry Tompoko ô, fa nahafantatra sy niaiky izay nambaranao tao amin’ny Soratrao izy ireo. Omeo ho sotroiny, ry Tompoko ô, avy amin’ny tanan’ny Fangorahanao, ny ranon’ny Mandrakizainao. Soraty ho azy ireo, noho izany, ny valisoa nodidiana ho an’izay niroboka tao amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao sy izay nahatratra ny divay voafantin’ny Fihaonana Aminao. Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Mpiantra ny ampahoriana, mba handidy ho azy ireo ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Soraty ho azy ireo koa izay tsy mbola nisy nahita tamin’ireo voaharinao ary ataovy ho isan’ireo izay nihodidina Anao izy ireo, sy ireo izay mandeha manodidina ny sezam-piandriananao ao amin’ny tontolo tsirairain’ireo Tontolonao. Ianao marina tokoa, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra ny zavatra rehetra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
Eo amin’ny alon-drano mamerovero ny Mandrakizainao, avelao aho hiala hetaheta, ry Andriamanitro ô, ary mamelà ahy hanandrana amin’ny voan’ny hazon’ny Fisianao, ry Fanantenako ô. Amin’ny loharano madio mangatsakatsakan’ny fitiavanao, avelaho aho mba hampitony ny hetahetako, ry Voninahitro ô, ary eo ambanin’ny aloky ny Fitondranao mandrakizay, avelao aho hitoetra, ry Fahazavako ô! Ao amin’ny tanin’ahitra ny fanakakaizanao, eo amin’ny Fanatrehanao, avelao aho hirenireny, ry Malalako ô ary eo an-tanankavanan’ny seza fiandrianan’ny Famindramponao, apetrao aho, ry Faniriako ô. Aoka ny tsiodrivotra manitry ny Fifalianao handalo eo amiko, ry Tanjoko ô, ary ao amin’ny paradisa avon’ny maha-Izy Anao, aoka aho hahita fidirana, ry Deraiko ô! Mamela ahy hihaino ny antsankiran’ny voromailalan’ny firaisanao, ô Ianao, Ilay Mamirapiratra ô ary noho ny fanahim-Pahefanao sy ny Herinao, velomy aho, ô Ianao, Ilay Mpamelona ahy ô! Aoka hitoetra ho matotra mandrakariva ao amin’ny fanahin’ny Fitiavanao aho, ry Mpanohana ahy ô, ary amafiso ny diako eo amin’ny lalan’ny fahafinaretanao, ry Mpamorona ahy ô! Ao amin’ny sahan’ny fisianao mandrakizay, manoloana ny Endrikao, avelao aho honina mandrakizay, ô Ianao, izay mamindra fo amiko, ary eo amin’ny Sezam-boninahitrao, aoreno aho, ô Ianao Ilay Tompoko! Eny amin’ny lanitry ny Hatsaram-ponao be fitiavana, asandrato aho, ô Ianao, Ilay mampavitrika ahy , ary eny amin’ny Kintana marainan’ny Fitarihinao, tariho aho, ô Ianao Ilay Misarika ahy. Manoloana ny fanehoana ny Fanahinao tsy hita maso, meteza hiantso ahy, ô Ianao izay Anton’ny Fisiako ary Faniriako fatratra ary any amin’ny votoatin’ny hanitry ny Hatsaran-tarehinao izay hirinao aseho, ataovy izay hiverenako, ô Ianao, Ilay Andriamanitro!
Manampahefana hanao izay Sitrakao Ianao. Ianao marina tokoa, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Faratampony.
- Vavaka fohy tsy maintsy atao isan’andro eo anelanelan’ny roa ambinifolo ora atoandro hatramin’ny filetehan’ny masoandro
Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa noharianao mba hahafantatra Anao sy hankalaza Anao. Manamarina aho, amin’izao fotoana izao, ny fahalemeko sy ny Fahefanao, ny fahantrako sy ny Harenao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy sy Tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.