Ridván Messages
Malagasy · Universal House of Justice
Eo ankatoky ny Fety Lehibe Indrindra, dia voaentan’ny fankasitrahana sy fanantenana izahay – fankasitrahana ho an’ireo zava-bita izay tanteraka nohon’ny fanomezan-dalan’i Bahá’u’lláh an’ireo mpanaradia azy, ary fanantenana ny amin'izay mbola voarakitry ny ho avy atomotra.
Ny bahana teraka vokatr'ireo fankalazana ny faharoanjato taona nahaterahan’i Bahá’u’lláh manerana an’izao tontolo izao dia tsy nijanona nitombo herivaika hatramin’ny fotoana nanombohany. Ny fivoarana mitombo hafainganan’ny vondrona Baha’i, ny fahafahamanaony mitombo sy ny fahaizamanaony amin’ny fampihetsehana ny herijikan’ireo mpikambana mihamaro an’isa ao aminy dia mivoitra mazava tsara avy amin’ny fanadihadiana ireo fahatanterahana voarakitra vao haingana eo amin’ izao tontolo izao. Amin'izy ireo, ny fitomboan’ireo hetsika fanorenana vondrona dia hita miavaka manokana amin’izany. Ny Planina Dimy Taona izay misy ankehitriny dia mifampitohy amin’ireo ezaka nampivelarana ny tontolo Baha’i nandritry ny roapolo taona, ary mifandray amin’ny fandavorariana sy fampitomboana tsy tapaka ireo hetsika – nefa, tsy arak’izay novinavinaina, fa tao anatin’ireo roa taona sy tapany voalohan’ny Planina, ny isan’ireo hetsika fototra raha tsy hilaza afa-tsy izay dia nitombo mihoatra ny dimapolo isan-jato. Amin’ny fotoana rehetra, ny vondrona maneran-tany dia nampiseho ny fahafahamanaony hampandray anjara olona mihoatra ny iray tapitr’isa ao anatin’ny hetsika toy izany ary hanampy azy ireo hikaroka sy hihevitra am-pahamalinana ireo zavamisy ara-panahy. Tao anatin’io fotoana fohy io ihany dia saika nitombo ho avo roa heny ny isan’ireo fivoriam-bavaka – ho valin'ny fanalaviran’ny zanak’olombelona nihanitombo hatrany an’ilay Loharanon’ny Fanantenana sy ny Fahalalantanana, izay tena nilaina tokoa. Io fivoarana io dia mahabe fanantenana tokoa satria ireo fivoriam-bavaka dia mampitosaka fanahy iray vaovao ao amin’ny fiainan’ny vondrona. Rehefa nampifamatorana tamin’ireo hetsi-panabeazana ho an’ny karazan-taona rehetra, ireo ezaka ireo dia lasa manamafy ny tanjona avo iray: manamafy ireo vondrona izay miavaka amin’ny alalan’ny fideran'izy ireo an’Andriamanitra sy ireo fanompoan’izy ireo ny zanak’olombelona. Tsy misy toerana tena mampisongadina ny toe-javatra toy izany afa-tsy any amin’ireo vondrom-paritra izay ahitana fandraisan’anjara voatohana vokatr’ ireo olona maro an’isa ao anatin’ireo hetsika Baha’i sy ahitana ireo namana nihoatra ny tsatoka fahatelo ao amin’ny fampivelarana ny vondron’izy ireo. Mahafaly anay ny mahita fa ny isan’ireo vondrom-paritra manana lamim-pitomboana nahatratra io sehatra io dia efa nihoatra ny avo roa eny hatramin’ny fanombohan’ny Planina, ary ankehitriny dia efa tafiakatra ho dimanjato eo ho eo.
Izany fanadihadiana fohifohy izany dia tsy maharakitra ny halehiben’ny fiovana efa an-dalam-pisehoana. Ny vinavinam-pivoarana ho an’ireo roa taonan’ny Planina sisa tavela dia mamirapiratra. Maro ireo fivoarana tanteraka nandritry ny taona lasa vokatry ny fanaparitahana mivelatra kokoa ireo lesona notsongaina tamin’ireo lamim-pitomboana matanjaka any amin’ireo vondrom-paritra ; izay araky ny nantenainay dia nanjary fanovozana ireo fahalalana sy ireo loharano arak’olona. Ny Foibem-Pampianarana Iraisam-Pirenena, ireo Mpanolotsaina sy ireo mpanolotsaina mpanampy tsy mahalala sasatra dia tsy nitsahatra nanao ezaka mba ahafahana miantoka fa ireo namana manerana an’izao tontolo izao dia handray tombotsoa avy amin’ny fanafainganana ny fianarana sy ny fampiharana ireo fahalalana azo avy tao amin’ireo zava-misy iainan’izy ireo ihany. Mahafaly anay ny mahita fa, ao amin’ireo vondrom-paritra mitombo isa hatrany sy ao amin’ireo kartie sy tanàna kely izay misy ao aminy, dia nivoitra ny andiana namana fototra iray, izay avy amin’ny alalan’ny asa sy ny fandinihina, no nahafahany nahita ny zavatra tena ilaina amina fotoana iray, ho fampandrosoana ny lamim-pitomboana ao amin’ny toerana manodidina azy ireo. Izy ireo dia miantehatra tokoa amin'ny herin'ny fitaovan'ny lalam-piofanana, izay amin'ny alalany no hanamafisana ny fahafahamanao handray anjara amin'ny firoboroboana ara-panahy sy ara-materialin'ny vondrona, ary eo am-panatanterahan'izy ireo ny hetsika, ny isan'ireo izay manantona hiara-dalana amin'izy ireo dia mitombo. Mazava ho azy, miovaova ireo zava-misy arakaraky toerana, ary toy izany koa ny toetoetrin'ny fitomboana. Kanefa arakaraky ny fikirizana tsy tapaka, ny tsirairay dia afaka mandray anjara am-pahombiazana misimisy hatrany amin'ireo asa misy eo am-pelatanana. Amin'ny sehatra tsirairay avy, misy fifaliana tena madio amin'ny firotsahan'ireo fanahy hafa amin'ny resadresaka manankarena sy mahavelo-panantenana izay mitarika, na haingana na tsikelikely, any amin'ny fanentanana avy amin'ny faharanitana ara-panahy. Arakaraky ny halehiben'ny hazavan'ny afo manazava ao anatin'ny fon'ny mpino, no hahalehibe kokoa ny hery manintona ren'ireo izay hiantefan'ny hafanany. Ary ho an'ny fo izay miredaredan'ny fitiavana an'i Bahá’u’lláh, inona moa no hetsika mifanaraka amin'ny tokony ho izy azo heverina afa-tsy ny fikarohana ireo entanin'ny fisainana mitovy, mamporisika azy ireo hiditra amin'ny lalan'ny fanompoana, manotrona azy ireo arakaraky ny hahazoan'izy ireo traikefa ary - angamba ny lehibe indrindra amin'ireo hafaliana rehetra - dia ny mahita ireo fanahy manjary mafy orina ao amin'ny finoany, mitsangana ampahaleovan-tena, ary manome tanana ny hafa eo amin'ny lalana toy izany ihany koa. Ireo dia anisan'izay tena lalaina tokoa amin'ireo fotoana rehetra izay mety atolotr'ity fiainana mandalo ity.
Ireo vinavina ny hampandroso ity ezaka ara-panahy ity dia hiteraka hafanam-po mitombo hatrany arakarakin'ny fahatomoran'ny faharoanjato taonan'ny nahaterahan'i Bab. Sahala amin'ny faha-roanjato taona izay nialoha azy, ity fitsingerenana ity dia fotoana faran'izay sarobidy. Izy dia manolotra ho an'ireo Baha'i rehetra tranga fanararaotra mampitolagaga mba hanairana sy hampisokatra ny mason'ireo manodidina azy ireo amin'ilay Andro Lehibe an'Andriamanitra, amin'ny fitosaka tsy manantsahalan'ny famindram-po avy any andanitra izay manamarika ny fiposahan'ireo Fanehoana roan'ny Fisian'Andriamanitra, Kintana mifanesy izay manazava ny faravodilanitr'izao tontolo izao. Ny fandrefesana izay mety ho tanteraka mandritra ireo tsingerina roa ho avy dia efa fantatry ny rehetra araka ny traikefan'ny faharoanjato taona roa taona lasa izay, ary izay rehetra nianarana tamin'izany tranga izany dia tsy maintsy hampanarahana ny fantsona mankany amin'ireo planina ho amin'ny Fankalazana ny Tsingerintaona Nahaterana Masina Kambana amin'ity taona ity. Arakaraky ny fahatomoran'ny faharoanjato taonan'ny tsingerintaona nahaterahana, dia hanolotra fitalahoana matetika izahay ho anareo eo amin'ireo Fasana Masina, hivavaka mba hahatonga ireo ezakareo hanome voninahitra mendrika an'i Bab hahomby amin'ny fampandrosoana ny Fototra izay efa nambarany mialoha.
Zara raha misy roa taona sy tapany sisa dia hifarana ny zatotaona voalohan'ny
Vanimpotoanan'ny Fanorenana. Toy izany no hanakatona ny zato taonan'ireo ezaka tsy miato naompana manokana mba hanamafisana sy hampivelarana ireo fototra izay napetraka, tamin'ny alalan'ireo fandavan-tena nandritra ny vanimpotoanan'ny mahery fon'ny Finoana. Amin'izany fotoana izany, ny vondrona Bahá’í dia hanamarika ihany koa ny fahazato taonan'ny Niakaran'i ‘Abdu’l-Bahá, ilay fotoana izay namotsorana ilay Mpampianatra lalaina tamin'ny fatoran'ity tontolo ity mba handehanany hihaona amin'ny Rainy any amin'ireo toerana fitsaharan'ny voninahitry ny lanitra. Ny fandevenana Azy, izay nitranga ny andro manaraka, dia zava-miseho iray izay "Tsy mbola nisy nahita mitovy amin'izany tany Palestina". Tany am-pamaranana izany fotoana izany, ny vata mangatsiakany dia napetraka hiala sasatra tanaty vata ao amin'ny Fasan'i Bab. Kanefa, Shoghi Effendi dia naminavina fa izany dia fandaminana vonjy maika ihany. Hisy ny Fasana izay haorina, izay manana ny maha-izy azy mifanaraka amin'ny laharana sy anjara toerana manokan'i ‘Abdu’l-Bahá, rehefa tonga ny fotoana mahamety izany.
Tonga izany fotoana izany. Ny tontolo Baha'i dia antsoina mba hanangana ilay fiorenana izay hialofan'io vatana masina io mandrakizay. Izy io dia haorina eo amoron'ny Zaridainan'ny Riḍván, eo amin'ny tany izay voamasinin'ireo diantongotr'Ilay Hatsarana Voatahy; ny Fasan'i ‘Abdu’l-Bahá arak'izany dia hitoetra eo amin'ny vola-tsinana nofaritana eo anelanelan'ireo Fasana Masina any ‘Akká sy Haifa. Ny asa fanoritana ny planina hairafitrano dia efa mandroso, ary hisy vaovao maro hozaraina mandritr'ireo volana ho avy.
Fihetseham-po feno hafaliana tsy omby tratra no mitobaka ao anatinay, eo ampibanjinana izao taona ho avy izao miaraka amin'ireo fampanantenana rehetra fonosiny. Mahatoky ny tsirairay avy aminareo izahay – ireo izay serina amin'ny fanolorana asa-panompoana ho an'i Bahá’u’lláh, izay miasa isaky ny firenena tsirairay avy ho an'ny fototry ny fandriam-pahalemana – mba hanatontosa ny antso avony aminareo.
Missing. Please send it to [email protected] so I can add it.
1. Jereo ange manao ahoana ny vondron'ny Anarana-Lehibe-Indrindra rehefa hiasa! Taona iray monja izay no lasa hatramin'ny fanombohana ny Planina vaovao ka tatitra maro sahady no mampiseho ny halehiben'ny zavatra natomboka ary efa manomboka tanteraka. Ny mampitombo ny herivaikan'ny lamin'asam-pitomboana 5 000 dia mitaky ezaka lehibe tsy misy toa azy. Miaraka amin'ny fahazahoana mafy orina an'ireo fotokevi-dehiben'ny Planina, dia namana marobe no mampihatra ireo fepetra voalazany, mampiseho toetra hentitra sy fandavan-tena amin'ny fomba amaliany ny antso. Araka ny efa nampoizina, dia lasa toerana manana tahirin'ireo fitaovana enti-miasa sy ny fahalalana ireo lamin'asam-pitomboana mahery vaika sasany izay nitohy nandritry ny fotoana ela, izay manampy an'ireo faritra manodidina akaiky ary manamora ny fanapariahana malaky ny traikefa sy ireo fahalalana. Ireo ivontoeran'ny hetsika mahery vaika ' ireo kartie sy tan'na kely izay ifantohan'ny asa fanorenana vondrona ' dia mampiseho fa tena miteraka ny fiovana iombonana. Ny andian'ireo mpanolotsaina mpanampy sy ny mpanampy azy, nampitomboana sy nohamafisina, dia mamporisika ny fandraisan'andraikitry ny mpino, manampy azy ireo hamolavola ny fomba ampitomboana ny lamim-pitomboana amina toe-java-misy samihafa ary mamaritra mazava ireo fomba fiasa mifanaraka amin'ny zava-misy manokan'ny vondromparitra tsirairay. Mahazo ny fanohanan'ny antenimiera am-panahy nasionaliny, ireo filan-kevitra rezionaly bah'' dia mianatra ny fomba hampisy vikina amin'ny Planina any amin'ny vondromparitra samihafa indray miaraka, fa kosa any amin'ireo firenena kely izay tsy manana filan-kevitra dia rafitra vaovao, eo amin'ny sehatra nasionaly, no efa manao toy izany koa. Araka ny efa niandrasana azy toy ny fivoarana ara-boajanahary rehetra, dia mbola tsy miseho akory any an-toeran-kafa ireo fandrosoana haingana tany amin'ny toerana sasany, kanefa ny fitambaran'ny isan'ireo lamin'asam-pitomboana mahery vaika eran-tany dia efa manomboka mitombo sahady. Ankoatra izay, mahafaly anay ny mahatsapa fa tena nitombo be nandritry ny tsingerina efatra voalohan'ity Planina ity ny fandraisana anjara tamin'ireo hetsiky ny Planina.
2. Sarotra noho izany ny hanantenana bebe kokoa ireo famantarana ny amin'izay mety hitranga mandritry ny taona ho avy. Ka inona no mety tsara indrindra hatolotra an'Ilay Hatsarana voatahy, noho ny fitsingerenan'ny faha-roanjato taonan'ny nahaterahany, raha tsy ireo ezaka amin'ny fo madio atolotr'ireo izay tiany mba hanitatra araka izay tratra ny Finoany ? Ny voalohany amin'ireo tsingerina faha-roanjato taona roa izay hankalazain'ny tontolo bah'' noho izany dia fisehoan-javatra izay manokatra ireo fomba fijery faran'izay avo. Raha vinavinaina araka ny tokony ho izy, ity taona ity dia manolotra, eo amin'ny sehatra maneran-tany, ny trangan-javatra tsara indrindra mba hampifandraisana ireo fo amin'i Bah'u'll'h izay tsy mbola niseho mihitsy hatrizay. Ao anatin'ireo volana ho avy, enga anie ny rehetra mba ho tonga saina amin'io vintana tsy manam-paharoa io sy hifantoka amin'ireo fahafahana mba hampahafantatra amin'ny hafa ny fiainany sy ny raharaha lehibe nanirahana azy, izay misy na aiza na aiza. Mba anararaotana tanteraka ny fahafahana mampianatra izay miseho eo amin'ny tontolo bah'' ankehitriny, dia tsy maintsy eritreretina amin'ny fomba misy famoronana ireo resadresaka mety hiseho iarahana amin'ireo karazana olona rehetra. Mandritr'ireo resadresaka matotra ireo, dia lasa miharihary ny fahatsapana ary misokatra ireo fo ' matetika eo noho eo. Ao amin'io hetsika tena mendrika io, dia samy mahita anjara andraikitra ny rehetra, ary tsy tokony hisy mihitsy ho diso anjara amin'ny hafaliana izay azo avy amin'ny fandraisana anjara amin'io raharaha lehibe io. Mangataka mafy an'ilay Malala tokana izahay mba ho heniky ny hafaliana faran'izay madio sy faran'izay mamy anie ity taona manontolon'ny faha-roanjato taona ity : avy amin'ny fanambarana amin'ny fanahy hafa fa tonga ny Andron'Andriamanitra.
3. Ny fikorontanana, ny tsy fahatokiana ary ny savorovoro maneran-tany, dia mandodona faran'izay maika ireo adidy tsy maintsy tanterahan'ny vondron'ny mpino. Noho izany, ireo namana dia tokony hanararaotra ny fotoana rehetra afahana manazava ny lalana sy mitondra fankaherezana ho an'ireo be ahiahy ary fanantenana ho an'ireo kivy. Tsaroanay ny toro-hevitra nomen'ny Mpiambina ny vondrona bah'' tamin'ireo teny izay toy ny natokana ho an'izao vanimpotoana misy antsika izao : ' Raha mbola tsy mari-toerana sy miha-vakivaky ny firafitra ara-tsosialy ankehitriny noho ny fanerena sy ny vesatry ny trangan-javatra mananontanona sy ireo fahoriambe, raha mbola mihabetsaka ireo triatra izay manampy trotraka ny fizarazarana eo amin'ny samy firenena, samy sokajin'olona, samy foko ary samy finoana, ireo mpanatanteraka ny Planina kosa dia tokony hampiseho firindrana mbola lehibe kokoa eo amin'ny fiainana ara-panahiny sy ireo hetsika ara-pitantanany, ary hanaporofo fifanarahan-tsaina avo lenta eo amin'ny asany, fifanampiana sy fampandrosoana mirindra eo amin'ny raharaha lehibe iarahan'izy ireo. ' Manindry hatrany momba ny fivelarana ara-panahin'ny asam-pinoana sy momba ny fahatapahan-kevitra tsy miovaova izay tokony entin'ny mpino manatanteraka ny adidy masiny, i Shoghi Effendi dia nampitandrina ihany koa amin'ny fandraisana anjara rehetra amin'ireo fifandiran-kevitra, amin'ireo fikorontanana lehibe ary amin'ireo adilahy politika. ' Aoka izy ireo hihoatra ambonin'ny fizarazaran-kevitra rehetra sy ny fitsitokotokoana rehetra ', hoy izy namporisika mafy tamina fotoana hafa, ' ambonin'ireo fifandirana tsy misy fotony, ireo kajikajy ratsy, ireo faniriana mandalo izay manakorontana ny endrika, sy mitana ny sain'ny tontolo andalam-piovana. ' Ireny no faikan-javatra sy piti-drano tsy azo ialana atsipin'ny onja mifanesisesy izay manozongozona ny fiarahamonina voakorontana sy voazarazara. Lehibe loatra ny fanamby mba hiatrehana ny fanarian-dia toy izany. Toy ny efa fantatry ny mpanaradia an'i Bah'u'll'h tsara, ny fahasoavana faratampon'ny olombelona dia tsy ho azo antoka raha tsy efa ioharana ny fahasamihafan'izy ireo ary ny firaisankinany ho mafy orina tanteraka. Ny anjara biriky tsirairay entin'ny bah'' ho an'ny fiainan'ny fiarahamoniny dia manana tanjona hampisy ny firaisankina ; ny ezaka fanorenana vondrona tsirairay dia mikendry tanjona mitovy amin'izany. Ho an'ireo izay trotraky ny fisaratsarahana, ny vondrona izay mandroso eo ambany aloky ny Anarana lehibe indrindra dia manolotra ohatra maharesy lahatra ny amin'izay mety ho vitan'ny firaisankina.
4. Manome voninahitra ny Tompon'ny tompo izahay eo am-pahitana faran'izay betsaka amin'ireo tiany izay tsy mitandro hasasarana, amin'ny fomba marobe, mba hihofahofa ny fanevan'ny firaisankinan'ny olombelona. Ry namana tena lalaina : vao manomboka izao ny taona iray tena feno fampanantenana, moa ve ny tsirairay amintsika tsy tokony handinika hoe hetsika madio inona no mety hanampian'ny fahasoavan'ny Tompo antsika ho tanterahina ?
Amin'ny fo feno fiderana an'ireo mpanaradia an'i Bah'u'll'h no hanambaranay amin-kafaliana fa amin'ny fotoana izay anombohan'ity fetim-piravoravoana lehiben'ny Ridv'n ity, dia misy famenony vaovao momba ny lamin'asam-pitomboana mahery vaika izay mizotra isaky ny kaontinantan'izao tontolo izao, ka mahatonga ny tontaliny maneran-tany hihoatra ny 1.500 ary manome antoka ny tanjona ho tratrarin'ny Planina dimy taona, herin-taona mialohan'ny fiafar'ny. Miondrika amim-pankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra izahay noho ity fahatanterahana mampitolagaga ity, ity fandresena mahagaga ity. Ireo rehetra izay niasa tany an-tsehatra dia ho afaka hahatsapa ny fahalalahan-t'nana izay natolony ho an'ny vondrony amin'ny fanomezany tombondahiny herintaona feno hanamafisana ny modelin'ny fanapariahana sy ny fanamafisana orina ny finoana izay efa miorina hatraiza hatraiza, hitsinjovana ireo asa mbola hiantsoana azy amin'ny anton-draharaha lehibe maneran-tany manaraka, izany hoe planina iray mandritra ny dimy taona, ny faha-dimy amin'ny andiany mitohitohy izay manana tanjona voambara fa ny fampandrosoana ny lamin'ny fidirana amin'ny andiany.
Raha manamarika fiatoana izahay mandritra ity fotoam-piravoravoana ity, dia tsapanay fa tokony hanao fanamarihana izahay fa ny manosika ny fonay amin'ireo fihetseham-po mampiseho fireharehana sy fankasitrahana dia tsy tena avy amin'ny habetsaky ny zava-bitanareo loatra akory, na dia misongadina be aza izany, fa ny fanakambanana ny fampivelarana eo amin'ny ambaratonga tena lalin'ny fombam-piainana, fampivelarana izay vavolombelon'izany ity fanatanterahana ity. Isan'ireo tena mahagaga indrindra dia ny fitomboana hitanay eo amin'ny fahaiza-manaon'ireo namana amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny hafa mikasika lohahevitra ara-panahy ary ny firesahana amim-pahamor'na ny momba an'i Bah'u'll'h sy ny fanambarany. Fantatr'izy ireo tsara fa ny mampianatra ny finoana dia toetra iray ilaina mba ahafahana manana fiainana mampiseho ny fahalalahan-tanana.
Tao amin'ireo hafatra vao haingana dia naneho ny hafalianay izahay tamin'ny fahitana ny fanamafisana tsy an-kiaton'ny hafainganan'ny fampianarana ny finoana maneran-tany. Ny fanefana izany adidy fototra ara-panahy izany dia efa endrika iray tsy azo ial'na ary mitohy ho toy izany hatrany eo amin'ny fiainana maha-baha'i ho an'ny mpino. Ny fametrahana ny lamin'asam-pitomboana mahery vaika miisa 1.500 dia nampibaribary ny herim-po sy ny fanapahan-kevitra izay noporofoin'ireo mpino hatraiza hatraiza nefa nivoaka tao amin'ny faritrin'ny manodidina azy akaiky tao amin'ny fianakaviana sy ireo namana izy ireo, nahatoky ny tanan'Ilay Be Indrafo Indrindra izay nitari-dalana azy ho any amin'ireo fanahy mora mandray na aiza na aiza onenany. Na dia avy amin'ny vinavina faran'izay tsotra indrindra aza dia misy olona an'alina maro no mandray anjara amin'ireo hetsika goavana amin'ny fampianarana mitsingerina ara-potoana mba hamitranana fifatoram-pisakaizana, avy amin'ny fototry ny fahafantarana iray iombonana, miaraka amin'ireo izay noheverina ho toy ny olon-kafa vahiny teo aloha.
Nahazo tombontsoa lehibe avy amin'ny ohatra natolotra ho fakan-tahaka tao amin'ny boky faha-6 amin'ny lalam-piofanana Ruhi ireo mpino teo amin'ny fomba ataony mba hanolorana ireo fototry ny finoana amin'ny fomba mazava sy tsy misalasala. Rehefa manana fahazoana tsara momba ny lojika mifandraika amin'ny fanolorana ary koa afaka mihoatra ny fakam-panahy hanova izany ho lasa teny fanao dia manjary fifanakalozana eo amin'ny fanahy roa izany; io fifanakalozana io dia miavaka tsara noho ny fahazahoana lalina izay mitarika ho any amin'ny fampivelarana sy noho ny natioram-pifandraisana izay asetriny. Rehefa mitohy mihoatra ny fifankafantarana tany amboalohany io fifanakalozana io ary koa miforona ny fisakaizana marina, ny hetsi-pampianarana mivantana toy izany dia manjary hery mitaona ho amin'ny fizorana miandalana nefa maharitra ho an'ny fiovana ara-panahy. Na miteraka fanasana hanaraka ny vondrona baha'i na koa miteraka fandraisana anjara amin'ny iray amin'ireo hetsika fanaony aza ny fifankahitana voalohany amin'ny namana vaovao toy izany dia tsy tokony hisy akory ny ahiahy. Ny zava-dehibe dia ny fahatsapan'ny fanahy tsirairay avy fa isan'ny tonga soa izy amin'ny firaisany eo anivon'ny vondrona amin'izao zotrany te-hanatsara ny fiarahamonina sy ny firoboany eo amin'ny lalan'ny asam-panompoana ho an'ny olombelona izay mamela azy avy hatrany na amin'ny ho avy ny fidirany tsy misy fepetra amin'ny maha-baha'i azy.
Tsy tokony ho tsinontsinoavina ny akon'io fampivelarana io. Raha vao tafapetraka ny modely tsy miovaova fa maharitra eo amin'ny faritra tsirairay avy, dia ifantohana ny fampielezana azy amin'ny sehatra lehibe avy amin'ny alalan'ny tambazotran'ireo mpiara-miasa sy ireo olom-pantatra, ary afantoka amin'ny vondron'olona kely maromaro ny herijika rehetra, izay ho lasa ivon'hetsika mahery vaika tsirairay avy izy avy eo. Any amin'ny vondrom-paritra an-tan'n-dehibe, ny ivon'hetsika toy izany dia azo faritana eo amin'ny faritry ny kartie; any amin'ny vondrom-paritra manana endrika ambanivohitra kokoa, ny tan'na kely iray dia afaka manome toerana ara-tsosialy mety anaovana ny hetsika. Ireo izay manao asam-panompoana amin'ny toerana toy izany, na ireo tena monina ao na koa ireo mpampianatra ny finoana mandalo fotsiny dia afaka mampiseho ny asany ho toy ny asa fampivelarana ny vondrom-paritra. Ny fametahana marika ('tiquette) amin'ireo ezaka ataony amin'ny fampianarana ny finoana toy ny hoe : ' fitsidihana isam-baravarana ', na dia fitsidihana tsy nasiana fampandrenesana tamin'ny tompon-trano aza ny fifankafantarana voalohany natao, dia tsy manome rariny ny zotra miandalana izay miezaka hampivelatra ny fahaiza-manaon'ny mponina mba handray an-tanana ny fivelarany manokana ara-panahy, ara-tsosialy, sy ara-tsaina. Ireo hetsika izay mampandeha io zotra miandalana izay nanasana ireo namana vao hita ireo mba handray anjara dia ireo fivoriana izay manamafy ny fiainana ara-panahin'ny vondrona, ireo kilasy mamelona ny fo sy ny fanahy mbola tanoran'ireo ankizy, ireo andiany hisarihana ny herijika tsy hay tohainan'ireo tanora zandriny, ireo faribolam-pianarana, izay misokatra ho an'ny rehetra ka afahan'ny olona samy hafa fihaviana mandroso amim-pitoviana tanteraka sy mandinika tsara ny fampiharana ireo fampianaran'ny finoana amin'ny fiainany manokana sy eo amin'ny fiarahamonina. Mety misy il'ny fanampiana mandritra ny fotoana vitsy avy amin'ny olona ivelan'ny mponina eo an-toerana ny sasany amin'ireo hetsika. Mety ho tohanan'ireo loharano arak'olona tompon-tany avy ao amin'ny kartie na koa avy eo an-tan'na ihany koa ireo hetsika fototra ireo ' ataon'ireo lehilahy na ireo vehivavy maniry fatratra ny hanatsara ny ara-materialy sy ara-panahin'ireo tontolo iainany. Misy paikam-piainana iombonana tokony hiseho miandalana amin'izany, mifanentana amin'ny fahaiza-manaon'ny vondron'olona mitombo an-dalana izay manokan-tena amin'ny fomba fijerin'i Bah'u'll'h ho amin'ny rindran-damina vaovao maneran-tany.
Ao amin'io toe-javatra io, ny fomba fandraisana mora (receptivit') dia miseho avy amin'ny alalan'ny sitrap' te-handray anjara amin'ilay zotra miandalan'ny fampandrosoana iombonana izay natomboka avy tamin'ireo hetsika fototra. Ao amin'ny faritra tsirairay izay efa niandoha ny lamin'asam-pitomboana mahery vaika, ny asa izay miandry ireo namana amin'ity taona ho avy ity dia ny fampianarana ny finoana eo anivon'ny mponina vitsivitsy na koa maromaro efa vonona handray ny finoana, amin'ny alalan'ny fampiasany ny fomba mivantana rehefa miresaka ireo fototry ny finoana, ary mitady ireo fanahy te-hiala amin'ny torimason'ny hakamoana izay aneren'ny fiarahamonina azy ary hiasa mifanila akaiky eo anivon'ny kartie misy azy na ny tan'nany mba hanombohana ny zotra miandalana momba ny fanovana faho-be. Raha manana faharetana amin'ny fanaovana ezaka hianatra toy izany momba ireo fomba sy ireo fanao mikasika ny fampivelarana ny vondrom-paritra amin'ny sehatra mbola voafetra aloha ireo namana dia mino izahay fa manakaiky ireo rindrandamina lehibe maromaron'ny tanjona izay efa nokasahantsika hatrizay isika dia ny fandraisan'anjaran'ny olon-drehetra amin'ny raharahan'ny finoana.
Mba ahatratrarana io fanamby io dia tsy maintsy manamafy ny zotra miandalan'ny lalam-piofanana eo amin'ny vondrom-paritra ireo mpino sy ireo fitantanan-draharaha izay manao ny asa, amin'ny fampitomboana tena mazava tsara ao anatin'ny faritra misy azy ny isan'ireo olona afaka hiasa amin'ny maha-mpanamora faribolam-pianarana azy ; satria tokony ho tsapan'ireo namana fa ny tranga izay miseho ankehitriny izao mba hampandrosoana ny fiainana iombonana tena mihovitrovitra voamariky ny fientanana lalina, any amin'ny kartie sy tan'na kely, dia tsy nisy raha tsy noho ireo fampivelarana manan-danja izay niseho nandritra ny folo taona lasa mikasika ny kolontsaina baha'i izay mifandraika amin'ny fandalinana ny finoana.
Raha nangataka ny ametrahana ny lalam-piofanana manerana an'izao tontolo izao izahay tamin'ny taona 1995, ny modely nieli-patrana indrindra teo anivon'ny vondrona baha'i mba hanampiana ireo namana tsirairay avy handalinana ny fahalalany momba ny finoany dia tsy nisy hafa afa-tsy fampianarana sy kilasy sendrasendra, mandritra ny fotoana tsy voafetra ary miompana amin'ny lohahevitra maro loha. Nahavaly ny fil'n'ny vondrona baha'i maneran-tany izay vao nanomboka nipoitra izany, izay azo lazaina fa mbola vitsy an'isa, ary mbola sahirana tamin'ny fampielezana ara-jeografika ny finoana teto amin'ny planeta. Efa nazavainay anefa tamin'izany andro izany fa raha toa ka hiazakazaka amin'ny fomba tena mazava tsara ny zotra miandalana amin'ny fidirana amin'ny andiany dia tokony hisy paika fanatonana hita soritra mazava momba ny fianarana ireo soratra masina, paika fanatonana izay manitikitika olona maro an'isa hilatsa-tenany ao anatin'ny hetsika. Ho amin'io tanjona io dia nangatahanay ny lalam-piofanana mba hanampy andiana mpino mitombo isa hatrany hanao asam-panompoana, amin'ny fanomanany ireo fianarana izay afaka mampita ny fahalalana, ny fahazahoana ary ny fahaiza-manao ampy ahafahana manatanteraka ireo asa maro sosona misy ifandraisany amin'ny fanapariahana sy ny fanamafisana orina nohafainganina.
Ny mamaky soratra masin'ny finoana sy miezaka hanana fahazahoana mifandraika tsara amin'ny fanambarana mahagaga nentin'i Bah'u'll'h dia adidy izay tsy maintsy ataon'ny tsirairay avy mpanaradia Azy. Nodidiana ny olona rehetra hiroboka ao amin'ny ranomasim-ben'ny fanambarany ary handray ny anjarany amin'ireo perlan'ny fahendrena izay ao anatiny ao arakaraky ny fahaiza-manaony sy ny fironany. Noho izany, ireo kilasim-pandalinana lokaly, ireo sekolim-pahavaratra sy sekolin-dririnina, ary ireo fivoriana voalamina manokana izay ahitana mpino mahay momba ny soratra masina mba hizarany lohahevitra manokana amin'ny hafa, dia manjary singa manan-danja ho azy amin'ny fiainana maha-baha'i. Toy izany ny fahazarana mamaky soratra masina isan'andro dia hitohy ho isan'ny fifamatorana amin'ny maha-baha'i, ireo endri-pianarana rehetra ireo dia hitohy hanana ny toerany eo anivon'ny fiainana iombonan'ny vondrona. Nefa ny fahazahoana ireo zava-maningotry ny fanambar'na, na ny mikasika ny fivelaran'ny tena manokana izany na ny fandrosoan'ny ara-tsosialy dia miha-mivelatra sy miha-manankarena kokoa rehefa ampivadiana ny fianarana sy ny asam-panompoana no sady miaraka atao. Rehefa eo amin'ny sehatry ny asam-panompoana dia voasedra ny fahalalana, mitarika fametraham-panontaniana ny fanaovan-javatra ary mahatratra ny ambaratonga ambony kokoa ny fahazahoana. Avy amin'ny alalan'ny fomba fanabeazana avy lavitra - fomba fanabeazana izay manana ireto singa fototra manaraka ireto : ny faribolam-pianarana, ny mpanamora ary ny programan'ny Lalam-piofanana Ruhi - izay efa tafapetraka isaky ny firenena dia nahazo fahaiza-manao afahan'ny olona an'arivony raha tsy an-tapitrisany mihitsy eo amin'ny vondrona iraisam-pirenena baha'i nianatra ireo soratra masina ao anatin'ny andiany misy olona vitsivitsy ary hiaina ireo fampianarana baha'i eo anivon'ny zava-misy marina izay tanjony mazava, hanondrotana ny asan'ny Finoana amin'ny ambaratonga manaraka dia ny fanapariahana sy ny fanamafisana orina tohanan'ny rehetra ary amin'ny sehatra lehibe.
Aoka tsy hisy ny diso anjara amin'ny fankasitrahana ny toe-javatra voaforona toy izao. Ny fialangalanana dia teraka avy amin'ny herin'ny fiarahamonina ankehitriny. Ny faniriana te hiala voly dia efa nokolokoloina hatrany amin'ny fahazazana, ary tamin'ny fomba mahomby tokoa izay namolavola taranaka nifandimby vonona ho entina olona iray tsy fantany izay miseho ho kinga amin'ny fandokafana ireo fientanam-pony marivo tototra. Na dia eo amin'ireo fomba fanabeazana maro samihafa aza dia raisina ho toy ny toerana nomanina handray ireo antontam-baovao fotsiny ireo mpianatra. Koa fanatanterahana lehibe avy amin'ny tontolo baha'i ny nahavitany nampivelatra kolontsaina izay manandratra fomba fisainana, mianatra sy miasa afahan'ny rehetra hihevi-tena ho toy ny mizotra miaraka amin'ny lalana iray eo amin'ny fanompoana - mifanohana ny tsirairay avy ary miara-mandroso, feno fanajana ny fahaizana ananan'ny tsirairay amin'ny fotoana sasany ary koa misoroka ny fironana hanakilasy ireo mpino ho toy ny lalim-paka amin'ny finoana na tsia. Amin'izay indrindra no mitoetra ireo hery mampihetsika tsy hay toherina.
Ny tsy maintsy atao voalohany dia ny fampitomboana fatratra ny kalitaon'ny zotra miandalana momba ny fanabeazana izay ampivelarina eo anivon'ny faribolam-pianarana mandritra ity taona ho avy ity mba ho tanteraka ireo hery anaty ao amin'ny mpino amin'ny famoronany ireo hery mampihetsika tsy hay toherina ireo. Betsaka amin'izany no miankina indrindra amin'ireo miasa amin'ny maha-mpanamora azy. Koa andraikitr'izy ireo ny mametraka ny fanamby hamorona ny tontolo takian'ny lalam-piofanana, tontolo manampy ny fahaleovantena ara-panahin'ireo olona ka afahany mahatsapa tena ho toy ny fahazavana mihetsiketsika avy tamin'ny fianarany, toy ny tompon'andraikitry ny ezaka mitohy mba hampiasany ny fahalalany hanatanterahana ny fiovany manokana sy iombonana. Raha tsy izany dia na firy na firy ny isan'ny faribolam-pianarana mandeha ao anatin'ny faritra iray dia tsy hitranga ilay hery ilaina hanosika ny fiovana.
Mba ahatratraran'ny asan'ny mpanamora ny ambaratonga avo lentan'ny lavorary dia tokony ho tsaroana aloha fa ny andraikitra voalohany amin'ny fampivelarana ireo loharano arak'olona eo amin'ny faritra iray na eo amin'ny firenena iray dia adidin'ny lalam-piofanana. Ny lalam-piofanana amin'ny maha-rafitra azy (manomboka amin'ny mpanolotsainam-pitantanana, hatrany amin'ireo mpandrindra amin'ny ambaratonga samy hafa ary ireo mpanamora any am-potony) izay manao ny ezaka hampitombo ny isan'ireo mpandray anjara, dia tokony hametraka tsindrim-peo mitovy marika amin'ny fahombiazan'ny fomba fandaharana (syst'me) amin'ny ankapobeny, satria ny fandinihana farany natao dia mampiseho fa ny tombom-barotra azo amin'ny ara-kisa voatohana dia miankina indrindra amin'ny fandrosoana ara-kalitao. Eo anivon'ny faritra, ny mpandrindra dia tokony hitondra ny traikefa arak'asa ananany sy ny hery manosika ilainy amin'ireo ezaka mba hanotronany ireo rehetra manatanteraka asam-panompoana amin'ny maha-mpanamora azy. Tokony hanomana fivoriam-pandinihana voalamina maharitra sy mitohy momba ireo hetsika izy. Fivoriana voarindra mba hamerenana mandinika ireo an-dalan-tsoratra voafidy vitsivitsy avy amin'ny antontan-taratasin'ny lalam-piofanana dia mety ilaina indraindray raha toa ka tsy manantitrantitra ny hevitra fil'na fianarana lalandava izany. Ny fahaiza-manaon'ny mpanamora dia mivelatra tsikelikely rehefa milatsa-tena amin'ny asa sy manampy ny hafa mba handray anjara amin'ny tanjon'ny zavatra mitohitohy ankehitriny ao amin'ny planina maneran-tany izy avy amin'ny alalan'ny fianarany ny andian-desona mifampitohy sy ny fanatanterahany ireo singa arak'asa mifandraika aminy. Raha mbola eo am-pitojoana amin'ny boky samihafa ireo lehilahy sy ireo vehivavy amin'ny sokajin-daona samihafa ary mamita izany fianarany izany miaraka amin'ny fanampian'ny mpanamora, ny sasany kosa dia tokony efa vonona hanotrona azy ireo amin'ny asam-panompoana tokony ho ataony arakaraky ny teboka tena mampiavaka ny tsirairay sy ny tombontsoa andrasany ' singanina manokana ireo mpandrindra tompon'andraikitra amin'ny kilasin'ny ankizy, ireo mpanentana ny andiana tanora zandriny sy ny faribolam-pianarana izay asam-panompoana fototra mampaharitra ny fomba fandaharana. Tokony hitohy ho anton'ny fianarana mahery vaika isaky ny firenena ny fanomezan'aina tena mihovitrovitra io fomba fandaharana io amin'ny ambaratonga mifanentana tanteraka aminy mandritra ity roambin'ny folo volana ho avy ity.
Ny fanahiana hiantoka fanabeazana ara-panahy ho an'ny ankizy dia efa singa iray amin'ny kolontsain'ny vondrona baha'i hatramin'izay. Nahitana voka-java-misy roa mifanindran-dalana io fanahiana io : ny iray, izay notovozina avy amin'ny tolo-tsaina momba ireo zava-misy ao Iran, izay miendrika ny fahaiza-manao hanolotra kilasy mitohy sy maharitra, amin'ny ambaratonga tsirairay, ho an'ireo zanakin'ny baha'i, izay amin'ny ankapobeny mba hampitana fahalalana fototra momba ny tantara sy ireo fampianaran'ny Finoana amin'ireo taranaka vaovao. Amin'ny faritra maro maneran-tany, ny isan'ireo nahazo tombony tamin'ny kilasy toy izany dia azo lazaina fa voafetra ihany. Ny zava-misy faharoa dia niseho tamin'ireo toerana na tany ambanivohitra na tany an-tan'n-dehibe izay nisy fanekena ny Finoana amin'ny sehatra lehibe. Ny toetra mivelatra sy misokatra amin'ny hafa no tena nisongadina nandritra io fanandramana io. Kanefa, na dia naniry fatratra ny handray anjara tamin'ireo kilasy baha'i ireo aza ny ankizy avy amin'ny fianakaviana samihafa ary noraisina an-tanan-droa tokoa dia nisy ihany ny zavatra nanakana ireo kilasy ireo tsy hanjary ara-dal'na isan-taona. Mahafaly anay aok'izany tokoa ny mahita ireo toe-javatra roa ireo, vokatry ny tranga ara-tantara, izay manomboka misinda arakaraky ny fiezahan'ireo namana voavolavolan'ny lalam-piofanana hatraiza hatraiza manolotra kilasy, misokatra ho an'ny rehetra, amin'ny fomba maharitra sy mitohy.
Misy zavatra miatomboka mahavelom-panantenana izay mila fanaraha-maso matanjaka indray amin'izao fotoana izao. Ao amin'ireo faritra rehetra izay misy lamin'asam-pitomboana mahery vaika dia zava-dehibe ny ezaka atao mba hampaharitra sy hitohizan'ny fanabeazana ara-panahy omena ireo ankizy mitombo isa hatrany avy amin'ny fianakaviana isan-karazany, izay toetra iray manan-danja mba afahan'ny zotra miandalan'ny fampivelarana iombonana maka bahana eo anivon'ny kartie sy ny tan'na kely. Io dia asa sarotiny izay mitaky faharetana sy fifanomezan-tanana avy amin'ireo ray aman-dreny sy ireo fitantanan-draharaha. Ny Lalam-piofanana Ruhi dia efa nangatahana hampihazakazaka ireo vinavinan'asa famenon'ny fianaran'ireo mpampianatra amin'ny kilasin'ny ankizy mikasika ireo ambaratonga samihafa, anisan'izany ireo lesona mifanaraka, manomboka amin'ny ankizy 5 na 6 taona ary mitohy hatrany amin'ireo efa lehibe kokoa 10 na 11 taona mba hamenoana ny elanelana misy ankehitriny amin'ireo lesona azo atao sy ireo fitaovana ho an'ny tanora zandriny, toy ny Fisainana hombam-pinoana (Esprit de Foi) na koa ny fitaovana manaraka ny Fahefan'ny Fanahy Masina (Le pouvoir de l'Esprit-Saint), izay mitondra singa tena baha'i ho an'ny lamin'asa momba io sokajin-taona io. Rehefa afaka ampiasaina ireo fianarana sy ireo lesona fanampiny ireo dia mahazo manomana mpampianatra sy mpandrindra ampy ho azo apetraka amin'ny toerana isan'ambaratongany ny lalam-piofanana amin'ny firenena tsirairay avy, ny ivon'ny lamin'asa ho an'ny fanabeazana ara-panahin'ireo ankizy ary azo harindra miodidina azy io koa ireo singa rehetra ankoatrany. Fa eo am-piandrasana izany dia tokony hanao izay azony atao ny lalam-piofanana mba ahazoan'ireo mpampianatra ny fitaovana ara-pampianarana mifandraika amin'izay ilaina, amin'ny fitrandrahana ireo fitaovana efa misy ary azony ampiasaina mandritra ny kilasy tazoniny miaraka amin'ireo ankizy amin'ny taona samihafa sy miankina amin'ny fil'na.
Nahazo ny fankasitrahanay maharitra mandrakizay noho ny tosika sarobidy izay nataony momba ireo ezaka nasehony mba hahatanteraka alohan'ny fotoana ny tanjon'ny planina dimy taona ny Ivo-pampianarana Iraisam-pirenena. Ny fahitana ny tanjakin'ny herim-po izay nentiny tamin'ity raharaha lehibe maneran-tany ity, amin'ny fanaraha-maso am-pikirizana ireo fandrosoana tanteraka isaky ny kaontinanta, amin'ny fiaraha-miasa akaiky amin'ireo mpanolotsaina isaky ny kaontinanta dia nahazahoana jery tombana mikasika ny fahefana goavana izay miraikitra amin'ny lamim-pitantanan-draharahan'i Bah'u'll'h. Koa satria ankehitriny efa mampifantoka ny fibanjinany amin-kery mitovy ireo resaka mifamatotra amin'ny fahombiazan'ireo hetsika eo anivon'ny vondrom-paritra ny Ivom-pampianarana dia tsy hisalasalana fa hijery manokana ny fomba fampandehanana ireo kilasy baha'i ho an'ny ankizy koa izy. Mino izahay fa ny fandinihana ny traikefa ho azo amin'ireo faritra voafidy vitsivitsy amin'ny taona ho avy izao, izay mampitomaratra ireo zava-misy samihafa tena marina dia hitondra fahazavana momba ireo tranga mety hiseho ka hahatonga ny famoronana kilasy marim-potoana, ho an'ny ankizy amin'ny sokajin-taona rehetra ary hatrany amin'ny kartie sy tan'na kely rehetra any.
Ny fampivelarana haingana ny lamin'asa amin'ny fahaleovantena ara-panahin'ireo tanora zandriny dia fanehoana hafa iray koa momba ny fampandrosoana ara-kolotoraly eo anivon'ny vondrona baha'i. Raha manamatroka io sokajin-taona io ho toy ny olana mampisalasala ny fironana maneran-tany : very ao anatin'ny horohoron'ny fiovana ara-batany sy ara-pientanam-po misavorovoro, tsy misy firaharahiana izay mitranga amin'ny manodidina azy sy toa mirona hitodika ivoho ny tontolo any iveny, ny vondrona baha'i kosa 'amin'ny fomba fiteny izay ampiasainy sy ireo fomba fanatonana izay arahany ' dia mandroso tsy mihambahamba amin'ny lalana mifanohitra amin'izany toy ny fahitany fa manana fironana tia ny hafa ireo tanora zandriny ireo, manana firehana matsilo momba ny fahamarinana izy, manana zotom-po hianatra momba izao rehetra izao ary koa manana faniriana handray anjara amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa. Isaky ny misy fijoroana vavolombelona dia mianiana ny fahamarinan'izany fahitana lavitra izany ireo tanora zandriny maneran-tany eto amin'ity planeta ity amin'ny filaz'ny izay eritreriny amin'ny maha-mpandray anjara ao amin'ny lamin'asa azy. Toa mampiseho sahady izany rehetra izany fa ny lamin'asa dia maningotra ny feon'ny fieritreretany izay miha-lehibe mba hitrandraka ny zava-misy marina izay hanampy azy ireo amin'ny fandinihana ireo hery mpanorina sy mpanimba izay miasa fatratra eo amin'ny fiarahamonina ary koa hahalala ny fihatraikan'ireo hery ireo eo amin'ny fomba fisainany sy ny fihetsika ataony, mandranitra ny fahatsapany ara-panahy, ary mampivelatra ny fahefan'ny fampisehoana rehetra ary manamafy ireo rafitra ara-moraly izay manohana azy ireo mandritra ny androm-piainany. Amin'izao taona izay mampisokatra tsara ireo fahaiza-manaony ara-tsaina, ara-panahy sy ara-batana izay eo amin'ny fivelarany rehetra dia atolotra azy ireo ny fitaovana afahany miady amin'ireo hery izay mitady hangalatra ny tena maha-izy azy amin'ny maha-olo-mendrika sy hiasa ho an'ny harena iombonana.
Koa satria ny singa lehibe mpandrafitra ny lamin'asa dia mikaroka ireo lohahevitra mifandraika amin'ny fijery baha'i, nefa tsy misora-tena toy ireo fomba fanaon'ny fampianarana ara-pinoana, dia malalaka tsara tokoa ny lalana hampielezana bebe kokoa ireo tanora zandriny amina sehatra sy tranga miovaova. Amin'ny tranga sasany ireo izay manatanteraka ny lamin'asa dia miresaka amim-pahatokiana ny momba ny ara-tsosialy, ary sendra fanontaniana maro samihafa sy tranga ahafahana manao zavatra izay voaara-maso sy voalamina ho zotra miandalan'ny fampianarana maneran-tany avy amin'ny Biraon'ny fampivelarana ny ara-tsosialy sy ara-ekonomika any amin'ny Tany Masina. Ny fitambarana miavosan'ny fahalalana sy ny traikefa dia efa namorona fahaiza-manao hikarakarana tanora zandriny mihoatra ny arivo isan'isany ao amin'ny lamin'asa, tamin'ireo vondrom-paritra maro izay miparitaka manerana ny planeta. Mba ahafahana manampy ireo faritra hafa handroso haingana kokoa dia miasa miaraka amin'ny fanampian'ny namana mpino vitsivitsy amin'ny fametrahana tambajotra iray misy 'sites' isaky ny kaontinanta ny Birao izay mety ho ampiasaina mba hanolorana fampianarana famolavolana ireo mpandrindra avy amin'ny faritra maro an'isa tokoa. Ireo loharano arak'olona ireo dia hanohy hanohana ny mpandrindra rehefa tafaverina any amin'ny vondrom-paritra misy azy avy, mba afahany mamorona tontolo manodidina manankarena ara-panahy afahan'ny lamin'asan'ireo tanora zandriny miorim-paka.
Marina fa mbola maro tokoa ireo fahalalana mety ho azo avy amin'io sehatr'asa io na dia efa mibaribary aza ny modelin'hetsika iray. Ny fahaiza-manaon'ny vondrona baha'i irery ihany no mametra ny fatra amin'ny filan'ireo sekoly na koa andian'olon-tsotra izay mangataka io lamin'asa io. Ireo faritra izay efa manao ny lamin'asam-pitomboana mahery vaika hatramin'ny mason'andro androany dia nametraka fombafomba maro samihafa : ny sasany tsy manana hafa afa-tsy andiana tanora zandriny miparitaka etsy sy eroa ary indraindray ihany ny fihaonana, ny an'ny hafa indray kosa dia misahana maro loatra ka il'na ny asan'ny mpandrindra voatokana izay mbola mila ny fanohanan'ilay 'site' mba afahany mampita ny fahalalana azony. Mba afahana miantoka ny fitomboan'io fahaiza-manao io manerana ny fisandrahak'ireo vondrom-paritra maro ireo dia nangatahanay mba ho azo ampiasaina ny 'site' fampianarana miisa 32 alohan'ny hifaranan'ity planina ity, ary ny tsirairay avy amin'ireo 'site' ireo dia ho ampiasain'ny vondrom-paritra miisa roapolo eo ho eo miaraka amin'ny mpandrindra iray tena manao anton'asa amin'ny ora feno azy io. Eo amin'ireo faritra hafa izay mitovitovy amin'izany, ny laharam-pahamehana dia ny famoronana ny fahaiza-manao hanolotra ny lamin'asa sy fampitomboana amin'ny fomba maharitra sy mitohy ny isan'ny andiana tanora zandriny mandritra io taona ho avy io.
*
Ireo fampivelarana izay nolazainay hatramin'izao toy ny fanatsarana ny fahaiza-manao amin'ny fampianarana mivantana ny finoana sy ny fanaovana ady hevitra efa voafidy sy matotra tsara momba ireo lohahevitra ara-panahy miaraka amin'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, ny fivelaran'ny fomba fanolorana ny fianarana ireo soratra masina izay mapitombona azy amin'ireo hetsika, ny faningoran-tena nohavaozina mba hanolotra fanabeazana ara-panahy ireo ankizy eo amin'ny kartie sy ny tan'na kely amin'ny fomba maharitra sy mitohy ary ny fanapariahana ny hery mitaona asetrin'ny lamin'asa izay manantitrantitra amin'ireo tanora zandriny ny fiheverana fa manana tanjona ara-moraly roa izy : fampivoarana ireo fahafaha-manao mbola miafina ao aminy sy ny fandraisany anjara amin'ny fanov'na ny fiarahamonina ; ireo fampivelarana ireo dia samy nohamafisina, amin'ny ambaratonga ambonimbony kokoa, avy amin'ny alala'ny firosoana hafa koa eo amin'ny sehatra ara-kolotoraly, firosoana izay tena midadasika tokoa ny akon'ny fihantraikany. Io fivoaran'ny fahatongavan-tsaina iombonana io dia azo tsapain-tanana ao amin'ny hatetika mitombo izay nipoiran'ny teny hoe ' fanotronana ' eo amin'ny resaka ifanaovan'ireo namana, teny izay misalotra hevi-baovao nefa toa misosa mora fotsiny eo amin'ny voambolana iraisana ao amin'ny vondrona baha'i. Mariky ny fanamafisana iray tena manan-danja amin'ny kolontsaina izay ny fianarana no fomba fiasany izy, fomba iray izay manasongadina ny fandraisan'anjara efa nazahoan'ireo olona miha-maro fampilazana momba ny ezaka iraisana izay mikendry ny ampiharana ireo fampianaran'i Bah'u'll'h amin'ny fanorenana ny sivilizasion'Andriamanitra izay efa nofaritan'ny Mpiambina ho toy ny asa voalohany amin'ny Finoana. Ny fomba fijery toy izany dia mampiseho fifanoherana manaitra eo amin'ny fahavoazana lehibe ara-panahy sy ny fomba fiainana mamoehatra vokatry ny lamina eran-tany tranainy ara-tsosialy izay tsy mikaroka afa-tsy ny hanao fanararaotana matetika ny herijikan'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovana tsindry hazo lena, ny fitiavan-karena tafahoatra, ny fanamelohana, sy ny fanodinkodinana ny saim-bahoaka.
Eo amin'ny fifandraisan'ny samy mpinamana, io fampivelarana ao amin'ny kolontsaina io dia manana ny toerana ao amin'ny kalitaon'ny fomba fanehoana mifamaly. Ny fianarana amin'ny maha-fomba fiasa azy dia mangataka ny tsairairay avy hanana toetra manetry tena ka manjary manadino ny tenany, ary mametraka tanteraka ny fahatokiany amin'Andriamanitra, sy miankina amin'ny fahefany izay manohana ny zava-drehetra ary mahatoky ny fanampiany tsy mba mamitaka, amin'ny fahafantarana fa Izy ary Izy irery ihany no afaka manova ny aloy kely ho lasa voromahery, ny indray mitete ho ranomasimbe tsy misy fetra. Amin'izany toetra izany dia miasa miaraka tsy misy fitsaharana ireo fanahy, tsy ravoravo noho ny fanatanterahany manokana akory fa noho ny fandrosoana sy ny fanompoana vitan'ny hafa, ka hatramin'ny fifanampiana eo amin'ny tsirairay avy mba hananika ny tendron'ny asam-panompoana ny Finoana sy ny misonenika eny amin'ny lanitry ny fahalalana an'Andriamanitra dia manjary eo anivon'ny eritreritra mandrakariva. Izany no hitantsika amin'ny modelin'hetsika ankehitriny izay mivoitra manerana ny planeta, aelin'ireo tanora sy ireo zokinjokiny, ireo baha'i efa ela sy ireo vao niditra vao haingana, miasa mifanila akaiky.
Tsy vitan'ny hoe mampiasa ny hery mitarika eo amin'ny fomba fifandraisan'ny tsirairay avy fotsiny io fandrosoana anatin'ny kolontsaina io fa mety ho tsapa amin'ny fitondrana ireo raharaha ara-pitantanan'ny Finoana koa ny vokany. Rehefa lasa endrika mampiavaka ny fomba fiasan'ny vondrona ny fianarana, dia mifindra any amin'ny fivondronan'ny mpino ny endrika sasan'ny fanapahan-kevitra mikasika ny fanapariahana sy ny fanamafisana orina, ka mamela ny fandaminana ny hetsika sy ny fanaovana ny asa ho afa-miatrika kokoa ny zava-misy hita eny an-tsehatra. Raha ny marina, ny famoronana ny fivoriam-pandinihana dia manolotra sehatra ho an'ireo izay nilatsa-tena amin'ny hetsika eo anivon'ny vondrona mba hivoriany ara-potoana hanaovana fanamarinana farany sy hahatongavana amin'ny marimaritra iraisana amin'ny toe-draharaha mikasika azy avy amin'ny alalan'ny fahazavan'ny traikefa sy ireo toro-marika avy amin'ny lalam-piofanana sy mba hamaritana ny dingana harahana manaraka. Misy sehatra mitovy amin'io koa sokafan'ny lalam-piofanana, izay afahan'ireo manao asam-panompoana eo amin'ny faritra mivory mitokana avy ary mifampizara ireo traikefa azony amin'ny maha-mpanamora, mpampianatra kilasin'ny ankizy na koa mpanentana andiana tanora zandriny azy. Ny lalam-piofanana sy ny komitim-paritry ny fampianarana ary ireo mpanolotsaina mpanampy izay efa miserasera akaiky amin'io zotra miandalan'ny fakan-kevitra any amin'ny fotony io satria efa manana asa iarahana sy mifandray maro isa izy ireo, dia tokony hamorona sehatra iray hafa koa mba handraisany fanapahan-kevitra momba ny fitomboana, fa mba amina lenta avo amin'ny fanaraham-pomba kosa. Ny fomba fandehanan'io tetika miasa eo anivon'ny vondrom-paritra io, izay vokatry ny fil'n-javatra dia manasongadina toetra iray manan-danaja eo amin'ny fitantanan-draharaha baha'i : toy ny zavatra iray miaina dia manana fahafaha-manao misy kody mampifanaraka ny ambaratonga miha-avon'ny zava-tsarotra izy, raha momba ny rafitra sy ny zotra miandalana, ny fifandraisana sy ireo hetsika, isaky ny mandroso eo ambany fiadidian'ny Tranom-pahamarinana Iraisan'izao tontolo izao.
Ny afahan'ireo fitantanan-draharahan'ny finoana isan'ambaratongany rehetra ' lokaly, vondrom-paritra, nasionaly, ary kaontinantaly - misahana zava-tsarotra miha-mitombo amim-pahakingana miha-avo dia avo toy izany dia sady marika iray no koa fangatahana amin'ny fahamatorany tsy miovaova. Ny fifandraisana izay mivoatra eo amin'ireo rafitra ara-pitantanan-draharaha dia nitondra ny Antenimiera ara-panahy lokaly ho eo an-tokonan'ny dingana vaovao iray eo amin'ny fanatanterahany ny andraikiny amin'ny fanapariahana ny tenin'Andriamanitra, amin'ny fanetsehana ny herin'ny mpino ary ny famoronana tontolo mpamorona iray ara-panahy. Efa nohazavainay teo aloha fa ny fahamatoran'ny Antenimiera ara-panahy dia tsy azo refesina noho ny fanatanterahany fivoriana ara-dal'na na koa noho ny fahombiazan'ny fomba fiasany. Ny heriny dia tokony ho tsapaina manokana amin'ny fahavitrihan'ny fiainana ara-panahy sy ara-tsosialin'ny vondrona izay hiasany ' vondrona iray miha-mitombo izay mandray amin-kafanam-po ireo fanampiana mitondra fanorenana ho an'ny rehetra na efa baha'i ara-dalana izy ireo na tsia. Mahavelom-bolo ny mahita fa ireo fomba fanatonana, ireo fomba fanao sy ireo fitaovana izay ampiasaina ankehitriny dia manome ny enti-manao hamitana ireo andraikitra na dia vao manomboka miantoka ny fanomezana valin-teny mahafapo amin'ireo fil'n'ny planina dimy taona eo amin'ny vondrona misy azy ireo Antenimiera ara-panahy lokaly, eny fa na dia ireo vao nitsangana vao haingana aza. Marina tokoa, ny fifanekena mifandraika izay entin'ny Antenimiera ao amin'ny planina dia tena zava-dehibe tokoa ho an'ny andrana handray ao anatin'ny vondrona ireo olona maro an'isa, izay azo lazaina fa antony iray afahan'ny Antenimiera mampiseho amin'ny fatra feno ireo fahefany sy fahaiza-manaony.
Ny fivoaran'ireo Antenimiera ara-panahy lokaly, izay inoanay marina, dia ho hitantsika amin'ireo taona ho avy dia ho azo tanterahina nohon'ny hery mitombon'ireo Antenimiera ara-panahy nasionaly, izay nitombo haingana tokoa ny fahaiza-manao hieritreritra sy hiasa amin'ny fomba misy paik'ady, indrindra isaky ny avy nianatra namakafaka ny zotra miandalan'ny fivelaran'ny vondrona izay zavatra miseho any amin'ny fototra, miaraka amin'ny faharanitana sy ny fahombiazana mitombo, ary hitondrana arakaraky ny fil'na, fanampiana, loharano arak'olona, famporisihana sy toro-marika feno fitiavana. Any amin'ireo firenena izay misy toe-javatra mitaky izany dia nomeny ireo mpanolotsaina eo amin'ny faritra ny sasany amin'ireo andraikiny mifandraika amin'ilay fil'na, notsinjaraina ny sasany amin'ireo asa ara-drafitra, nohamafisina ny fahaiza-manao ara-pitantanan-draharaha eo amin'ireo faritra eo ambanin'ny fihadidiana, ary nampivelarina ny fitambaran'ny fiaraha-miasa miandry vokatra iombonana sarotsarotra kokoa. Tsy mihoapampana ny filazana fa ny fandraisana andraikitra fenon'ireo Antenimiera ara-panahy nasionaly dia maty paika tokoa mba hamoronana ilay bahana farany ilaina amin'ny fanatratrarana ny tanjon'ny planina izay efa mandeha, ary mety hahita fivelarana mbola lehibe kokoa isika amin'io lalana io raha amim-piraisankina amin'ireo mpanolotsaina, manao ny ezaka faratampony izy ireo mandritra ireo volana sarobidy sy fohy ho avy ireo mba hanomanana ny vondrona misy azy hiondrana ao amin'ny asa aman-draharaha mandritra ny dimy taona manaraka.
Tsy am-pisalasalana, ny fivoaran'ny vondron-drafitr'ireo mpanolotsaina dia hamaritra ny iray amin'ireo firosoana manan-danja eo amin'ny rindran-damina ara-pitantanana baha'i nandritra ny folo taona efa dify. Io vondron-drafitra io dia efa nahitana fandrosoana mahagaga tamin'ny fivelarany raha tamin'ny janoary 2001 nivory tany amin'ny Tany Masina ireo mpanolotsaina sy ireo mambra ao amin'ny vondron'ny mpanolotsaina mpanampy nanatrika ny fivoriana nanamarika ny fametrahana amin'ny toerany maharitra ny Ivo-toerana Iraisam-pirenana momba ny fampianarana eo amin'ny tendrombohitr'i Karmela. Tsy isalasalana fa ny hery aterak'izany vanim-potoana izany dia nanosika haingana io rafitra io hiroso any aloha. Ny vokatry ny fanampian'ireo mpanolotsaina sy ireo mpanolotsaina mpanampy teo amin'ny fampandrosoana ny planina dia mampiseho fa mipetraka tsara eo amin'izay toerana tokony hisy azy amin'ny maha-mpialoha lalana azy amin'ny fampianarana. Resy lahatra izahay fa ireo taona ho avy dia mbola hampifanakaiky kokoa ireo rafitry ny fitantanan-draharaha eo amin'ny fiaraha-miasa, raha toa ka ny rehetra dia miezaka manamafy ny fandavan-tena hianatra izay hita fa io no endrika iray mampiavaka ny fiasan'ny vondrona tsirairay izay mifanaraka amin'ny asany sy ny andraikiny mivoatra hatrany, ary izany dia ao anatin'ny fahamaihana tena lehibe any amin'ireo vondrom-paritra izay tafiditra ao anatin'ny lamin'asam-pitomboana mahery vaika.
*
Midadasika ny fanambaran'i Bah'u'll'h. Mitaky fiov'na lalina izany, tsy eo amin'ny olona tsirairay ihany fa eo amin'ny rafi-piarahamonina koa. ' Ny tanjon'ny Fanehoan' Andriamanitra, hoy Izy, dia ny fiovana sy ny hahatonga lafatra ny zanakolombelona, fiovana izay tsy tokony ho simban'ny fiainana ao anaty sy ireo fepetra ety ivelany '. Ny asa izay mandroso isaky ny toerana tsirairay maneran-tany ankehitriny dia mampiseho ny dingana iray vao tsy ela akory izay ny ezaka nataon'ny baha'i mba hamoronana ny vontoatin'ny sivilizasiona mamirapiratra iray izay miorim-paka amin'ny fampianarany, izay ny fananganana azy dia anton-draharaha tena goavana sy sarotra tokoa, satria asa tena mitaky ezaka aman-jatony taona amin'ny zanak'olombelona mialohan'ny hahazoana ireo vokany. Tsy misy hitsin-d'lana, na koa fomba fanao avy hatrany. Tsy misy hafa afa-tsy avy amin'ny alalan'ny ezaka izay atao ihany no hahazoana hirika hahitana lalana hafa natolotry ny fanambaran'i Bah'u'll'h, mba hahatongavan'ny zanak'olombelona manangona fahalalana, mba hampiharana ireo lesona azo amin'ny fomba matsilo momba ny fiainan'ny zanakolombelona, ary koa mba hikaonandoha amin'ireo fanontaniana nipetraka, ka ho tanteraka ireo fianarana ilaina ary hivoatra ny fahaiza-manao.
Ao anatin'io lalam-pivoarana lavitr'ezaka ho amin'ny fampandrosoana ny fahaiza-manao io, ny vondrona baha'i dia nanokana nandritra ny zato taona sy tapany mba haha-maty paika ny traikefany eo amin'ny sehatry ny fampianarana, nianatra mba hanokatra ny hetsik'asa sasany amin'ny olona mihamaro kokoa hatrany ary mba hanohana ny fanapariahana sy ny fanamafisan'orina. Nasaina tamin-kafanam-po daholo ny rehetra mba hiditra ao anatin'ny vondrona sy mba hivelona amin'ny hafatra mamelon'aina avy amin'i Bah'u'll'h. Marina tokoa fa tsy misy hafaliana lehibe ho an'ny fanahy iray, izay manana faniriana miredareda momba ny Fahamarinana, izay mahita fialofana ao anatin'ny mandabe'ny Finoana ka manovo ireo heriny ao anatin'ny fahefana mampiray hinan'ny Fifanekena. Na izany aza anefa, ny olona tsirairay sy ny vondron'olona tsirairay, na mpanaradia an'i Bah'u'll'h izy ireo na tsia, dia afaka maka tolo-kevitra ao amin'ny fampianarany ary afaka manararaotra ireo vatosoam-pahendrena sy fahalalana izay hanampy azy ireo amin'ireo fanamby tokony hatrehiny. Marina tokoa mantsy fa, ny sivilizasiona izay nambaran'ny zanak'olombelona dia tsy ho tratra amin'ny alalan'ny ezaka ataon'ny baha'i fotsiny. Maro ireo vondrona sy rafitra, izay atosiky ny fisainana firaisankina iraisam-pirenana izay marihina fa vokatry ny foto-kevitr'i Bah'u'll'h na dia tsy mivantana aza momba ny firaisankinan'ny zanak'olombelona, izay hanampy ny sivilizasiona hanasongadina ny fivoahany avy ao amin'ny fisavorovoroana sy ny korontana misy eo amin'ny fiarahamonina ankehitriny. Ny rehetra dia tokony hahatsiaro mazava fa ny fahaiza-manao izay nampivelarin'ny vondrona baha'i mandritra ireo planina eran-tany maro mifanesy dia mahatonga azy ho zary lasa afaka mitondra ny anjara birikiny amin'ireo lafiny maro amin'ny fananganana sivilizasiona, ary manokatra sehatra maro vaovao ho amin'ny fianarana.
Ao anatin'ny hafatry ny Ridvan 2008, dia nanamarika izahay fa, raha toa ireo namana sady manohy miasa eo anivon'ny vondrona, dia ho zary fanazaran-tena ho azy ireo eo anivon'ny fiainan'ny fiarahamonina izany ary ho voasedra eo amin'ny fanamby izy ireo ho amin'ny fanitarana ny ambaindain'ny fianarana mitohy sy maharitra izay iandraiketany ka mba hampidirana sahan'asa miha-mitombo hatrany amin'ny hetsikin'ny zanak'olombelona. Rindram-piarahamonina manan-karena no efa tsinjo sy taratra isaky ny vanim-potoana fiaraha-miondrika mandinika iarahana, izay hifangaroan'ny fifanakalozan-kevitra any anatin'ny tokan-trano tsirairay, voatenona any anatin'ireo hetsika manome fampianarana ara-panahy amin'ny karazan'olona tsy ankanavaka izay mandrafitra ny fiarahamonina : ny olon-dehibe, ny tanora ary ny ankizy. Ny fahatsiarovan-tenan'ny mpiaramonina dia zary mahiratra ho azy rehefa misy fifanakalozan-kevitra maro mafanafana mitombo eo amin'ny samy ray aman-dreny momba izay mba fanirian'ireo zanany na koa momba ireo vinavinan-kasa fanompoana mitsiry ao amin'ny tanora zandriny. Manomboka eo amin'ny fotoana maha-ampy ny loharano arak'olona eo amin'ny vondrona ary koa efa mahamafy orina ny modelin'ny fitomboana, ny fandraisana andraikitry ny vondrona eo amin'ny fiarahamonina dia afaka ary tokony hitombo koa. Eo amin'io dingana iray saro-pady eo amin'ny fandrosoan'ny planina io, izay maha-betsaka ireo vondrom-paritra tonga amin'izany dingana izany, dia tsapa fa efa fotoanany amin'izay izao ho an'ny namana rehetra ny mandinika momba ny fomba tokony hataon'ny vondrona iray miitatra sy mavitrika ho entiny hampandrosoana ara-materialy sy ara-panahy ny fiarahamonina. Amin'izany indrindra, ilaina ny mandinika zava-droa loha momba ny hetsik'asa mifamatotra akaiky, izay mifanohana sy mifamaly hatrany : dia ny vokatry ny hetsika ara-piarahamonina sy ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra eo anivon'ny fiarahamonina.
Nandritra ny aman-jatony taona maro, ny vondrona baha'i dia nahazo traikefa maro ao anatin'ireo sehatra roa ireo. Mazava ho azy, maro ireo baha'i izay nirotsaka nandray andraikitra avy amin'ny alalan'ny tenany samy irery amin'ny hetsika ara-tsosialy ary tany anatin'ny fifanakalozan-kevitra ampahibemaso, amin'ny alalan'ny asa aman-draharaha izany. Misy fikambanana mpanao asa-soa tsy miankina amin'ny fanjakana, izay naka ny hevitry ny fampianarana ny Finoana ary niasa teo anivon'ny vondrom-paritra na teo amin'ny firenena mihitsy aza, niasa teo amin'ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karena mba hanatsara kokoa ny fari-piainan'ny zanakolombelona. Ny Antenimiera masina nasionaly dia nandray anjara koa, avy tamin'ny alalan'ireo rantsa-mangaikany ary amin'ny alalan'ny fomba maro samihafa, ho amin'ny fanandratana ireo foto-kevi-dehibe izay mety hahasoa ny maha-olona amin'ny ankapobeny. Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ny vondrona toy ny Birao eo amin'ny Firenena mikambana an'ny vondrona iraisam-pirenena baha'i dia mamita asa toy izany koa. Rehefa ilaina sy iriana izany, ireo namana miasa any am-potony ao amin'ny vondrona dia afaka misintona traikefa sy fahaiza-manao azo avy amin'izany raha tahiny ka manao ezaka mamaly ireo zavatra manahirana ny fiarahamonina izay manodidina azy izy.
Ny hetsika ara-tsosialy dia azo aseho arak'izay maha-izy azy eo amin'ny karazana famoronana, izay miainga avy amin'ny hetsika tsy maty hanina ao anatin'ny fotoana fohy ataona olona tsotra na vondrona namana vitsivitsy ka hatramin'ny programa ara-tsosialy sy ara-toekarena efa goavana sy lalina tanterahan'ny rafitra manana foto-pisainana baha'i. Na inona na inona lanjany sy habeny, ny asa ara-tsosialy dia mitady ny hampihatra ny fampianarana sy ny foto-kevitry ny Finoana mba hanatsarana hatrany, na dia kely fotsiny ihany aza, ny lafiny isan-karazan'ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekarenan'ny mponina. Izany ezaka izany dia miavaka eo amin'ny vokany amin'ny maha-tanjona voalaza dieny mialoha ho fanandratana ny fanatsarana ny maha-olona ny mpiray monina, ankoatra ny fahasalamany ara-panahy. Ao anatin'ny fampianarana baha'i, omena toerana manan-danja manokana ny momba ny sivilizasiona iraisam-pirenena izay efa manangasanga eny amin'ny faravodilanitry ny zanak'olombelona ka tokony hahatanteraka fifandrindrana mifamatotra sy mifamaly eo amin'ny fil'n'ny fiainana ara-nofo sy ny ara-panahin'ny fiainana. Mazava ho azy fa ny idealy toy izany dia manana fiantraikany lalina manoloana ireo sahan'asa ara-tsosialy ataon'ny baha'i, na inona na inona tanjona sy sehatra iantefany. Na dia tsy mitovy aza ireo zava-misy eo amin'ny firenena tsirairay avy, na eo amin'ny vondrom-paritra tsirairay avy koa, ka mahatonga ny namana hanatanteraka hetsika maro samihafa, ny rehetra dia tokony hibanjina ao an-tsaina ny foto-kevi-dehibe fototra. Ny anjara toeran'ny fahalalana ao anatin'ny fisiana ara-piarahamonina dia iray amin'izany. Ny fitazonana maharitra ao anatin'ny tsy fahalalana dia endrika famoretana iray isan'ny tena ratsy indrindra ; manamafy orina ireo fitsaratsarana ivelany izany ka mampitombo ireo sakana ho amin'ny fanatanterahana ny firaisankinan'ny zanak'olombelona, izay tanjona sy foto-kevi-dehibe manetsika ny fanambaran'i Bah'u'll'h. Ny fahafahana mahazo fahalalana dia zon'ny olombelona tsirairay avy, ary ny fanampiana hampivoatra izany, ny mampihatra ary ny manaparitaka izany dia andraikitra tokony ho raisin'ny tsirairay avy ao anatin'ny hetsika lehiben'ny fananganana sivilizasiona mondialy mandroso ' ny lahy sy ny vavy araka ny talenta ananany sy ny fahafahany manao izany. Ny fahamarinana dia mitaky ny fandraisan'anjaran'ny olona rehetra. Noho izany, na dia mety hiteraka vokatra, na amin'ny fomba manao ahoana na ahoana ny fanoloran-javatra sy ny asa fanaovan-tsoa, ny tena foto-kevitra sahaniny voalohany dia ny fampandrosoana eo anivon'ny mponina voafetra iray, ny fahaiza-manao amin'ny fandraisana anjara hamoronana tontolo iray vaovao tsaratsara kokoa. Ny fanov'na ny vondrona ara-piarahamonina iray dia tsy tetik'asa tanterahan'ny vondron'olona iray ho an'ny karazana vondron'olona iray hafa akory. Ny lanjany sy ny fahasarotan'ny hetsika ara-tsosialy dia tokony hifanentana amin'ny haben'ny loharano arak'olona misy eo amin'ny tan'na iray na kartie iray mba afahany miroso amin'izany. Ireo ezaka dia manomboka amin'ny sehatra kelikely aloha ary mitombo ho azy hatrany arakaraky ny fitomboan'ny fahaiza-manao eo amin'ny mponina. Mitombo miakatra hatrany ny fahaiza-manao, mazava ho azy, amin'ny sehatra ambony kokoa arakaraky ny fianarana mampihatra amin'ny zava-misy eo amin'reo voakasiky ny fanov'na ara-tsosialy, ka amin'ny fomba mahomby kokoa, momba ireo zavatra voalazan'i Bah'u'll'h, ka hahatsapany indray ny namany ho toy ny vatosoa sarobidy ary hanekeny ny vokatr'ireo zotra miandalana roa amin'ny fanorenana sy ny faharav'na eo amin'ny fo sy ny saina, eny fa na dia eo amin'ny rafitra ara-piarahamonina aza.
Ny hetsika ara-tsosialy mahomby dia ny fahafahana mampanan-karena ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra misy eo amin'ny fiarahamonina, sahala amin'izay zavatra mety ho azo avy amin'ny fandraisana andraikitra vokatr'ireo fifanakalozan-kevitra manampy manazava ny fotokevitra mifehy ny hetsika ara-tsosialy. Eo anivon'ny vondrom-paritra, ny vokatr'ireny fifanakalozan-kevitra ampahibemaso ireny dia mety ho tonga any amin'ny hetsika tsotsotra toy ny fampidirana hevitra baha'i eo amin'ny resaka andavanandro ohatra ka hatrany amin'ny hetsika ofisialy toy ny fanomanana lahatsoratra na fandraisana anjara amin'ny fihaonana voatokana manana foto-kevitra mazava izay manahiran-tsaina ny fiaraha-monina, toy ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny tontolo iainana, ny fitondrana tsara tantana sy ny zon'olombelona, mba tsy hitanisana afa-tsy ireo ihany. Mitaky fifamatorana hetsika matotra koa izany eo amin'ireo vondron'olona sy rafitra eo an-toerana na eo amin'ny tan'na na eo amin'ny kartie.
Eo amin'izay lafiny izay, mihevitra izahay fa ilaina ny mametraka fampitandremana. Tsara ny rehetra raha miaiky fa ny lanjan'ny hetsika ara-tsosialy sy ireo fifanankalozan-kevitra ampahibemaso dia tsy tokony ho tsaraina amin'ny alalan'ny fahafahana misarika olona hiditra ao amin'ny Finoana. Eny fa na dia marina aza fa ny ezaka natao teo amin'ireo sehatr'asa roa ireo dia mety hiteraka fitomboan'ny haben'ny vondrona baha'i, tsy natao ho amin'izany tanjona izany izy ireo. Ny fahitsi-po momba izay lafiny izay dia tsy maintsy ilaina. Ambonin'izany, dia tokony ho malina foana mba tsy ho atao tafahoatra ny traikefa baha'i na ho diso fandray eo amin'ireo asa vao mitsimoka, toy ny lamina ho fanomezana fahaleovantena ny ara-panahin'ny tanora zandriny, asa izay tokony havela ho masaka tsikelikely araka izay fandrosoany. Amin'ny lafiny rehetra, ny baiko dia ny fanetren-tena. Eo amin'ny fanehoana ny hafanampo fa resy lahatra, ireo namana dia tsy tokony hihevitra ho toy ny mpandresy sahady, izay tsy tena mbola voamarina eo amin'izy ireo, indrindra moa fa amin'ny fotoana hafa.
Eo am-pilazana aminareo ireo sehatra hafa tokony hararaotina izay misy ankehitriny eo amin'ny vondrom-paritra, izahay dia tsy mangataka aminareo ny hanova ny tanjon'ireo asa ataonareo. Tsy tokony hieritreritra koa isika fa izany zava-mitranga fanararaotra izany dia milaza sehetr'asam-panompoana hafa, izay zary lasa hifaninana amin'ny asam-panitarana sy asam-panamafisana orina mba hahazoana loharano arak'olona sy herijika voafetra eo amin'ny vondrom-paritra. Mandritra ny taona ho avy, ny zotra miandalan'ny lalam-piofanana sy modelin'ny hetsika izay haterany dia tokony hotohizina hamafisina hatrany, ary ny fampianarana dia tokony hijanona ho laharam-pahamehana voalohany ao antsain'ny mpino tsirairay avy. Ny fitsofohana ao anatin'ny fiainan'ny fiarahamonina dia tsy tokony ho teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza. Mivoatra miandalana izany arakaraky ny fikirizan'ny namana ao anatin'ny ezaka fampiharana ireo rindrandamin'ny planina ao anatin'ny firosoan'ny hetsika, ny fandinihana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fianarana, ka handray lesona noho izany izy ireo. Ny fandraisan'anjara amin'ny fiainanan'ny fiarahamonina dia hivoatra arakaraky ny fahaiza-manaon'ny vondrona hanondrotra ny fitomboany manokana ka hitazonany ny fahavitrihan'izany. Lasa zary mirindra izy noho ireo ezaka fanitarana sy fanamafisana orina ny vondrona raha toa ka mampihatra ireo singa amin'ny foto-kevitra fototra mifanesy izay mifehy ny planina mondialy. Ary hitohy hanampy ireo hetsiky ny mponina rehetra ho amin'ny fomba fijerin'i Bah'u'll'h momba ny sivilizasiona maneran-tany izay mandroso maharitra sy mandri-fahalemana indrindra fa ampihariny amin'ny fomba misy famoronana eo amin'ny sehatra vaovan'ny fianarana izany.
*
Ry namana malala, impiry moa ny Mpampianatra malala no tsy naneho ny fanantenany fa ny fon'ny mpino dia mitosaka fitiavana ho an'ny tsirairay avy, ka tsy leferin'izy ireo mihitsy na dia tsipika mampisaraka iray aza, fa mandray ny zanak'olombelona rehetra ho toy ny fianakaviana iray ihany. ' Aza raisina ho toy ny vahiny intsony ny olona ', hoy ny fitalahoany, ' fa toy ny sakaiza, satria ny fifankatiavana sy ny firaisankina dia ho sarotra raha toa ka mibanjina ny tsy fitoviana ianareo '. Ireo fandrosoana voadinika rehetra tao amin'ireo pejy teo aloha dia tsy inona akory fa fomba fanehoam-pifankatiavana iraisam-pirenena tanteraka noho ny fahefan'ny Fanahy Masina, raha amin'ny ambaratongany tena lalina indrindra. Satria moa ve tsy ny fitiavan'Andriamanitra no mandoro ireo voalin'ny fisarahana sy ny fisaratsarahana, ary manakambana ireo fo ao amin'ny firaisankina tonga lafatra ? Moa ve tsy ny fitiavany koa no manosika anareo hiroso hatrany eo amin'ny sahan'ny asam-panompoana izay mahatonga anareo hahita ao amin'ny fanahy tsirairay avy ny fahafahana mahalala Azy sy tia Azy ? Tsy efa voahosotra hahalala ve ianareo fa ny fanehoany dia nizaka tamin-kafaliana ny fiainana feno fahoriana noho ny fitiavana ny zanak'olombelona ? Jereo eo amin'ny samy ianareo ireo rahalahinareo sy anabavinareo baha'i atsy Iran. Moa ve tsy ohatra velona amin'ny herim-panahy nateraky ny fitiavan'Andriamanitra sy ny faniriana hanompo azy izy ireo ? Ny fahafahan'izy ireo mihoatra ny fampijaliana feno habibiana sy ny fanenjehana faran'izay mangidy ve dia tsy manambara ny fahaiza-manaon'ireo aman'alin-kisa maro voageja maneran-tany hijoro ka handray andraikitra hentitra amin'ny fananganana ny fanjakan'Andriamanitra ety an-tany ? Tsy azo ozongozonona manoloana izao fananganana fiarahamonina mirona any amin'ny fizarazarana izao, hafaingano ny dia ary ento amin'ireo fanahy izay miandry isaky ny kartie amin'ny tan'n-dehibe, isaky ny tan'na kely any ambanivohitra, isaky ny toerana manerana ny tany ny hafatr'i Bah'u'll'h, mba hidiran'izy ireo ao amin'ny vondrony, dia ny vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra. Ao an-tsainay mandrakariva ianareo ary tsy diso anjara amin'ny vavaka ataonay na oviana na oviana, ary mbola hanohy hitalaho amin'Ilay Manam-pahefana izahay mba hanamafisany anareo amin'ny alalan'ny fahasoavany mahatalanjona.
Miaraka amin'ny fihavian'ny Mpanjakan'ny fety dia mifarana ihany koa ny vanim-potoana fanomanana ho amin'ny Planina vaovao iraisan'izao tontolo izao : miantso ireo sakaizan'Andriamanitra izahay ankehitriny ho amin'ny dimy taona vaovaon'ny fanomezan-toky feno herim-po, fanapahan-kevitra sy ny loharano (ressources) rehetra .
Ny mpanaradia mahatoky an'i Baha'u'llah dia efa mijoro am-pahavononana. Ireo fivorian'ny Rafimpitantanana nantsoina manerana izao tontolo izao, tao anatin'ny volana vitsivitsy izay, dia naneho famantarana mifanesy ny fahamaizana hanomboka ity tetik'asa goavana ity. Ireo tolo-kevitra voarakitra ao amin'ny hafatra ho an'ny fivoriamben'ny Mpanolontsaina dia efa voadika ho planina hetsika hentitra. Ireo ezaka feno herim-po am-polo taonany maro dia namolavola ny vondrona ary nahazahoany fahaiza-manao misongadina momba ny fampiroboroboana ny fivoarana sy ny fanamafisana izany amin'izao fotoana izao. Ity folo taona roa farany ity, singanina manokana, no tena nahatsapana ny fahafainganan'io fampiakarana fahaiza-manao izay efa nandrasana hatramin'izay io.
Nandritra izany vanim-potoana izany. Ny fandraisana andraikitra mikasika ny fampivoarana sehatr'asa dia nahafahan'ireo namana namelona miandalana sy nampivoatra ny fahaiza-manao manandanja izay niteraka asa fanompoana tsotra aloha ary nivadika ho modelin'hetsika voavolavola tsara kokoa avy eo, izay nitaky ny fampandrosoana fahaiza-manao sarotsarotra kokoa. Tamin'izany fomba izany, ny lamina fampitoboana loharano arak'olona maty paika sy fanorenana vondrom-piarahamonina dia nanomboka tany anatin'ny vondrom-paritra an'arivony ary maro amin'izy ireo no efa tena mandroso lavitra. Ny fifantohana dia tsy tamin'ny mpino isam-batan'olona irery ihany, na ny vondrona, na ny rafimpitantanan'ny finoana; izy telo ireo, izay mpandray anjara tsy azo sarahina eo amin'ny fampivoarana ny Lamina vaovao iraisan'izao tontolo izao, dia voasandratr'ireo hery lehibe ara-panahy azo avy amin'ny fanapariahana ny Planina Masina. Mihamazava hatrany ireo famantarana ny fandrosoan'izy ireo: ny toky azon'ireo mpino maro an'isa izay mizara ny tantaram-piainan'i Baha'u'llah sy mifanakalo hevitra mikasika ny fiantraikan'ny Fanambarana sy ny Fifanekeny tsy manan-tsahala; ny fitomboan'isan'ireo fanahy izay, noho izany, voasarika ao amin'ny finoany ary koa mandray anjara amin'ny fanatanterahana ny fijery mampiray ; ny fahafahamanaon'ireo Baha'i sy ny namany, ireo izay tena eny amin'ny fototry ny fiaraha-monina, mamaritra amin'ny teny mazava tsara ny traikefa azony avy amin'ny lamina afaka manova ny toetra amam-panahy sy mamolavola ny endriky ny fisiana ara-tsosialy; ny habetsahan'ny isan'ireo tera-tany ao amin'ny firenena iray, amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Rafimpitantanana baha'i sy amin'ireo ratsamangaika izay efa mitantana ny raharahan'ny vondrona misy azy ankehitriny; ny fanomezana amin'ny kitapom-bola, amim-pitokisana, ampahalalahan-t'nana sy fahafoizan-tena, izay tena zava-dehibe tokoa ho fanohanana ny fampandrosoana ny finoana; ny fiboiboika tsy manam-paharoa eo amin'ny fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny hetsika iombonana hanohanana ny asa fanorenana ny vondrona; ny hafanampon'ireo fanahy maro eo amin'ny fiatombohan'ny fahatanorana manda tena ary manome hery sy tanjaka ao amin'io asa io, indrindra amin'ny fanabeazana ara-panahy ireo zandry aty aoriana; ny fanamafisana ny toetra ara-panahin'ny vondrona amin'ny alalan'ny fivoriam-bavaka tsy tapaka; ny fivoaran'ny fahaiza-manao momba ny fitantanan-draharaha amin'ny ambaratonga rehetra; ny fahavononan'ny Rafimpitantanana, ratsamangaika ary ny mpino isam-batan'olona hisaintsaina arakaraka ny lamina , hamaky ny tena zava-misy hiainany, hanombatombana ireo loharano manodidina ny fonenany ary hanao planina mifototra amin'izany; ny vitrika efa mahazatra ankehitriny momba ny fianarana, ny fifanakalozan-kevitra, ny asa, ary ny fandinihana, izay namboly toetra vonon-kanovo voajanahary; ny fanomezan-kasina mihalalina hatrany momba ny dikan'ny hoe mampihatra ireo Fampianarana amin'ny alalan'ny hetsika ara-tsosialy; ny fampitomboana ireo tranga fanararaotra izay karohina sy raisina mba hanolorana fomba fijery baha'i ao amin'ireo resadresaka misongadina ao amin'ny fiarahamonina; ny faharesen-dahatrin' ny vondrona maneran-tany, fa amin'ny fanehoana ny fahefana ananan'ny finoana 'mamorona fiarahamonina', ao amin'ireo ezaka rehetra, dia manafaingana ny fandrosoana sivilizasiona masina izy; marina tokoa fa amin'ny fivoaran'ny fahatsapana miha mitombon'ireo namana fa ny ezaka ataon'izy ireo hanamafy ny fiovana anaty, hampiroborobo ny faribolan'ny firaisan-kina, hiara-miasa amin'ny hafa eo amin'ny sehatry ny fanompoana, hanampy ny mponina handray an-t'nana ny fivoarany manokana ara-panahy, ara-tsosialy, sy ara-toekarena, ary amin'ny alalan'izany ezaka rehetra izany, mba hiantoka ny fanatsarana an'izao tontolo izao ' no miseho ny tena tanjon'ny finoana.
Na dia tsy misy refy tokana aza afaka hamarana ny totalin'ny fandrosoan'ny vondrona baha'i dia maro no azo tsoahina avy amin'ny isan'ireo vondrom-paritra maneran-tany izay nametrahana lamin'asam-pitomboana, ary hamafisinay ' am-pankasitrahana tanteraka ny fitahiana narotsak'ilay Hatsaran'ny Abha ' fa efa mihoatra ny 5000 izany. Fototra midadasika toy izany no fepetra takiana mialohan'ny hanatanterahana ny asa tsy maintsy atrehin'ny tontolo baha'i amin'izao fotoana izao ' manamafy ny lamin'ny fampandrosoana any amin'ny vondrom-paritra tsirairay izay efa nanomboka sy manitatra lavidavitra kokoa ny modelim-piainam-bondrona. Mafy tokoa ireo ezaka maharitra ilaina hanatanterahana izany. Fa manan-danja lalina ny vokatra hotazana ary ho vanim-potoana misongadina tokoa. Ireo dingana kely, atao tsy tapaka sy haingana, dia ahafahana manatratra halavirana lehibe. Rehefa tena mifantoka amin'ny fampandrosoana izay tsy maintsy tanterahina eo amin'ny vondromparitra iray amin'ny vanim-potoana voalohany ' ohatra, amin'ireo tsingerina enina mialohan'ny fankalazana ny tsingerina roanjato taona voalohany- ireo namana dia hanao araka izay azo atao hanatratra akaiky kokoa ny tanjon'ny dimy taona iray manontolo. Mifono tranga fanararaotra mandalo vetivety hanaovana dingan-dava ny tsingerina tsirairay, fahafaha-mihetsika tena sarobidy izay tsy hiverina intsony.
Indrisy anefa fa mihalalina sy mitombo hatrany ary vao maika mihombo ny soritr'aretin'ny fanahy eo amin'ny tontolo iainana amin'ny ankapobeny. Tena mahagaga fa, raha mangirifiry ny mponin'izao tontolo izao mikatsaka fanafody tena marina ary mitodika tsy sazoka amin'ny fahadisoam-panantenana mifanesy, ianareo kosa dia miasa mba hanatsara miaraka ny fitaovana izay mampifandray ny fo amin'ny Tenin'Andriamanitra maharitra mandrakizay. Mahatalanjona ihany koa fa eo anivon'ny horakorak'ireo hevitra raikitapisaka sy ireo tombotsoa mifanohitra izay mitombo sy miha-masiaka etsy sy eroa no ifantohanareo amin'ny fampivondronana ny mpiara-belona hanangana vondrom-piaraha-monina mendrika hanjakan'ny firaisankina. Aoka tsy hahakivy anareo velively ny fitsarana an-tendrony sy ny fandrafian'izao tontolo izao fa kosa ho zary fampahatsiahivana fa maika ny fil'n'ireo fanahy manodidina anareo ny balsama manasitrana izay ianareo irery ihany no afaka manolotra izany amin'izy ireo.
Ity no farany amin'ireo andiana Planina dimy taona nifanesy. Rehefa hifarana izany, dia hisy dingana vaovao hisokatra eo amin'ny fivoaran'ny Planina Masina, natao mba hanosika ny mpanara-dia an'i Baha'u'llah hizotra any amin'ny taonjato fahatelon'ny vanim-potoana baha'i. Enga anie ireo sakaizan'Andriamanitra any amin'ny firenena tsirairay mba hankasitraka ny fampanantenan'ireo taona vitsivitsy manaraka, izay fanomanana henjana ho amin'ireo lahasa goavana mbola ho avy. Ny halehiben'ity Planina ankehitriny ity dia manome sehatra ny tsirairay hanohana ny asa na dia kely dia kely aza ny anjara birikiny. Miangavy anareo izahay, mpiara-miasa lalaina indrindra, mpanara-dia Azy izay lalain'izao tontolo izao indrindra, mba tsy hitandro hasasarana amin'ny fampiharana izay rehetra nianaranareo sy hampiasa ny fahaiza-manao rehetra natolotr'Andriamanitra anareo sy ireo hakingana anananareo mba hampandrosoana ny Planina Masina eo amin'ny dingana manaraka manan-daja tokoa. Ampiarahanay amin'ny fitalahoanareo mivaivay ny fitahian'ilay Avo indrindra ny fangatahana atolotray eo amin'ny Fasana Masina, amin'ny anaran'ireo izay miasa mafy ho an'ity Finoana iraisan'izao tontolo izao ity.
Telo taona tamin'ny planina dimy taona izao no lasa. Ireo fiovana miandalana izay nimatimatesana nandritra ny planina efa-taona, nampiana fanamafisana tamin'ny fanomezan-dalana manokana ny mikasika ny fanabeazana baha'i ho an'ny ankizy; nandritra ny planina roa amby folo volana ; avy eo, nanaovana fanaraha-maso tsy ankihato nandritra izao taona faram-parany izao ,dia feno tanteraka ankehitriny ireo fanantenana napetraka tamin'izy ireo rehefa natomboka.Na aiza na aiza eran- tany, ireo mpandray anjara telo loha amin'ny planina (ny olona tsirairay avy ny vondrona ary ny rafi-pitondrana) dia samy manana ny andraikiny miavaka tsara no sady mifameno eo amin'ny hetsika ataony avy. Ireo hetsika fototra toa ny faribolam-pampianarana, ny kilasin'ny ankizy ary ireo fivorim-bavaka dia zary lasa endri-javatra lehibe no sady manome lanja ny fahavitrihana izay mitarika hafanam-po goavana ary fahombiazana mifamaly momba ireo singan'izany fiainan'ny vondrona izany. Ireo loharano arak'olona dia afaka hitombo ary ireo Antenimiera am-panahy isan-tan'na dia afaka hahasahana ireo fil'na vaovao takian'izany hery tsy mitsaha-mitombo izany.
Ny fahaiza-manao niorina maneran-tany momba ny fanabeazana baha'i ho an'ireo ankizy dia mapitolagaga tokoa. Ireo ezaka voalohany natao hanajariana ireo sakan-jaza hahefa ny fiainany ara-panahy dia nahitam-pahombiazana. Ny fihetsehana ataon'ny faritra isakin'ny ambaratongan'ireo hetsika eo amin'ny fetra ambony kokoa dia efa voafehy tsara, ary arakarakin'ny fandrosoany, ny tambatra kely misy eo amin'ireo mpino voasoratra anarana dia mitombo ho volabolan'olona maro, tsy mbola baha'i akory nefa dia mandray anjara mavitrika amin'ireo hetsika fototra ao amin'ny planina. Ireo drafitra ara-pitantanan-draharaha momba ny fitomboana mahery vaika dia efa miseho masoandro noho izany ao amin'ireo faritra sasantsasany efa lasa aloha. Ireo Antenimiera ara-panahy Nasionaly amin'izany dia sady mamaly ireo filan'ny faritra ao amin'ny taniny no mahafantatra koa ny lanjan'ny fanomezana hasina manokana ireo faritra laharam-pahamehana , izay tsapa fa ahitam-pahaombiazana; nanome risika azy ireo, ary hampiroborobo azy ireo mandrapaha-tongan'ny loharano arak'olona novolavolain'ny lalam-piofanan ho foiben'ny fitomboana haingana sy mitohy. Araka ny vinavina, ny lalam-piofanana dia niseho ho toy ny aina mpamelona ho an'ny fitomboana. Amin'ny fotoana fanomezana tombana ireo tranga ao amin'n vondrona tsirairay avy sy ireo filana eo aminy;ny ankamaroan'ny Antenimiera am-panahy Nasionaly dia nisafidy ny fitaovam-pampianarana novokarin'ny lalam-piofanana RUHI,noho izy heverina ho mifandraika indrindra amin'ny planina. Ny tombotsoa ho an'ny andaniny sy ny ankilany dia mifototra eo amin'ny nahavitana dika amin'ny fitenim-pirenena maro samy hafa io fitaovana io, ary koa, na aiza na aiza alehan'ny Baha'i,dia ahitana namana hafa manaraka io lalana iraisana sy mahazatra io izy na arakin'ny boky izany na koa arakin'ny fomba fifampiofanana.
Ny fiaraha-monina iraisam-pirenena iray izay feno fikorontanana rotidrotikin'ny fomba fijery sy ny tombotsoa mifanohita, dia miady amin'ny fampihorohoroana, ny fanjakanibaro, ny tsolotra mitombo isan'andro, ary koa kikisan'ny trosa be tsy voaloa, ny fahantrana ary ny aretina. Ny vondrona Baha'i, eo anivon'izany dia manjay mibaribary tokoa, entanin'ny fahitana ny ho avy efa voambaran'Andriamanitra; hanorina eo ambonin'ny fomafy,hanamafy orina ny tenany amin'ny alalalan'ireo fitomboana miandalana izay efa tafajoro ankehitriny, ary tsy ho voahozongozona noho ireo mena miraviravy. Ohatra iray mikasika ny fahaiza-manaon'ny tontolo Baha'i mba hihetsika manoloana ireo tranga tsy ampoizina, no niseho heritaona lasa izay, raha nisy loza maro nanery ny hanafoanana ny fihaonambe iraisam-pirenena Baha'i ; misy ihany ny fifidianana ny Tranom-pahamarinana iraisan'izao tontolo izao,ary nizotra nandroso hatrany ny raharaha .Niaraka tamin'izany, tetsy andaniny, na dia nisy aza ny korontana teo amin'ny fiainana tany Iraq, dia azo natao ihany ny nifandray tamin'ireo Baha'i tao amin'io firenena io ary koa ny nanangana ny Antenimiera am-panahy isan-tanana tao. Ankehitriny, ambaranay amin-kafaliana lehibe ho anareo ny fifidianana izay atao amin'ny Ridvan izao any Iraq fa dia navaozina rehefa voageja tsy nahazo aina nandritra ny telopolo taona izany, ary nandray ny toerana tokony ho azy izy eo amin'ny vondrona iraisam-pirenena Baha'i.Ny zavatra tadiavin'ny planin'Andriamanitra amin'izao vanin'andro izao dia ny hizotoantsika amim-pahavitrihana eo amin'ny lalan-kizorana ankehitriny,tsy ho kivin'ireo tafiotra manozongozona izao tontolon'ny olombelona izao. Man'na finoana fa ;Ny hatsaran-taehy voatahy dia hitarika ny dianareo,ary ireo Tafika Masina hanohana ireo ezaka rehetra ataonareo ho fampandrosoana ny finoanay.
Ireo fandrosoana niseho eo anivon'ny tontolo Baha'i hatramin'ny fiandohan'ny Vanim-potoana fahadimin'ny taom-panorenana dia nitondra hafaliana tsy omby tratra ho anay. Ireo roamby folo volana farany koa dia tsy latsa-danja noho izany. Ny vondrona baha'i dia nitohy nandroso tsy tapaka hatrany ary ankehitriny, raha miditra amin'ny faran'ny taonan'ny planina dimy taona izy, dia tsara toerana tokoa satria eo amin'ny heriny tanteraka ' hery izay azo avy tamin'ireo ezaka mavitrika sy voasaina tsara nasehon'ireo namana hatraiza hatraiza, mba hampandrosoana ny fivoarana amin'ny fidirana amin'ny andiany.
Na dia tsy hainy hambara amin'ny fomba mazava aza ny dikan'ireo fivelarana misy ireo, ny statistika kosa dia manome tolo-kevitra momba ny habetsahan'ireo zava-bita. Nitombo isa tsy nijanona ireo loharano arak'olona ao amin'ny Finoana. Mihoatra ny 200 000 olona no nahavita ny Boky 1 amin'ny lalam-pihofanana Ruhi manerana izao tontolo izao, ary anarivony amin'izy ireo no tonga amin'ny sehatra ahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asan'ny maha mpanamora eo anivon'ireo faribolam-piofanana izay efa miha-matetika ny fisiany amin'ireo faritra maro maneran-tany, ary efa mihoatra ny 10 000 ny isan'izy ireo araky ny fanis'na azo farany. Ny isan'ireo mpikaroka mandray anjara mavitrika amin'ireo hetsika fototra kosa dia mitombo tsy mijanona, ary mananika ny 100 000 izy ireo, volana maromaro izay. Nandritra izany fotoana izany, dia faritra 150 no niroborobo sy afaka nanomboka fampandehanana lamin'asam-pitomboana mahery vaika raha tsy efa eo ampanombohana mihitsy aza izy ireo. Mahabe fanantenana tokoa izany rehetra izany, ary hinoana fa hihoatra lavitra io isa io alohan'ny hifaranan'ny planina.
Raha hobiana ireo zava-bita ireo, dia tokony hekena koa fa ireo fivoarana tamin'ny fanazarana no tompon'antok'izany. Ireo hetsika lehibe momba ny lalam-pihofanana izay manara-maso ireo asa mifanaraka aminy no tena fitaovana mandrisika ny fitomboana eo anivon'ny faritra. Miforona avy amin'ny al'lan'izany ireo fepetra ilaina, ary miatomboka ireo lamin'asa maharitra mifandraika amin'ny fampivelarana sy ny fanamafisan'orina ny Finoana. Sady mipetraka ny ankamaroan'ny fahalalana sarobidy momba ny natioran'ireo lamin'asam-pitomboana mahery no miha-mazava ny ankamaroan'ireo zavatra hatao. Ireo lamin'asa ireo dia mitsinjara ho fe-potoana maromaro, izay maharitra volana maro ny tsirairay avy, ary atokana indrindra hananganana fandaharan'asa, fampivelarana ary fanamafisan'orina. Ny fampitomboana ireo loharano arak'olona dia mitohy tsy miato ihany mandritra ny fe-potoana iray hatramin'ny fe-potoana manaraka, mba ahazoana toky fa tsy hoe vitan'ny voatohana fotsiny ny fivoarana amin'ny fampivelarana fa mivoatra amina hafainganam-pandeha koa. Na mbola ho betsaka aza ireo fampianarana izay tsy hisalasal'na fa ho raisina, ny traikefa efa azo teo no mahatonga ny fifandraisana ho vanona eo anivon'ireo faritra izay mitombo isa lalandava.
Ireo fandresena azo na avy amin'ny velarana ara-kalitao na avy amin'ny arak'isa koa dia loharanon'ny fahafaham-po marina tokoa. Eo anivon'ireo fanatanterahana ireo dia manana anjara toerana ny fanatsarana mitohy momba ny fiainana ara-panahin'ireo vondrona baha'i hatraiza hatraiza. Io aina vaovao ara-panahy io no azo anazavana ny fandraisan'anjaran'ireo olona samy hafa fihaviana ao amin'ireo fiombonam-bavaka, ao amin'ireo kilasin'ny ankizy ary ao amin'ireo faribolam-piofanana, izay miafara amin'ny fiaiken'izy ireo an'i Baha'u'llah ho Ilay Fanehoan'Andriamanitra ho an'izao vanin'andro izao ary koa hidirany amin'ny Finoana.
Misy velarana vaovao izay misongadina koa ao amin'ny Foibe Iraisam-pirenena.Nanapa-kevitra izahay fa efa fotoana izao ny tokony hisian'ny Mpanolon-tsaina Iraisam-pirenena iray momba ireo fiandraiketana ny Huququ'llah, mba hitarika sy hanoro-l'lana ny asan'ireo mpanolo-tsaina eny anivon'ny faritra sy nasionaly momba ny mpiandraikitra ny Huququ'llah maneran-tany. Hiara-miasa akaiky miaraka amin'ny Mpiandraikitra filoha : ny Tanam-pinoan'Andriamanitra Andriamatoa 'Ali-Muhammad Varqa izy, ary hahazo ny tombotsoa avy amin'ny fahaiza-manaony sy ireo toro-heviny eo am-panatanterahana ireo adidiny. Ireo mpikambana telo notendrena ankehitriny amin'izany Fanoloran-tsaina Iraisam-pirenen'ireo mpiandraikitra dia : - Sally Foo, -Ramin Khadem ary ' Grant Kvalheim. Aoriana kely no ho tapahana ny faharetan'ny fotoana hiasan'izy ireo. Ireo mpikambana ao amin'ny Fanoloran-tsaina dia tsy mifindra toerana any amin'ny Tany Masina akory, nefa afaka mampiasa ireo fiasan'ny biraon'ny Huququ'llah ao amin'ny Foibe Iraisam-pirenena izy ireo rehefa manao ny asany.
Teo amin'ny sehatra rehetra sy teo amin'ireo hitsiny tokony haleha, dia nahatanteraka asa fampandrosoana mazava tsara ny Finoana ' nanomboka amin'ireo dingan-dava eo amin'ny fampivelarana sy ny fanamafisan'orina any amin'ny fototra ka hatrany amin'ny fampiroboroboana ara-pitantanan-draharaha iraisam-pirenena. Ireo marika famporisihan'ny iraisankina mitombo eo anivon'ny vondrona ireo dia miseho indrindra amin'ny vanim-potoana izay ahitana ireo famantarana rehetra momba ny faharatsian'ny firaisamonina, izay indrisy, tsy takona hafenina. Tsy dia ilaina intsony angamba ny mitanisa ny endrik'ireo fahasimbana izay misy ity tontolo tafalatsaka anaty fandrika ity. Tsy tokony hadinoina anefa fa ireo toe-javatra ireo dia mampitombo ny fandraisana mora foana ny fampianarana ny Finoana ary koa mamorona tontolo vaovao hampielezana izany.
Tao amin'ny hafatra nalefanay ny 26 Novembre 1999, dia nanao filazana mikasika ireo asa aman-draharaha amin'ny ankapobeny izay voarafitra mba hitondr'na ny vondrona baha'i hatrany amin'ireo faran'ireo taon-jato voalohan'ny taom-panorenan'ny Finoana. Ny planina tsirairay avy, hoy izahay, dia hifantoka manokana amin'ny ivo-tanjon'ny fampandrosoana amin'ny fivoarana amin'ny fidirana amin'ny andiany. Ny toko voalohany, ity planina dimy taona ankehitriny ity, dia hifarana afaka fotoana fohy, eo amin'ny 12 volana monja sisa, koa antsoinay avokoa ireo mpino an'i Baha'u'llah mba handray anjara feno ao amin'ny planina iray hafa izay dimy taona koa ny faharetany. Ny zavatra angatahanay hataon'ireo namana rehetra mandritra izany fotoam-panelanel'nana izany dia ny mba hanopanany manontolo ireo herim-pony hanov'na ho arak'asa marina tokoa ilay fanazarana mitohy tsy tapaka izay nanomezan'ny Foibe Iraisam-pirenena amin'ny Fampianarana famporisihana manokana. Na iray aza, tsy tokony hisy baha'i tsy handray anjara amin'ireo andro sarobidy sisa tavela amin'ny planina mba hanamafisany orina ny fototra izay hanombohana indray ny raharaha mbola avo fik'sa amin'ny Ridvan ho avy izao. Ireo vavaka izay ataonay amin-kafanam-po eo amin'ireo Fasana Masina dia hanjohy anareo.
Telo taona katroka izay no lasa izay hatramin'ny fiandohan'izao dingana amin'ny famelarana ny planin'Andriamanitra ankehitriny izao, antondraharaha izay nampitambatra ireo mpanara-dia an'i Baha'u'llah ao anatin'ny ezaka ara-panahy iombonana. Roa taona monja sisa no mampisaraka ny sakaizan'Andriamanitra amin'ny fotoana izay hifaranan'izany. Ireo fihetsehana roa tena manan-danja izay manohy manome tosika ny lamina miandalan'ny fitomboana, na ny andiany tsy miaton'ny mpandray anjara izay mamita ny andiam-pianarana amin'ireo lalam-piofanana sy ny fivoaran'ireo vondromparitra ao anatin'ny fivelarana mitohy dia samy nohamafisina avokoa avy amin'ireo tosaky ny hery nivoitra nandritra ireo fihaonamben'ny tanora izay notontosaintsika tamin'ny taondasa . Ny fahaizamanao midadasika izay ananan'ny tontolo baha'i hisarihana tanora maro an'isa eo amin'ny asam-panompoana dia afaka antenanaina hitondra vokatra ankehitriny. Satria amin'ireo fotoana sisa tavela, ireo asa tena ilaina ho fanamafisana ny lamim-pitomboana efa misy ary koa hanombohana ireo vaovao dia mitaky fitandremana avy hatrany. Tsara fipetraka ny vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra, alohan'ny hifaranan'ity vanim-potoana ity, dia tsy maintsy hanampy ireo vondromparitra izay efa misy ny lamin'asa toy izany, ireo roa arivo sisa tavela mba hahatratrarana ireo tanjona.
Toy inona ny hafalianay mahita fa io asa io dia tontosaina amin-kavitrihana manerana izao tontolo izao ary amina tranga sy toerana samihafa eo anivon'ny vondromparitra izay mahatratra telo arivo ny isany. Vondromparitra maro no tonga tamin'ny ambaratonga izay ny fangal'ny bahana dia avy tamin'ny fanaovana soritr'asa vitsivitsy tsotra dia tsotra. Any amin'ireo vondromparitra hafa kosa, taorianan'ny tsingerin'asa mifandimby dia nitombo ny isan'ireo olona nampiseho fandraisana andraikitra mifanitsy amin'ny Planina ary nivelatra koa ny herin'ny hetsika satria nihatsara ny kalitaon'ny zotram-panabezana ara-panahy noho ny fanaovana andrana, ary nanjary mora naniry handray anjara ireo fanahy. Indraindray, mety hoe mihena ny havitrihan'ny hetsika na koa hoe misy sakana mibahana ny l'lana ; ny fifanakalozan-kevitra lalina momba ny anton'ny fahasahiranana ampiarahana amin'ny faharetana, ny fahasahiana ary ny fikirizana no ahafahana indray mamerina ny vikina efa azo. Amin'ny vondromparitra maro an'isa, ny fandaharan'asa fitomboana dia mahazo vahana sy misandrahaka, mifanentana arakaraky ny fitombon'ny fahaizamanaon'ireo tompon'antoka telon'ny Planina : - ny tsirairay avy ' ny vondrona ' ireo fitantanan-draharahan'ny Finoana - amin'ny famoronana tontolo manodidina misy fifanohanana miaraka. Ary ravoravo koa izahay fa misy, toy izay efa nampoizina, ny fitomboan'isan'ireo vondromparitra izay manana olona anjatony fara fahakeliny izay manamora ny fandraisan'anjaran'ny olona hafa anarivony ao amin'ny famoronana fomba fiainana ara-panahy, mavitrika, sy mampiova. Fa mifanindran-dalana amin'ity zotra miandalana ity hatrany am-piandohana, mazava ho azy, dia ny fihetsehana iombonana ho any amin'ny vinan'ny fiadanana ara-materialy sy ara-panahy izay nolazain'Ilay nanome ny aina an'izao tontolo izao. Fa rehefa mirotsaka antsehatra ny maro an'isa, dia mivoitra hoazy ny fihetsiketsehan'ny mponina iray manontolo.
Io fihetsehana io dia voamarika manokana ao amin'ireo vondromparitra izay tsy maintsy hananganana Mashriqu'l-Adhkar. Ny vondrom-paritra toy izany dia hita ao Vanuat'. Ireo namana miaina ao amin'ny nosy Tanna dia nanaiky hanao ezaka faratampony mba hanentanana ny mponina momba ny trano fiderana hatao, ary efa nanao resadresaka miha-mivelatra amin'ny fomba maro samihafa mikasika io loha-hevitra io tamin'olona tsy latsaky ny ampahatelon'ny mponina miisa 30 000 tao amin'ny Nosy izy ireo. Ny fahaiza-manao hikojakoja resadresaka avo lenta eo amin'izany olona maro izany dia nihatsara noho ny traikefa an-taonany natao mba hampahafantarana ireo fampianara'i Baha'u'llah sy hampivelarana ny lanjan'ny lalam-piofanana mavitrika. Tao amin'ny nosy, dia nivelatra tsara manokana tokoa ny andiana tanora zandriny, natanjaka izany noho ny fanohanan'ireo lehiben'ny tan'na izay nahatsapa ny fampanjariana ara-panahy teo amin'ireo mpandray anjara. Nahazo risi-po tamin'ny firaisankina sy fanolorantena tao amin'izy ireo, ireo tanora dia tsy vitan'ny hoe nanala ny tsy fahavitrihana tao amin'izy ireo fotsiny fa koa, nohon'ny vinavinan-kasa azo tsapain-t'nana, dia hitany ireo fomba fiasa mba hanatsarana ny vondrona misy azy, ary ny vokatr'izany dia, ny daholobe amin'ny sokajintaona rehetra, singanina manokana ireo ray aman-drenin'izy ireo izay voaentana anaty hetsi-panorenana. Teo amin'ireo mpino sy tao amin'ny firahamonina iray manontolo dia tsapa ny tombontsoa azo avy amin'ny fahafahana mitodika any amin'ny Antenimiera Am-panahy lokaly raha angatahana teny anatra sy hamaha olana momba ireo tranga saro-bahana ary, arak'izany dia fahendrena sy araky ny rariny no manamarika hatrany hatrany ireo fanapahan-kevitry ny Antenimera Am-panahy lokaly. Maro noho izany no mampiseho fa lalina dia lalina ny fihatraikan'ny vokatra any amin'ny mponina rehefa tafatambatra ao anatin'ny zavatra iray mirindra ireo singan'ny fotopototry ny hetsiky ny planina. Ary teo ampizorana amin'ny fotoanan'ny fanapariahana sy ny fandalinana ny Finoana - Tsingerina faha telopolo amin'ny lamim-pitomboana mahery vaika izay vao vita vao haingana - no nitrandrahan'ireo namana haingana, miaraka amin'ny mponina hafa tao amin'ny nosy ny dikan'ny hoe hatsangana eo anivo'izy ireo ny Mashriqu'l-Adhkar ' Foibe iombonana iray ho an'ireo fanahin'ny zanak'olombelona '. Miaraka amin'ny fanampiana mavitrika avy amin'ireo lehiben'ny vohitra, ireo mponin'ny nosy Tanna dia nampiseho farafahakeliny vinavinan-tsary an-jatony momba io tempoly io ; mampiseho izany fa nahababo ny fisainana tokoa ny Trano Fideranana , ary nanokatra ireo vinavina miredareda ho an'izay fihatraika izay hiomanany hampiharina eo amin'ny iainana ny fiainana eo ambany fialofany.
Io tantara manome herimpo io dia hita misy fiitoviana amin'ireo vondrom-paritra maro efa mandroso izay ny vokatry ny fampianaran'i Baha'u'llah dia tsapa eo amin'ny toe-piainana eny anivon'ny kartie, sy ireo tan'na kely. Isaky ireny toerana ireny, misy vahoaka, izay tsy mitsaha-mitombo ny fahatakarany ny mikasika an'i Baha'u'llah, dia mandalina avy amin'ny alalan'ny fandinihana mifototra amin'ny traikefa sy nohon'ny fifanakalozan-kevitra ary mianatra hoe ahoana ny fomba hihetsehana mifanaraka amin'ny fahamarinana mifono lalina ao amin'ny Fanambarany, toa izany ny fivelaran'ny faribolam-pikatsahana ny ara-panahy izay miha mifamatotra hatrany amin'ny rohim-piderana sy firaisankina.
Amin'ny lafiny maro, ireo vondrona nahatanteraka fandrosoana tena lehibe indrindra dia manoritra l'lana iray izay manasa ireo hafa hanaraka izany. Saingy na toa inona na toa inona ny lentan'ny hetsika ao anaty vondrom-paritra iray , ny fahaiza-manao hianatra eo anilan'ireo namana eo an-toerana, anatina sehetr'asa mitovy no manampy ny fivoarana eo amin'ny l'lan'ny fampandrosoana. Mandray anjara avokoa ny rehetra amin'io antontan-draharaha io ; ny anjara entin'ny tsirairay avy dia manjary mampanakarena ny rehetra. Ireo vondrom-paritra misy fihetsehana mavitrika indrindra dia ireo izay misy namana manana fahazahoana fa ireo asany dia mifototra tanteraka amin'ny famerana izay atao mba hisian'ny fivoarana, tsy miankina velively amin'ny loharana ara-kolona eo ampelatanan'ny vondrona na koa ny isan'ny hetsika tanterahany - Ireo fahaiza-manao vao teraka ka tokony ho kolokoloina, ireo fahafaha-manao vaovao izay tokony ho ratovona, ireo vao manomboka ezaka mihambakavaka izay mila fonotronana, ny toeram-pandihana izay mbola ampitomboana, ny antondraharaha iombonana tokony harindra tsara ' ary koa ahita ireo fomba ombam-pamoronana avy eo, mba hampalalaka ny fotoana sy ny loharano arak'olona ilaina hahatongavana amin'izany. Ny fampisehoana fa afaka manolotra ny fanambiny avy ny tranga rehetra dia mamela ny vondrona tsirairay, tsy vitan'ny hoe hanararaotra ireo lesona nianarana tany an-toeran-kafa tao amin'ny tontolo baha'i fotsiny, fa koa handray anjara amin'ny fitambaran'io fahalalana io. Ny fahatongavan-tsaina amin'io zava-misy io dia manafaka ny tsirairay amin'ny fitadiavana fomba fanao hentitra tsy misy fotony momba ny hetsika no sady mamela ireo fahalalana azo teny anivon'ny toerana samy hafa hanazava ny lamim-pitomboana, izay mifono endrika hafa kely eo amin'ny seham-piainanan'ny tsirairay avy. Io fomba fizorana io dia mifanohitra tanteraka amin'ny fahazoana tery dia tery ny hoe ' fahombiazana ' sy ' tsy fahombiazana ' izay miteraka fahaverezan-tsaina na koa mandemy ny sitrapo. Tsy maintsy ialana ny firaiketana . Rehefa atao ho an'Andriamanitra irery ihany ny ezaka, dia Azy izay rehetra mitranga ary ny fandresena tsirairay avy izay azo amin'ny anarany dia toe-draharaha iray hankalazana ny fiderana Azy.
Ny fifandraisana misy eo amin'ny ezaka aseho sy ny fanampian'ny lanitra izay vokatra efa voasoritra mazava ao amin'ireo Soratry ny finoantsika : 'raha toa ka mba manao ezaka fotsiny ianareo', hoy ny Mpampianatra manome toky antsika ao amin'ny iray amin'ireo takelaka nosoratany, 'dia marina tokoa fa hiseho ireo famirapiratana ireo, handrotsaka ireo ranonorana mivatravatra ireo rahon'ny famindram-pony, hiainga sy hitsoka ireo tsioka mamelombelona, ary hifafy hatrany an-tendron'ny vazan-tany io fofomanitra mamerovero io. ' Tamin'ireo fitsidihana matetika ataonay ao amin'ireo Fasana Masina dia mangataka mafy amim-paharetana an'Ilay Mahery Indrindra izahay ho anareo, hanohanany anareo ary koa hanamafisany anareo, mba ho voatahy tanteraka ireo ezakareo ahafahany mahatratra ireo izay tsy mbola mahafantatra ireo fampianarana masina sy hanamafy azy ireo ao amin'ny finoany, ary aoka ny fatokianareo ireo fahasoavany tsy mety ritra hitoetra tsy azo ozongozonina. Tsy mbola tsy tao anaty vavaka nataonay mihintsy, ary na oviana na oviana dia tsy adinonay mandritra ny fitalahoanay ireo fihetsika mahatoky feno fanoloran-tenananareo. Raha teo ampiheverana ireo adidy izay miandry ny mpanaradia ny Hatsarana Voatahy mikasika ireo roa taona mbola ho avy izahay, dia ny antso maharitra hanao hetsika avy amin'ny Mpampianatra no tonga mamporisika ny saina ' Rovito ireo voaly, esory ireo sakana, atolory ireo rano mamelombelona ary asehoy ny l'lan'ny famonjena.
Efa antomotra ny fotoan'andro mamiratry ny Ridv'n, ary tojo eny amin'ny tendrony ny vondron'Ilay Anarana Lehibe Indrindra izay mahatsinjo fa mazava eny amin'ny faritra manodidina rehetra. Midadasika tokoa ny toerana efa nolalovana : efa nisy ireo fandaharan'asa vaovao niseho, ary mbola hisy amanjatony ireo izay hivoitra amin'ny roa ambininifolo volana hoavy, ny ezaka tokony atosaka hampihetsika ireo endrik'hetsika tena ilaina dia efa nanomboka ao amin'ireo vondrom-paritra tsirairay avy izay nantsoina hanatratra ny tanjona 5 000 anatin'ny planina 5 taona. Ireo fandaharan'asa efa misy dia mahazo hery tokoa, maro amin'izy ireny no efa maneho mazava ny fihitarana tsikelikelin'ny Finoan'Andriamanitra any amin'ny seham-pivelarana sosialy amin'ny alalan'ny vondrom-paritra ary anaty mpifanolo-bodi-rindrina na tan'na kely. Ny sorid'lana izay mitondra any amin'ny seham-pivelarana voatohana tsara sy lehibe ary ny fanamafisana dia narahin'ireo dian-tongotra mafy orina, tanora vono-kisedra izay nametraka ny tokony ho paika-pamindra. Ireo fomba maro hananganana fiaraha-monina izay itoeran'ny tena herin'ny Finoana ka niseho tamin-karazan-tsehatra dia nanomboka mibaribary, ary ireo izay toetra mampiavaka voafaritra tsy maintsy hanamarika ny fampandehanana ny fizorana amin'ny fitomboana anaty vondrom-paritra dia miha-talaky maso miandalana.
Ny antso sy ny fanohanana enti-manantontosa izany asa izany dia miantefa amin'ny tsirairay avy mpanaraka an'i Baha'u'llah, ary hampitroatra setriny anaty fon'ny tsirairay avy izay marary amin'ny faharatsian'ny fepetran'izao tontolo izao, ny fitrangan-javatra izay mahonena tokoa izay tsy miteraka fanamaivanana ny fanaintainan'ny vahoaka. Any amparany tokoa, dia ny asa tsy mila tambiny, tsy miato ary feno fahavononana tontosaina miaraka sy anaty faritr'asan'ny Planina no tena setriny lehibe sy mahefa indrindra tokony ho ataon'ny mpino isambatan'olona manoloana ireo aretina tsy mitsaha-mitombon'ny fiaraha-monina anaty korontana. Nandritra ny taona lasa iny, niha-nazava ihany koa fa, tany amin'ny firenena maro sy tamin'ny fomba samy hafa, ny fifanarahana sosialy mifono hevitra tsara izay nampiray sy nampifamatotra ny vahoaka fahiny dia miha-ratsy hatrany sy very. Zary tsy afaka manolotra fanoherana hanohitra ireo karazana tsangan-kevitra arovana izay manimba tsy mikaroka afatsy ny fanatsarana ny maha-izy azy ny tena ary tsy mahay mandefitra satria mahazo vahana ny tsy fahaizana mankasitraka sy finiavana hamaly faty. Koa satria mitranga isan'andro ny fifanoherana eo amin'izao tontolo izao izay manomboka very toky, ary ireo mpanohana ireo tsangan-kevitra mandrava ireo dia mitombo andaharana ary tsy menatra miseho lany. Tsaronay etoana ny teny mazava avy amin'ny Penina Faratampony : ' Ry zareo miolomay manatona ny Afo Helo, kanjo diso hevitra ka milaza azy io ho hazavana ' Ireo mpitarika firenena tsara fikasana sy ny vahoaka tsara sitrapo dia very anaty ady hanitsy ny fahavoazana efa hita miharihary anaty firaha-monina miraviravy tanana amin'ny famefena ny fiparitahany. Ny vokatr'izany dia tsy hoe hita mibaribary fotsiny amin'ny fifandirana avy hatrany sy ny firodanan'ny antanan-tohatra fa hita amin'ny tsy fifampitokisana izay mivelatra ho lavaka lalina mampisaraka ny mpifanolo-bodi-rindrina ary maningotra ny fifamatorana amin'ny fianakaviana, eo amin'ny fifanoherana sesilany amin'ny fifanakalozana ara-tsosialy, ny tsy fiheverana intsony ny fientanana manosika ny toetra tsy mendrika ny maha-olombelona ampiasaina hahazoana fahefana sy hanagonan-karena- anatin'ireo rehetra ireo dia mifono marika tsy mamitaka fa ny hery ara-moraly izay mitazona ny fiaraha-monina dia manomboka ritra tanteraka.
Na izany aza dia misy ny toky noho ny fahalalana fa eny afovoan'ny fitotong'nana, dia misy fiainam-baovao mahay mifanaraka izay maka toerana sy endrika, fanehoana ivelany izay rehetra avy amin'ny lanitra eo amin'ny taranak'olombelona. Tsikaritray indrindra eny amin'ny toerana anaovana sy nahatazona hetsika fampianarana mafonja sy hanang'nana fiaraha-monina, ny fomba nahafahan'ireo namana nanohitra ny herin'ny materialista izay mety haningotra ny angovo sarobidy efa ananana. Ary tsy izany ihany, fa ny fahaiza-mifehy ny antso isan-karazany mitaky fotoana, dia tsy mba nampivadika ny fifantohan'ny maso amin'ny asa masina sy amehana izay miandry azy ireo. Ny fahaiza-mamaly ny fil'n'ny Finoana toa izany sy ny maha-tsara indrindra ny zanak'olombelona dia tena takiana amin'ny vondrona rehetra tsirairay avy. Na taiza na taiza nahitana fandaharan'asa fitomboana natsangana tamin'ny vondrom-paritra mbola tsy nisokatra, dia hitanay ny fomba fitsimohan'ny hetsika nampientana nitsangana vokatry ny fitiavana an'i Baha'u'llah mahazo toerana am-pon'ny mpino mahafatra-po. Na teo aza ny fahasarotana isan'ambaratonga izay tsy maintsy tandra vadin-koditra amin'ny fivelaran' ny vondrona, ny hetsika rehetra dia nanomboka tamin'izany fifamatoram-pitiavana tsotra izany. Kofehy tena manandanja tokoa hamitranana endrik'ezaka mifantoka sy feno faharetana, tsingerina isaky ny tsingerina, hampiditra ireo ankizy, tanora, ary lehibe anaty hevitra ara-panahy ; hanamafy orina ny sento-mpo hidera amin'ny alalan'ny fiarahana hivavaka sy fiderana ; hanentana resaka izay hampamiratra ny fahazahoana ; hanomboka hisarika ny andiany maro hatrany eo amin'ny fiaina-mandalo hianatra ny Teny Mpamorona ary hamadika izany ho fihetsika sy asa ; hampivelatra miaraka amin'ny hafa ny fahaiza-manao amin'ny fanompoana ; ary hiaraka ny tsirairay amin'ny fanazarana ireo efa lesona azo. Ry namana malala, ireo tena malalan'i Hatsaran'i Abha : Mivavaka ho anareo izahay isaky ny tranga rehetra ary azo antoka tokoa, manantona ny Tokonany Masina izahay, enga anie ny fitiavanareo Azy hanome hery hanompananareo ny fiainanareo ho an'ny Finoany.
Ny seho mihelina feno dia feno mipoitra avy any anaty vondromparitra, ary avy any anaty ivon-ketsika mahery vaika miaraka aminy, izay niteraka ny vitriky ny fiainan'ny vondrona ka nahahenika vahoaka maro an'isa dia tena mendrika ho resahina manokana. Ravo izahay mahita ny kolontsaina mifanampy, miorina avy amin'ny finamanana sy fanompoana feno fanetretena, izay mitsangana hoazy any anaty kartie, ka mampiditra tsy tapaka fanahy maro hatrany hiditra anaty karazan'hetsiky ny vondrona. Andanin'izay tsy azo lavina fa ny fitombo an'isa ireo fomba fihetsehan'ny vahoaka mankany amin'ny fijerin'i Baha'u'llah ho an'ny fiaraha-monina vaovao dia tsy mivoitra tsotra fotsiny ho sehon-javatra mahasondriana fa tena zava-misy mitroatra hoazy.
Tinay ihany koa ny manisy teny ireo izay ny manodidina azy dia mbola hametraka fandrosoana sy maniry ny ahita fiovana. Man'na fanantenana. Tsy hijanona toy zao foana akory. Moa ny tantaran'ny Finoantsika tsy efa nirakitra ireo fiantombohana somary tsy dia ahitam-bokany nefa tena nampitolagaga ny vokatra avo ? Impiry moa ny asa vitan'ireo mpino vitsy- tanora sy antitra- na fianakiavana iray monja, eny na fanahy iray aza, rehefa hamafisin'ny fanampiana avy any an-danitra dia nahitana fahombiazana nikolokolo vondrona mihovitrovitra anaty fepetra tsy azo eritreretina akory ? Aza mandefa eritreritra amin'ny hoe ny tranga misy eo aminareo dia hafa tanteraka noho ny rehetra. Ny fiovana eo amin'ny vondromparitra, na, izany tamin'ny fomba tsotra na tamin'ny asa sarotra, dia tsy azo velively tamin'ny fomba fiasa vita drafitra tsara na koa avy amin'ny hetsika kisendrasendra; fa niroso avy tamin'ny paikan'hetsika, fandinihana ary fifanakalozankevitra, avy eo dia natosiky ny planina teraka avy amin'ny traikefa. Ary ankoatr'izay na manahoana na manahoana ny fiankatraikany mivantana, ny asa fanompoana Ilay Tiana dia loharanom-pifaliana ho an'ny fanahy. Mandraisa ihany koa ireo ohatra avy amin'ireo namana manam-panahy avy any amin'ny fiposahan'ny Finoantsika hoe manahoana ny fomba fijery mahatsangana ananan'izy ireo, ny fahafahany miharitra sy miaina ara-bondrona, ary ny fahamatorany amin'ny fampivelarana ny Tenin'Andriamanitra ka nampiova ny fiarahamonina na eo amin'ny fisainana na eo amin'ny asa. Miaraka aminareo Andriamanitra. Amin'ny volana roa ambin'ny folo sisan'ny Planina, aleo ireo vondrona tsirairay avy hiroso amin'ny toerana iray hiaingany ho amin'ny iray mafy kokoa.
Ny mahazava-dehibe ny asa fanamafisana sy fanapariahana mitoetra amin'ny fototra mafy orina avy amin'ny ezaky ny tontolo Baha'i dia mbola antsoina hisehatra amin'ny tontolo maro be. Aty amin'ny Foibe Mondialy Baha'i, dia namafisina ny ezaka mba hanangonana antsary sy handaharana alfabetika ireo Takelaka amin'arivony izay mandrafitra ny tena zava-tsarobidy ny Soratra Masin'ny Finoantsika, arovana mba ho tombontsoan'ny zanakolombelona iray manontolo- izany dia mba hanafainganana ny fanot'na antontan-Tsoratra maro, na amin'ny fiteny nihaviany na amin'ny fiteny Anglisy. Ny ezaka hanangana Mashriqu'l-Adhkar valo, ny Lalana masina miakatra any amin'ny Voninahitr'Andriamanitra dia mihafaingana toa izany. Ny raharaha ivelany any amin'ny nasionaly dia manomboka mahazo vahana sy mahomby ary efa manomboka tsy miato, nentanin'ny fivoahan'ny antontan-taratasy nalefa tany amin'ny Antenimiera Ampanahy Nasionaly enimbolana lasa izay, ka namehezana ireo traikefa marobe azo nandritra ny folontaona roa nifanesy ary nanolotra ho antsika sehatr'asa hivelatra amin'ny hoavy. Teny antsefatsefany teny, dia nisy birao roa ho an'ny Vondrom-pirenena Baha'i nisokatra tany Adis Abeba sy Jakarta, ireo dia mitovy amin'ireo efa misy any amin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana any New York sy Geneva ary ny birao any Brussels; natao hanitatra amin'ny ambahindainy ny mety fanararaotana hampivelarana ny karazan-jazavatra ananan'ny Finoana ka azo atolotra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena aty Afrika sy any Azia atsimo atsinanana. Matetika ihany koa atosiky ny fil'na hitombo, misy ireo Antenimiera Nasionaly sasany mampitombo ny fahaiza-manaony aram-pitantanana, hita izany amin'ny fampiasana feno haking'na ireo loharano misy eo antanana, ny ezaka atao hamantatra akaiky bebe kokoa ny vondrona, ary ny fahamailona hampahazo antoka fa ny fandehan-draharaha eo amin'ny Birao Nasionaly dia mivelatra sy mihamatotra hatrany; ny fampanjariana tsy hiato ny rafim-pahalalana azo amin'io sehatra io dia nizotra tamin'ny fananganana Birao ho an'ny Fampandrosoana Aram-pitantanana eo amin'ny Foibe Mondialy. Ny fanapahankevitra hanao asa sosialy isan-karazany dia mitohy sy mitombo amin'ny firenena maro, nahafahana nahafantatra fa betsaka ny lesona azo amin'ny fahendren'ny Fampianarana izay azo ampiasaina hanatsarana ny trangam-piarahamonina sy ekonomika; mahavelombolo tokoa io sehatra io ka nahatonga antsika nanendry mambra fito ho mpikambana ao amin'ny Filankevitra iraisam-pirenena ho an'ny biraon'ny Fampandrosoana ara-ekonomika sy sosialy, hampiditra io Birao io amin'ny ambaratongam-pivoarana manaraka. Ny mambra telo ny Filankevitra dia mpandrindra ny Birao ary mipetraka any An-tany Masina.
Amin'ity Ridvan ity ary, tsapanay fa betsaka ny tokony ho zava-bita, dia maro an'isa ihany koa no itanay tokony hanantontosa izany. Amin'ireo vondrom-paritra aminin'arivony , mpifanolo-bodi-rindrina, ary tan'na kely, finoana vaovao mamelombelona sy fahatokisan-tena no indro mitosaka, mahavelombolo ny fanahy izay tojo azy vokatry ny rano mamelona aterany. Amin'ny toerana maro, ny tosaka dia efa riandrano tsy miova, amin'ny sasany kosa, efa tena renirano. Izao fotoana izao dia tsy fotoanan'ny fipetrahan'ny fanahy na iza na iza hitaredretra eny amin'ny sisin-drano intsony- aleo ny rehetra amin'ny al'lan'ny tenany hitondra azy hanaraka ny riandrano miakatra.
Na dia vao eo amin’ny faha-telo taonany aza ny Planina dimy taona dia hita fa nahazo tombondahiny vaovao ny vondrona nihoatra lavitra ny zava-bita tamin’ireo roa ambin’ny folo volana teo aloha mantsy ny vita tamin’iny taona lasa iny. Samy nitondra ny herin’izany tombondahy izany na ny firindrana lehibe teo anivon’ireo singan’ny planina na ny fanaitairan’ny korontana nahahenika ny planeta iray manontolo.
Sady mampatahotra ireo trangan-javatra nifanandrify tamin’ny fiandohan’ity taonam-pandraharahana vaovao ity no mifono fanamby maro sy tena miavaka tokoa. Nandritra iny taona lasa iny dia olana maro no nanozongozona izao tontolo izao izay nipaka hatramin’ny fipoahan’ny ady tany Moyen-Orient. Samy mifandray amin’izany toe-javatra izany na ny fandrosoan’ny vondron’ilay Anarana Lehibe Indrindra na ny fivoaran’ny fiaraha-monina izay mandalo am-pikorontanana teteza-mita mankany amin’ny fanatontoloana. Nilaina ny tsy namisavisana mialoha ny fotoana, ny habe ary ny fitodik’io teteza-mita io. Toa inona moa ny hafaingan’io fiovana io teo amin’ny dian’ny raharahan’izao tontolo izao ! Mampahatsiaro antsika ny fampitandremana nataon’i Bahá’u’lláh hoe “Nakorontan’ny hery mafonjan’io fitantanana iraisam-pirenena vaovao lehibe io ny fifandanjan’izao tontolo izao” ny ady izay nampiditra tamin’ny fomba miharihary ireo firenena izay namefy ny fiandohan’ny tantaran’ny Fototra. Anisan’ny nisongadina tokoa ny nahakasihana mivantana an’i Irak, firenena mitahiry lova bahá’í sesehena, tamin’iny korontana iny.
Etsy andaniny dia nanokatra toko vaovao amin’ny tantaran’ny vondrona bahá’í, izay sady noderaina fatratra no nampijaliana teo amin’ny tany izay nonenan’ny Fanehoan’Andriamanitra ho amin’izao Andro izao am-polo taona, ireo korontana naterak’iny toe-javatra iny sy ireo toe-javatra hafa maneran-tany. Etsy ankilany anefa dia nanafoana ny fanomanana ny fihaonam-be iraisam-pirena faha-sivy izay tokony natao tao amin’ny Foibe iraisam-pirenen’ny Finoantsika koa izany. Na dia nahadiso fanantenana aza anefa izany dia tsy tokony hampalahelo antsika. Rehefa voasakan’ny Planina lehiben’Andriamanitra ny Planina madininy iray dia tsy tokony hiahiahy isika fa azo antoka ny hahafahantsika mampandroso ny Fototra be voninahitra amin’ny fotoana maha-mety azy aoriana kely.
Nampitombo hery ireo tsy fahamarinana ny tsy fahamendrehana manoloana ireo olana miverimberina sy manozongozona ny planeta ny fanaintainana, tahotra sy korontana naterak’iny ady teo iny amin’izao fotoana hitsanganan’ny Fandriampahalemana kely izao. Any amin’ny vazantany efatra ankehitriny dia mbola manohy milaza ampahibemaso sy amin-katezerana ny tebitebiny mikasika ireo hetsika mafonja loatra ka tsy hay afenina ny olana maro. Matetika dia manampy trotraka ilay korontana tian’izy ireo hofoanana amin’ny alalan’ny fanondroana ampahibemaso ireo fanontaniana tsy ankasitrahany sy ireo fihetseham-po aterak’izany. Ho an’ireo sakaizan’Andriamanitra kosa anefa dia mazava be ny fanazavana ny zava-nitranga; mila mitadidy fotsiny ireo fahitana sy foto-kevitry ny finoana izy ireo raha te hahafantatra marina ny fanamby apetrak’izao fahoriana sy alahelo miha-lehibe izao. Tokony hohezahin’izy ireo ny hahazo lalindalina kokoa ny fampianarana izay mifandraika amin’izao fepetra ankehitriny izao, izany dia amin’ny alalan’ny fahazoana ireo tararasin’i Shoghi Effendi navoaka tao amin’ny Ny Lamina eran-tany nentin’i Bahá’u’lláh , ary indrindra indrindra tao amin’ireo mitondra ny lohateny hoe: “Ny tanjon’ny lamina eran-tany vaovao” “I Amerika sy ny Fandriampahalemana lehibe indrindra”, ary “Ny fandrosoan’ny sivilizasiona eran-tany”
Na dia mandroso ao amin’ny lalan’ny korontana aza izao tontolo izao dia nahazo fahafahana miasa kosa ny Planina dimy taona izay ahazoan’ny vondrontsika mitodika sy manao dingandava mankany amin’ny tanjony lehibe iray dia ny fampandrosoana ireo dingana mankany amin’ny fidirana amin’andiany. Efa nomena anareo tao amin’ny taratasy tamin’ny 17 janoary ny antsipirihan’ny toe-draharaha any amin’ny kaontinanta 5 izay mahavelom-bolo tokoa ho an’ny Finoana, nefa asainay ianareo hamerina handinika izany. Ankehitriny dia mbola misy antsipirihany vitsivitsy tsara hotsipihana: miisa 179 izao ireo firenena voazarazara ho vondromparitra izay miisa 17.000. Lasa fitaovana matanjaka iray hampiraisana ny saina sy ny asa eo anivon’ireo rafitra sy ireo faritra isan-karazany ireo fivoriana eo amin’ny sehatry ny vondromparitra; nitondra fahazotoana lehibe teo amin’ny fandraisan’andraikitry ny rafitra sy ny tsirairay ao anatin’ny rivotry ny fifanampiana izany. Ireo fanofanana rahateo koa moa dia nampitombo bebe kokoa hatrany ny heriny mpitondra fanitarana sy fanamafisan’orina. Tojo dingana izay nahasongona lavitra ny tamin’ny taona lasa ireo hetsika fototra ato amin’ny Planina. Vokatr’izany dia nitombo hatrany ny isan’ireo namana maneran-tany no miara-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fandraharahana, taratry ny rivo-pitokisana mifamindra izay manainga ny fahazotoana sy fifehezan’izy ireo. Mandray anjara amin’ny fomba maty paika kokoa amin’ireo fandaharan’asan’ny vondrona koa ny tanora sy ny ankizy, ary maro an’isa kokoa ireo tsy bahá’í mandray anjara amin’ny faribolam-pianarana, fivoriam-bavaka ary kilasin’ny ankizy. Tena mahavelom-bolo koa ny manamarika fa nandritra ny fotoana fohy lasa hatramin’ny nanombohan’ny planina dia nanjary ara-potoana sy nitombo isa ireo hetsika telo ireo any amin’ny ankamaroan’ny vondrona ahitana izany raha toa nitsitapitapy izany teo aloha. Izao no fotoana kely ho an’ny vondrona eran-tany izay tsy mbola niray hina sy niasa mafy ohatr’izao hatramin’izay.
Nandritry ny taona lasa na dia nanjary tsy azo nosarahina tamin’ny fandehan’ny planina intsony aza io fomba fitomboana io dia nisy koa fandrosoana lehibe hafa niseho. Teo amin’ny sehatry ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia nandray anjara tamin’ny karazana hetsika maro isan-karazany izay tsy ho voatanisa eto ireo toeram-piasana bahá’í, ary raha tsy hiteny betsaka dia tsapa fa maha-te hidera tokoa ny vokatr’izany amin’ny ankapobeny. Isan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny hafatra izay nomentsika ireo mpitondra fivavahana rehetra tamin’ny volana aprily lasa teo. Nanome tombondahy vaovao ny fomba entin’ny vondrona bahá’í manintona ny sain’ireo olo-manankaja eo amin’ny fiarahamonina izay mikasika ireo olana lehibe amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao. Voazava vetivety tamin’ireo mpikambana ambony indrindra ao amin’ny vondrom-pivavahana maneran-tany sy amin’ireo olona amin’ny sehatra hafa izany hafatra izany noho ny ezaka iombonana nataon’ny Biraon’ny fampahalalam-baovao eo amin’ny vondrona iraisam-pirenena bahá’í sy ny hafainganana sy fahaizan’ireo antenimiera am-panahy nasionaly. Ny tanjon’io fanapahan-kevitra io moa dia ny mba hahatsapan’ny olona rehetra voakasika fa ilaina ny hitodihan’ny mpitondra fivavahana rehetra any amin’ny olana ateraky ny fitsaratsarana ivelany ny finoana izay mandrahona hatrany ny fiadanan’ny zanak’olombelona. Ny fihetsika nasetrin’ireo vao avy namaky ny taratasy dia nampiseho fa noraisiny tamim-pahamatorana ilay hafatra, tany amin’ny toerana sasantsasany aza dia tsapa fa nanome fahazavana vaovao ho an’ireo hetsika iraisam-pinoana izany.
Eo amin’ny sehatra ara-toe-karena sy sosialy kosa indray dia misy havitrihana vaovao izay mampitombo hatrany ny vokatry ny ezaka ataon’ireo rafi-pitondrana sy ny tsirairay eo amin’ny fampandrosoana ny finoana sy ny fiaraha-monina amin’ny any ivelany. Mitatitra ny Biraon’ny fandrosoana ara-toe-karena sy sosialy fa nandritra ny taona faharoan’nyplanina dia nahatratra valo ny toeram-piasana fampandrosoana vaovao natsangan’ny bahá’í, izay miasa amin’ny sehatra isan-karazany toy ny fitakian’ny vehivavy, ny fahasalamana, ny fambolena, ny fanabeazana ny ankiza ary ny fitezana ara-panahy sy ara-tsaina ny tanora.
Any an-tany Masina dia hampitondraina ny lohateny hoe “Vatosoan’ny tsiambaratelon’Andriamanitra” ny dikateny anglisin’ny epistily arabon’i Bahá’u’lláh fantatra tamin’ny anarana hoe Javáhiru’l-Asrár. Vita koa ankehitriny ny fanamboarana ny fonjan’i Bahá’u’lláh tao amin’ny tranomaizin’i Akká izay natomboka tao an’ilan’ny rihana misy ireo fonja. Manomboka amin’ny vanim-potoana fitsidihana manaraka, izany hoe manomboka amin’ny Oktobra 2003 dia hiakatra ho 150 – 200 ny isan’ireo mpitsidika isan’andro.
Etsy andanin’izany dia hita taratra miavaka amin’ny fandrosoana tsy miaton’ny rafitra Huqúqu’lláh, eo ambany fiadidian’ny tompon’andraikitra, ny Tanam-pototr’Andriamanitra ‘Ali-Muhammad Varqá, ireo hezaka fampiroboroboana ny fandrosoan’ny rafitra ao amin’ny Foibe iraisam-pirenena. Noho ireo fanapahan-kevitra hendry sy ireo hezaka mitohy nataony dia voarisik’i Dr Varqá hahafantatra ny lalànan’ny Huqúqu’lláh ireo namana. Tao anatin’ny 10 taona nanaraka ny fampiharana io lalàna vaovao io dia voatsangana ny tompon’andraikitra isam-pirenena sy faritra, ary manaraka izany amim-pandavantena tokoa ireo namana isan-kaontinanta, izany moa araka ny finoan’i Dr Varqá dia hipaka any amin’ireo namana izay tsy mbola nahazo tombony tamin’ireo fahasoavana nampanantenaina ireo rehetra manaraka io lalàna io.
Taona roa taorian’ny nanambarana ny ilàna manokana vola hikarakarana araka ny tokony ho izy ireo trano sy zaridaina eo amin’ny Foibe iraisam-pirenena dia nosokafana ny Foibe Fanoloram-bola iraisam-pirenena. Tsy mbola mahasarona ny filàna mandava-taona anefa ireo rotsa-bola tamin’izany. Na izany aza anefa dia voatery nanilika 5 tapitrisa avy tamin’ireo vola voarotsaka izahay mba hanokafana vola atokana hamatsiana ny tena tanjona. Izany no nataonay dia mba hisintonana tamin’ny tahiry iraisam-pirenena entina handoavana ireo sarany ilaina amin’ny zavatra hafa, najanona araka izany ny hetsika sasantsasany izay tokony notohizana.
Amin-kafaliana no ampandrenesanay anareo fa ho setrin’ny antso nataon’ny Antenimiera am-panahy nasionalin’i Chili dia tetikasa miisa 185 no voarain’ireo manam-pahaizana momba ny trano sy ny fanaovana sary avy amin’ny firenena maro momba ny Renifiangonana ao Amerika atsimo izay hahorina ao Santiago. Holazaina amin’ny fotoana mahamety azy moa ny safidy farany amin’izany.
Ry namana malala: faly tokoa izahay noho ireo porofo mivaingan’ny fandrosoana tsapa n’aiza n’aiza ary mahatoky hatrany ny fankaherezana arotsaky ny Tompontsika tsy miato eo amin’ireo ezaka feno fandavantena ataontsika eo amin’ny sehatry ny Planina 5 taona, planina izay novolavolaina hifanentana amin’ireo filan’izao vaninandro izao. Koa ho tonga hery hatrany anie ny fihezahanareo eo amin’ny fanatontosana izany, hery izay noho ny fanampian’Andriamanitra dia afaka hampandroso fatratra ny dingana mankany amin’ny fidirana amin’andiany any amin’ny firenena tsirairay.
1.Ireo hafatra faran’ny toko iray amin’ireo tokony hotsarovana indrindra ny tantara ny Finoana dia efa voasoratra hatramin’izao, ary mivadika ny pejy. Ity Ridvan ity dia manamarika ny fiafaran’ny taona iray manandanja, ny Planina dimy taona sy ny andiana Planina rehetra nanomboka tamin’ny 1996. Andiana Planina vaovao no miandry antsika, izay mampanatena roam-binifolo volana manandanja izay fiandohana asa lehibe ka haharitra sivy taona ary hanomboka amin’ny Ridvan ho avy izao. Manana vondrona izay nihanatanjaka haingana isika manoloana antsika ary vonona hanao dingana lehibe handrosoana. Fa tsy tokony hanofinofy isika amin’ny fitambaran’ireo ezaka ilaina anatratrarana izany na ny fahasarotana lehibe izay avy amin’ny alalan’izany no nazahoana ireo fahalalana nandavana ny lalana: ireo lesona nianarana dia hamolavola ny hoavy ny vondrona, ary ny mitantara hoe ahoana no nianarana azy ireo dia ahafahana mahazo kokoa izay ho avy.
2. Ireo ampolo taona nialoa ny 1996, manakarena fandrosoana sy hevitra azy tenany, dia naneho tsy misy ahiahy fa olona maro be ao amin’ireo fiarahamonina maro no vonona iditra eo ambanin’ny fanevan’ny Finoana. Na izany aza, na dia navelom-panantena aza ireo tranga fidirana lehibe, izany dia tsy nifanaraka tamin’ireo lamin’ny fitomboana maharitra izay tokony voatoana ao amin’ireo fisehoan-javatra samihafa. Ireo vondrona dia niatrika fanontaniana lalina maro izay, tamin’izany andro izany, tsy nanana traikefa ampy hamaly izany araky ny tokony ho izy. Ahoana no ahafahan’ireo tanjon’ny ezaka ao amin’ny fanapariahany iaradroa amin’ny lamin’ny fanamafisana sy amaha ny olana hatramin’izay ary toa tsy voavaha amin’ny fiantoana ny fitomboana? Ahoana no ahafahana mampihetsika ireo tsirairay, ireo rafitra ary ireo vondrona hanana fahafahana hamadika ireo fampianaran’I Bahá’u’lláh ho asa? Ary amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo izay voasinton’ny fampianarana ho lasa mpandray anjara fototra ao amin’ny asa lehibe iray arapanahy mondialy?
3. Toy izany ampaefatry ny zato taona lasa izany, vondrona Bahá’í iray izay mbola nanana Tana-pototry ny Finoana an’Andriamanitra telo teo amin’ireo laharana voalohany no nanatanteraka ny Planina efa-taona, izay nampiavaka azy tamin’ireo teo aloha tamin’ny fifantohany tamina tanjona tokana ihany: firosoana manandanja iray ao amin’ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany. Izany tanjona izany no nanoritsoritra ny andiana Planina nanaraka. Ny vondrona dia efa nahafantatra sahady fa izany lamina izany dia tsy mandrafitra fotsiny ihany ny fidirana andiana manandanja ao amin’ny Finoana, ary izay mety tsy hiseho avy hatrany; izany dia nitaky fanapariahana sy fanamafisana voafaritra, maty paika sy haingana dia haingana. Izany asa izany dia nitaky fandraisan’anjara voazava fanahy maro an’isa ary tamin’ny 1996, ny tontolo Bahá’í dia nantsoina hiatrika fanamby goavana izay miseho amin’ny alalan’ny fanabeazana. Tsy maintsy nametraka tambazotrana lalampiofanana izay natokana hiteraka andiana olona mitombo manana ireo fahaizamanao ilaina amin’ny fanohanana ny lamim-pitombona.
4- Ireo namana no niloloha an’io asa io, nahatsapa fa, na teo aza ireo fandreseny teo aloha tamin'ny lafin’ny fampianarana, dia mazava fa nanana zavatra betsakahianarana momba ny fahaiza-manao tokony ho azo izy ireo, ary ambonin'izany rehetra izany, eo amin’ny fomba ahazoana azy ireo. Amin'ny lafiny maro, ny vondrona dia nianatra amin'ny alàlan'ny hetsikasa, ary ireo lesona nianarany avy amin’izany, rehefa voatsonga sy voadio tamin'ny alalan'ny fampiharana azy ireo tao amin'ny toe-javatra samihafa rehefa mandeha ny fotoana, dia hampidirina ao anatin'ny fitaovam-panabeazana amin’ny farany. Hita fa ireo hetsika sasantsasany dia mifanaraka ara-boajanahary amin'ny filàna ara-panahin'ny mponina iray. Amin'izany lafiny izany, ireo faribolam-pianarana, ireo kilasin'ny ankizy, ireo fivoriam-bavaka ary, taty aoriana, ireo andiana tanora zandriny dia voaporofo fa manan-danja indrindra ary rehefa ampiarahina amin'ireo hetsika mifandraika amin'izany, ireo vitrika nivoitra tamin’izany dia mety hiteraka maodelim-piainam-bondrona mavitrika iray. Ary rehefa eo ampitomboana ny isan'ireo mpandray anjara ao amin'ireny hetsika fototra ireny dia nisy lafiny vaovao niampy tamin'ny tanjon'izy ireo voalohany. Izy ireo dia nanjary vavahady ahafahan'ireo tanora, ireo olon-dehibe ary ireo fianakaviana iray manontolo avy amin'ny fiarahamonina samihafa nifandray tamin'ny fanambaran'i Bahá'u'lah. Nanjary niharihary koa fa tena mety kokoa ny mandinika paikadin'ny asa fananganana vondrom-piarahamonina ao anatin'ny fotopototry ny "vondrom-paritra": faritra ara-jeografika manana habe azo tantanana ary manana ireo toetra ara-tsosialy sy ekonomika miavaka. Nanomboka ny namelatra ny fahafaha-mamolavola ireo drafitra tsotra eo amin'ny sehatry ny vondrom-paritra, ary amin’ny alalan’ireo planina ireo, programa ho an’ny fitomboan'ny finoana no teraka, nalamina mba ho lasa ireo tsingerin’ny hetsika telo volana. Porofo iray no tena nipoitra haingana: ny fivoaran’ireo olona isaky ny andian-desona dia manome fanairana amin’ny fihetsik’ireo vondromparitra miaradalana amin'ny fizotran’ny fampandrosoana ary ampaharetan’izy io. Ity fifandraisana mifameno ity dia nanampy ireo namana na aiza na aiza mba hanombana ny vitrika amin'ny fitomboana ao amin'ny toerany manokana ary mba hanoritra ny lalana mankany amin'ny fahombiazana mitombo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voaporofo fa ilaina ny mandinika izay nitranga tao anaty vondrom-paritra, na izany amin'ny lafin’ireo voalohan-daharana amin’ny fanabeazana telo - manompo ireo ankizy, ireo tanora zandriny, ireo tanora sy ireo olon-dehibe - ary na koa amin'ny fomba fijery ireo tsingerin’ireo hetsika tena ilaina mitovy hafaingam-pandeha amin’ny fitomboana. Eo amin’ny antsasa-dalan'ny orinasa dimy amby roapolo taona, maro amin'ireo toetra azo fantarina indrindra ny fizotran'ny fitomboana no nanomboka voafaritra tsara.
5. Arakarakan’ny mihamafy ireo ezak’ireo namana, ireo karazana fotokevitra, hevitra ary paikady azo tsapaintanana ho an’ny lamim-pitomboana manerana ny planeta no nanomboka nihamafy ho lasa sehatr’asa afaka mivoatra mba handray ireo singa vaovao. Io sehatr’asa io dia toa zary nilaina mba hamoahana hery tsara tokoa. Nanampy ireo namana izy hampifantoka ireo herizika araka nasehon’ny traikefa mba ahafahana manatsara ny fitomboan’ireo vondrona salama. Fa ny sehetr’asa dia tsy raikipohy tsotra ihany akory. Raha toa raisina an tànana ireo singa isankarazan’ny sehatr’asa eo amin’ny fotoana hanombanana ny zavamisy eo amin’ny vondromparitra iray, toerana iray na kartie tsotra, azo atao ny mampitombo modelin’hetsika izay nisarika ny zavatra nianaran’ny tontolo baha’i sisa sady mamaly ihany koa ny mampiavaka io toerana io. Ny fisampanandroa manoloana ireo filàna entitra, amin’ny lafin’iray ary ireo safidin’ny tena manokana tsy misy fetrany ary koa nampita ny fahatakarana bebe kokoa ny fahasamihafan’ireo fomba izay amin’ny alalany, ireo namana dia afaka manohana ny lamin’asa izay mirindra tsara sy tsy mitsahatra mihatsara raha toa miangona ireo traikefa. Tsy hisy ny fisalasalana raha manoloana ny fivoarana izay avoitran’io rafitra io: ireo fiantraikan’ireo amin’ny firindrana sy fivondronan’ireo ezaka amin’ny ankapoben’ny tontolo baha’i sy ny fiazakazahan’ny lalany mandroso hatrany dia goavana tokoa.
6. Arakaraky ny hifanesen’ireo Planina ary koa ny fandraisan’anjara amin’ny asam-panorenambondrona no niparitaka amin’ny antan’antohatra lehibe no voamarika ireo fivoarana amin’ny planina kolotsaina. Ohatra, ny mahazavadehibe ny fanabeazana ireo taranaka tanora dia miparitaka eken’ny be sy ny maro tahakan’ny fahaizamanao miavaka izay asehon’ireo tanora zandriny manokana. Ireo fanahy dia mifanampy sy mifanindran-dalana ho amin’ny làlana iombonana, mampivelatra tsy tapaka ny faribolana ho an’ny fifanohanana, io modely io no notadiavina mba harahin’ireo ezaka izay mikendry hampivelatra ny fahaizamanompo. Eny fa na dia ireo fifandraisana amin’ny samy mpinamana sy ireo izay manodidina aza dia niova, satria nahatonga saina ny herin’ireo resadresaka marobe mamoha sy mampitombo ny fahatsapana arapanahy. Ary, tamin’ny fomba miavaka, ireo vondrona baha’i dia niompana tamin’ny fitodihana mitodika hatrany hatrany mankany ivelany.Izay fanahy mora tohina amin’ny vina izay atolotry ny Finoana dia afaka mandray anjara mavitrika amin’ireo hetsika fanabeazana, ireo fivoriambavaka, ireo singa ho amin’ny asam-panorenam-bondrona sy fampiroboroboana ary fanamorana azy ireo ; maro tamin’ireo fanahy no nanambara ny finoany an’i Baha’u’llah.Tahak’izay no nipoiran’ny fotopisainan’ny lamina amin’ny fidirana amin’ny andiany izay mitoetra miandalana amin’ireo fotokevitra sy ireo petrakevitra ary indrindra amin’ny traikefa marina tokoa izay amin’ny fomba ny ankamaroan’ny olona mety nahita ny Finoana, mifankazatra aminy, mamantatra ireo tanjony, mandray anjara amin’ireo hetsika sy ireo fanapahakevitra, ary amin’ireo raharaha isankarazany, mandray ny Finoana. Kanefa, arakaraka ny hanamafisana ny lamin’ny rafi-piofanana amin’ny faritra mankany amin’ny faritra, ny isan’ireo olona mandray anjara amin’ny asan’ny Planina, tafiditra amin’izany ireo izay vao nahalala ny Finoana, dia nitombo be tokoa. Fa izany dia tsy mirona amin’ny tombotsoan’ireo isa fotsiny akory. Ny vinan’ny fiovan’ny tsirairay sy daholobe miaraka, mifototra amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra sy
ny fahazoana ny fahaizamanao izay hananan’ny tsirairay mba ho lasa mpandray anjara fototra ao amin’ny fikarohana lalina arapanahy dia niteraka fihetsehampo ho fandraisana anjara tamina asa iombonana.
7. Ireo asa vitan’ireo tanora baha’i ,izay tamim-pinoana dia nandray ny anjara toerany teo andohandaharan’ireo ezaka an’ny vondrona ;dia anisan’iray amin’ireo toetra tena faran’izay manaitra indrindra sy mampihetsi-po indrindra an’io vanim-potoana 25 taona io.Toy ny mpampianatra ny finoana sy mpanabe eo am-pahatanoranan’ny tanora,toy ny mpanamora mivezivezy sy mpisavalalana teo amin’ny vavahady anatiny
,toy ny mpandrindra na vondrom-paritra sy mpikamban’ireo ratsa-mangaika baha’i ,teo amin’ireo kaotinanta dimy ,tanora maro no mitsangana mba hiasa ho an’ireo vondrona’izy ireo tamim-pikelezan’aina sy tamimpahafoizantena .Ny fahamatorana izay nasehon’izy ireo ,teo am-panataterahana ny adidin’izy ireo izay iakinan’ny firosoan’ny planin’Andriamanitra ,dia mampitomaratra ny vitrika ara-panahin’izy ireo sy ny firotsahan’izy ireo hiaro ny hoavin’ny zanakolom-belona.Araka ireo fahamatoran’izy ireo miharihary hatrany ,manapakevitra avy hatrany izahay ao aorinan’ity Ridván ity ,na dia ny taona izay ahatongavany mpino iray azo fidiana mba hanompo eo anivon’ny Antenimiera ara-panahy iray dia hijanona tsy hihetsika 21taona,ny taona ilainy mba ahafahan’ny mpino iray mifidy mandritry ireo fifidianana baha’i dia haena 18 taona.Tsy manampisalasalana izahay fa ireo tanora baha’i izay ho tonga ao anivon’ny taona ifidianany dia hanamafy ny fahatokisanay azy ireo eo amin’ny fahafahan’izy ireo manantateraka « amimpahatsiarovantena sy ampahamaizana » ny « adidy masina »izay iantsoana ireo mpifidy baha’i .
8. Tonga saina izahay fa, araka ny izy, ireo zava-misy amin’ireo vondrona dia samy hafa tokoa. Ireo vondrona nasionaly samy hafa, sy ireo toerana samy hafa eo anivon’ireo vondrona ireo; no nanomboka io andiana planina io amina dingam-pandrosoana samy hafa, hatreo nivoatra ihany koa izy ireo tamin’ny hafangainam-pandeha samy hafa ary nahatratra ireo dingam-pirosoana samy hafa. Raha ny toetoetrany no heverina, izany dia tsy vaovao. Tahaka izay foana no mitranga: ireo fepetra ao amin’ireo toerana samy hafa dia miova, toy ny fahafaha-mandray izay misy ao. Nefa mahita izahay, ambonin’izany, onja miakatra izay avy amin’izany ny fahaizamanao, ny fitokisana ary ny traikefa voaangona tao amin’ireo ankamaroan’ireo vondrona dia mitombo, nentin’ny fahombiazan’ireo vondrona rahavavy akaiky sy alavitra. Ho toy ny ohatra, raha toa ireo fanahy nitsangana mba hanokatra lokalite vaovao iray tamin’ny 1996 noho ny fananany, risipo, finoana, fahafoizantena, ankehitriny, ireo mpitovy asa amin’izy ireo maneran-tany iray manontolo dia mifandray amin’ireo hatsaran’ireo fahalalana, fahazahoana sy ireo fahaizamanao izay voaangon’ ny ankapoben’ny tontolo baha’i mandritrin’ny ezaka 25 taona mba hahamaty paika sy hanatsarana ny asa fanapariahana sy fanamafisana
9. Na toa inona ny niaingan’ny vondrona iray, dia nampandroso ny lamim-pitomboana izy rehefa nampiarahany ireo hatsaran’ny finoana, ny fikirizana sy ny firotsahantena ao anatin’ny fahamaizana hanovo. Raha ny marina tokoa, lova iray sarobidin’ity andiana planina ity dia ny fanekena miparitaka araka izay tratra fa ny ezaka rehetra mba handrosoana dia manomboka amin’ny fahavononana hanovo. Ny fahatsoran’io fahitana io dia manafina ny maha zava-dehibe ireo fiantraikany avy amin’izany. Tsy misalasala izahay fa araka ny fotoana, ireo vondromparitra tsirairay avy dia handroso mandavana ny fizotram-pivoarana; ireo vondromparitra izay nandroso haingana, mihoatra amin’ireo izay ny fisehon-javatra sy ny mety havitana zavatra dia mitovy, dia naneho fahaizamanao hanatsara ny firaisan-tsaina sy hanovo hanao hetsika amim-pahombiazana. Ary nataon’izy ireo tamin’ny tsy fisalasalana ahomby izany.
10. Ny fanoloran-tena hanovo dia nidika ihany koa hoe vonona hanao fahadisoana - ary indraindray, mazava ho azy, ireo fahadisoana dia nitarika tsy fahazoana aina. Tsy mahagaga mihitsy, ireo fomba fiasa vaovao sy fanantonana dia nampiasaina tamim-piambakavakana teny am-piandohana noho ny anton’ny tsy fahampian'ny traikefa; indraindray dia very ny karazana fahaiza-manao azo vao haingana raha toa ka ny vondrona iray dia mifantoka hampivelatra fahaiza-manao iray hafa koa. Ireo fikasana tsara indrindra dia tsy miaro amin'ny fitavozavozana, ary ny fihoarana izany dia sady mitaky fanetren-tena sy tsy firaiketana. Rehefa nijanona ho tapa-kevitra ny hampiseho fikirizana sy hanovo avy amin'ireo fahadisoana izay mitranga araboajanahary ny vondrona iray, dia tsy lavitra akory ny hanatrarana ny fivoarana.
11. Eo an-tsasadalan’ireo andiana Planina, ny fandraisan’anjaran’ny vondrona amin’ny fiainan’ny fiarahamonina dia nanomboka nahazo fifantohana mivantana kokoa. Namporisihana ireo mpino mba hieritreritra mahakasika izany miankina amin’ireo sehatr’hetsika roa izay mifandray – ny asa sosialy sy ny fandraisana anjara amin'ireo lahateny manan-danja eo amin'ny fiaraha-monina. Mazava ho azy fa izany dia tsy midika fa izy ireo dia hasolo ny asa fanapariahana sy fanamafisana, ary indrindra tsy hoe natao hamiliana ny fifantohana amin’ izy ireny akory: izy ireo dia efa azy manokana ao anatiny sy ara-boajanahary. Arakaraka ny fananan'ny vondrona loharano arak’ olona maro no fahafahany mampihatra ireo fahendrena izay miafina ao
anatin’ny fanambaran’i Baha’u’llah mba hiatrehany ireo fanamby isan’andro- ka hampihatra ireo fampianarany eo amin’ny zava-misy. Ary ireo zava-nitranga izay nampikorontan-tsaina ny olombelona mandritra ity vanimpotoana ity dia toa manipika ny tena ilàny mafy ilay fanafody izay nolazain'Ilay Mpitsabo Masina. Izany rehetra izany dia mampiseho fomba fiheverana iray tena miavaka ny Fivavahana raha ampitahaina amin’izay efa mahazatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny: fomba fiheverana izay mandray ny fivavahana ho hery lehibe izay mampandroso ny sivilizasiôna amim-pitomboana tsy an-kiato. Fantatra ihany koa fa ny sivilizasiôna toy izany dia tsy hiseho tampoka, amin'ny alalan'ny tenany manokana- fa izany no nanirahana ireo mpanaradia an’i Baha’u’llah mba hiasa ho amin'ny fahatongavany. Ny asa nanirahana toy izany dia mitaky ny lamim-panovozana maty paika iray tsy miova hampiasaina amin’ireo asa ho an’ny hetsika ara-tsosialy sy ny fandraisana anjara amin’ireo lahateny ho an’ny daholobe.
12. Tao anatin’ny fomba fijery hatramin'ny roapolo taona sy tapany lasa izay dia nitombo be ny fahafahana manao asa ara-tsôsialy, izay niteraka fitomboana mahatalanjona eo amin’ireo hetsika. Raha ampitahaina amin'ny taona 1996, rehefa nisy tetikasa 250 teo amin'ny fampandrosoana ara-tsôsialy sy aratoekarena natao isan-taona, dia 1.500 ny isan’izy ireo amin'izao fotoana izao, ary ny isan'ireo fikambanana nentanin’ny fotom-pisainana Baha’i dia nitombo ho avo efatreny, mihoatra ny 160. Asa fanaovana hetsika aratsôsialy mihoatra ny 70.000 no natao eny ifotony sy amin’ny fotoana fohy ezaka isan-taona, izany hoe indimampolo mahery. Manantena izahay fa hahita fitomboana tsy tapaka eo amin'ireo hetsika rehetra ireo vokatry ny fanohanana sy famporisihana tsy tapaka izay atolotry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Baha’i ho amin’ny Fampandrosoana ankehitriny. Mandritra izany fotoana izany dia nitombo be ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo baha’i amin'ireo lahateny manan-danja eo amin'ny fiaraha-monina. Ankoatra ireo fotoana maro izay ahafahan'ireo namana mahita fa izy ireo dia afaka manolotra fomba fijery baha’i ao amin’ireo resadresaka izay miseho ao anatin'ny sehatra matihanina na sehatra manokana, tsikaritra fa misy fivoarana manan-danja eo amin'ny fandraisana anjara amin'ny fomba ôfisialy ao anatin'ireo resedresaka. Mieritreritra izahay, tsy vitan’ny hoe ireo finiavana tena manan-danja sy ireo fandraisan’anjara izay miha sarotra hatrany ataon’ireo Vondrona baha’i iraisam-pirenena- izay nanampy nandritra io fepotoana io ireo birao ao Afrika, ao Asia sy ao Eorôpa- fa ihany koa amin’ireo asan’ny tambazotran’ny biraon’ireo raharaha ivelany izay tena nivelatra tokoa sy nihamafy orina, izay io sehatr’hetsika io ihany no lasa ivon’ny fifantohany fototra; ankoatr’izany, ireo mpino dia nitondra ny fandraisan’anjara miavaka sy manan-danjan’izy ireo ao anatin’ireo sehatra voafaritra manokana. Izany rehetra izany dia mandray anjara amin’ny fanazavana ny lanja, ny fanekena sy ny fankafizana asehon’ireo
mpitarika sy ireo olona manan-kaja amin’ny seha-piarahamonina rehetra maneho tsy mitsahatra manoloana ny Finoana, ireo mpanaradia azy sy ireo hetsika ataon’izy ireo.
13. Eo am-pandrafetana ny tomban’ ny fitambaran’io vanim-potoana dimy amby roapolo taona io isika, dia talanjona izahay amin'ny karazana fivoarana notanterahan’ny tontolo Bahá'í niaraka. Niroborobo tokoa ny fiainany ara-tsaina, tahaka ny nasehon’ny fandrosoany tamin'ny sehatry ny hetsika voalaza etsy ambony ihany, fa koa ny asa-soratra maro tsara kalitao naparitak’ireo mpanoratra Baha'i ihany koa, ny famoronana sehatra natokana hitrandrahana ireo taranja sasantsasany mifanaraka amin'ireo fampianarana, ary ny fiantraikan'ireo seminera ambaratonga voalohany sy faharoa natolotra ny “Institute for Global Prosperity Studies” (ISGP) tsy tapaka izay miara-miasa amin'ireo rafitry ny Finoana, dia manampy ankehitriny ireo tanora Bahá'í ao anatin’ny firenena maherin'ny 100. Ny asa fanorenana tempoly dia tena mihazakazaka tokoa. Ny tempoly reny farany dia natsangana tany Santiago, any Chili, ary ireo vinavinam-pananganana Mashriqu’lAdhkár roa nasionaly sy dimy lokaly dia natomboka; ireo trano fiderana any Battambang, ao Cambodge sy any Norte del Cauca, ao Colombie, dia efa nanokatra sahady ireo varavarany. Vao notokanana tsy ela akory na efa nitsangana efa ela, ireo tempoly Bahá'í dia miha manana ny toerany hatrany eo anivon’ny fiainam-bondrona. Ny ankamaroan’ireo mpino dia nanolotra fanohanana ara-materialy tsy azo hiodivirana ho an'ireo hetsika maro nataon'ireo naman'Andriamanitra. Raha toa heverina tsotra toy ny mariky ny tanjaka ara-panahy iombonana, ny fahalalahan-tanana sy ny toetsainam-pahafoizan-tena izay ao anatin’ny vanimpotoana fisafotofotoana ara-toekarena lehibe dia lehibe, dia nahafahana nihazona ny vola ilaina amin'ny kitapom-bola, eny, hanamafisana azy dia tena mahavelom-bolo. Ao amin'ny sehatry ny rafi-pitantanana Bahá'í, ny fahafahamanaon'ny Antenimiera ara-panahy Nasionaly amin’ny fitantanana ireo raharahan'ny vondron’izy ireo ao anatin’ny fisandrahany miha mitombo dia niakatra tsy nisy ohatran’izany. Izy ireo dia nandray tombontsoa manokana amin’ny izy ireo tamin'ny fiaraha-miasa tsy misy toa azy tamin'ireo mpanolotsaina, izay nandray anjara betsaka tamin'ny fandrafetana ny fanangonam-baovao tsy tapaka avy amin'ny vondrona ifotony manerana an'izao tontolo izao ary miantoka ny fanaparitahana azy amin'ny ankapobeny. Nandritra io vanim-potoana io ihany koa no nahatonga ny filankevitra rezionaly Bahá'í ho lasa rafitra miavaka tanteraka ato amin’ny Finoana, ary any amin'ny faritra 230 ankehitriny, ireo filankevitra sy filankevitry ny lalam-piofanana izay tantanan’izy ireo dia hita fa ilaina tokoa mba hampandrosoana ny lamim-pitomboana. Mba ahafahana manitatra amin'ny ho avy ireo asan'ireo lehiben’ny mpitahiry ny Ḥuqúqu'lláh, ny Tànam-Pototr’Andriamanitra 'Alí- Muḥammad Varqá, ny Filankevitra Iraisam-pirenenan'ireo mpitahiry ny Ḥuqúqu'lláh dia natsangana tamin'ny taona 2005; izy io dia mandrindra ankehitriny ny asan'ireo mpitahiry mpanampy nasionaly sy rezionaly miisa 33 farafahakeliny izay mandrakotra ankehitriny ny planeta ary izay, ary izy ireo indray dia mitarika ny asan'ireo solontena maherin'ny 1.000. Nisy fivoarana marobe ihany koa nitranga tao amin'ny Foibe Mondialy Bahá'í nandritra io vanim-potoana io: isan'ireny ny fahavitan'ny antanantohatra ny Fasana mahery fo an'ny Báb sy tranobe roa eo amin'ny Andoalambo (Arc), ary ny fanombohan'ny fananganana ny Fasana mahery fo an'i 'Abdu' l- Bahá, ary tsy adinoana koa ireo tetik'asa marobe natao hanamafisana sy hitehirizana ireo toerana masina sarobidin'ny Finoana. Ny Fasana mahery fo an'i Bahá'u’lláh sy ny Fasana mahery fo an'ny Báb dia nekena ho toerana isan’ireo vakoka manerantany, toerana misy lanjany sarobidy indrindra amin'ny zanak'olombelona. An'hetsiny maro, efa ho iray tapitrisa sy sasany tao anatin'ny taona vitsivitsy, ny olona nirohotra nankany amin'ireo toerana masina ireo, ary ny Foibe mondialy dia mandray matetika mpivahiny masina an-jatony maro indray mandeha, indraindray maherin'ny 5 000 ao anatin'ny herintaona, ary koa isana mpitsidika Bahá'í mitovy amin’izany; faly tsy misy ohatr’izany izahay amin'ny fitomboan'ireo isa ireo toy ny hoe mponina sy firenena am-polony maro no voasolo tenan’ireo izay isan'izay mahazo tombony amin’ny fitahian'ny fivahinianana masina.Ny fandikana, ny famoahana ary ny fanaparitahana lahatsoratra masina koa dia nihazakazaka izaitsizy, mifanindran-dalana amin'ny fampandrosoana ny “Bahá'í Reference Library”, iray amin'ireo singa lehibe amin'ny fitomboan'ny habaky ny tranonkala mifandray amin'ny Bahai.org, izay misy amin'ny fiteny folo ankehitriny. Birao sy sampan-draharaha isan-karazany, miorina ao amin'ny Foibe mondialy sy ny toeran-kafa, no napetraka ary manana andraikitra hanohanana ny fizotry ny fianarana izay atao amin'ny sehatra maro amin'ny asa manerana ny tontolo Bahá'í. Izany rehetra izany ry anabavy sy rahalahy malala amin'ny finoana, dia ampahany amin'ny sary azontsika anehoana ny zava-bitan'ny fanoloran-tenanareo ho azy izay notanterahan’Ilay Nampahorian'izao tontolo izao. Tsy ho azontsika atao ny tsy hahatsiaro ireo teny mampihetsipo nataon'ny Mpampianatra malala, rehefa tratry ny fientanam-po izy, nitaraina hoe: “Bahá’u’lláh O! Fa inona ity nataonao? "
14. Amin'io sary ankapobeny ny fahefany taonjato manan-danja io, mitodika ankehitriny ny saintsika any amin’ny planina dimy taona farany, planina iray izay tamin’ny lafiny maro, tena miavaka teo anatrehan’ireo rehetra nialoha azy. Tao amin'io planina io, dia namporisika mafy ireo Bahá'í eran'izao tontolo izao mba hisintona ao amin’izay rehetra nianarany nandritra ireo roapolo taona lasa ary hampihatra tanteraka izany anatra izany. Faly izahay fa ireo fanantenanay amin’io lafiny io dia voavaly, fa na dia nanantena ara- boajanahary zava-bita lehibe avy tamin'ireo mpanaradia ny Hatsarana Voatahy aza izahay, ny natioran’ireo ezaka makadiry dia nanampy mba hanatanteraka dia tena nahagaga. Io no satroboninahitry ny zava-bita izay nilàna dimy amby roapolo taona niasana.
15. Ity Planina ity dia tsy hay hadinoina manokana noho izy notapahina ho fizarana telo tamin’ny alalan’ny roanjato taona roa masina, izay ny tsirairay tamin’izy ireo dia nanetsika ireo vondrona lokaly manerantany. Ny fivondronan’ireo mpino dia nampiseho, tamin'ny ambaratonga mbola tsy nisy toa azy ary niaraka tamin'ny fahasambarana lehibe, fahaiza-manao hitarika ireo olona avy amin'ireo fiaviana samihafa avy amin'ny fiarahamonina mba hankalaza ny fiainana Fanehoan'Andriamanitra iray. Izy io dia famantarana mahery vaika ny zavatra lehibe kokoa: ny fahaizana mitarika ny famotsorana ireo angovo ara-panahy goavambe mba
hampandrosoana ny Finoana. Tena nahagaga tokoa ny valin-kafatra ka tamin'ny toerana maro, ny Finoana dia nivoaka avy amin'ny aizina eo amin’ny lafiny nasionaly. Tao amin'ny toerana izay tsy nandrasana azy, tsy nampoizina mihitsy aza, dia nisy fahafaha-mandray lehibe ny finoana nipoitra. Olona an'arivony, an'arivony maro no notaritin’ny traikefan’ny toetsainam-panolorantena izay, ankehitriny, mampiavaka ny vondrom-piarahamonina Bahá'í na aiza na aiza. Ny fiheverana ny amin'ny fankalazana ny Andro Masina Bahá'í dia nitombo be tokoa.
16. Ny fahombiazan'ny Planina, amin'ny fijery tsotra arak’isa, dia nanaloka haingana ireo planina rehetra nialoha azy nanomboka ny taona 1996. Tamin'ny fiandohan'ity Planina ity dia efa nanana fahafahamitarika hetsika maherin'ny 100 000 isika tamin’ny fotoana iray, fahafaha-manao izay vokatry ny ezaka
iombonana nandritra roapolo taona. Ankehitriny dia hetsika fototra 300.000 no miara tanterahina. Ny isan'ireo mpandray anjara amin'ireny hetsika ireny dia nihoatra ny roa tapitrisa, izay efa ho avo telo heny. Rafim-piofanana nasionaly sy regionaly sivy amby roapolo sy telonjato no miasa, ary rehefa ny telo ampahefany ny tapitrisa an'olona no namita farafahakeliny boky iray avy amin’ny andiany maro dia mampiseho ny fahafahamanaony; amin'ny ankapobeny, ny isan'ny fianarana vitan’ireo olona dia mahatratra koa ny roa tapitrisa - fitomboana izay tena mihoatra ny ampahatelony ao anatin'ny dimy taona.
17. Ny fitomboan'ny hamafin'ny fampiharana ny lamim-pitomboana manerantany dia mitantara irery tantara mahatalanjona iray. Nandritra io dimy taona io, nangataka fanafainganana ny fitomboana tao amin’ny tsirairay avy tamin’ireo vondromparitra 5000 nanombohany. Io fahamaizana io dia nampiasaina ho maotera ho an’ireo ezaka feno zoto manerantany. Vokatr'izany, ny isan'ireo program-pitomboana dia nitombo nihoatra nyroa avo heny ary miisa ankehitriny manodidina ny 4000. Ireo fahasarotana mifandraika amin'ny fanokafana ny Finoana ao amin’ireo tanana kely vaovao sy ireo kartie tena ao anaty krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena, na koa amin'ny fampivoarana ireo hetsika izay mbola tao amin'ny fiatombohany rehefa nipoitra tampoka ny valan’aretina dia nanakana mba tsy hanatrarana isa ambony kokoa nandritra ny taona faran’ny planina. Na izany aza, mbola misy zavatra ho tantaraina ihany. Tany am-piandohan'ny planina dia naneho ny fanantenana izahay mba hahita hitombo an-jatony ny isan'ireo vondrom-paritra ao amin’izay, rehefa nahalala ny fomba handraisana olona ao amin’ny sehatry ny hetsika ataon'izy ireo, dia tonga amin’ny tsatoka fahatelo ao amin'ny fitohizan'ny fitomboana ireo namana. Nahatratra 200 ny totalin'izy ireo avy eo, niely nanerana ny firenena efapolo. Dimy taona taty aoriana, misy isa 1 000 tsy mampino izay ao amin'ny firenena efa ho 100, izany hoe ampahefatry ireo lamim-pitomboana rehetra eran'izao tontolo izao; izany dia fahombiazana izay mihoatra ny nandrasanay. Nefa, na ireo isa ireo aza dia tsy vavolombelon’ireo haavo avo indrindra tratran’ny vondrona. Ao amin’ny vondromparitra mihoatra ny 30, ny isan’ireo hetsika fototra dia mihoatra ny 1000; ao amin'ny toerana sasantsasany, ny totalin'izy ireo dia an'arivony maro, ary mihoatra ny 20 000 ny olona mandray anjara ao amin'ny vondromparitra iray. Isa mitombon’ireo antenimieram-panahy lokaly no mandrindra ankehitriny ny fanatanterahana ny lamim-panabeazana izay mamaly ireo filan'ireo ankizy rehetra sy ireo tanora ao amin'ny tanàna kely iray; ny zava-misy mitovy amin'izany dia manomboka mipoitra amin'ny kartie an-tanan-dehibe. Amin'ny tranga malaza sasany, ny fanoloran-tena amin'ny fanambarana an'i Bahá'u'lláh dia mihanaka mihoatra ireo isam-batan'olona, ireo fianakaviana ary ny fianakaviana mivelatra - ny zavatra hatrehana dia ny fihetsiky ireo mponina mankany amin'ny ivo-iraisana. Indraindray ireo fifandrafiana naharitra teo amin'ny vondrona mifanohitra dia nilaozana, ary ireo firafitra ara-tsosialy sy dinamika sosialy dia miova amin’ny alalan’ny fahazavan’ireo fampianaran'Andriamanitra.
18. Tsy afaka ny tsy hifaly amin'ny fivoarana mahatalanjona toy izany izahay. Lasa miharihary hatrany ny herin'ny fanarenana ara-tsosialy izay hita ao amin'ny finoana nentin’i Baha’u’llah, ary miankina amin'izany fototra mafy orina izany ny Planina Sivy Taona manaraka. Araka ny nantenainay dia lasa fitehirizana fahalalana syloharanom-pitaovana ho an'ireo mpifanila aminy ireo vondrona matanjaka indrindra. Ary ireo faritra izay ahitana vondrona toy izany mihoatra ny iray dia mora kokoa ny mampivelatra ireo fitaovana mba hanafainganana ny fitomboana ao anatin'ny vondrona tsirairay avy. Kanefa izahay dia mahatsapa fa ilaina ny manamafy indray fa saika ho manerana izao tontolo izao ny fivoarana; ny fahasamihafan’ny fivoarana amin'ny toerana iray sy ny iray hafa no anisan’ny taham-pandrefesana amin’izany. Ny fahazoana iraisan'ny vondrona mahakasika ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany sy ny fahatokisany ny fahafahany mandrisika izany lamina izany, na inona na inona toe-javatra miseho, dia efa tonga amin'ny ambaratonga ambony izay tsy azo noheverina an-tsaina tato anatin'ny folo taona vitsivitsy lasa izay. Ireo fanontaniana lalina nipetraka nandritry ny fotoana ela sy nasongadina tamin'ny taona 1996 dia novalian’ny tontolo baha’i tamin'ny fomba mandresy lahatra. Ny fiainan'ny taranaka mpino iray manontolo no lasa mitondra ny mariky ny fivoaran'ny vondrona. Saingy tao anatin'ireo vondrom-paritra maro izay nanitatra ny fari-panovozana, ny halehiben'ny zava-nitranga dia nahatonga ny fandrosoana goavana teo amin'ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany ho lasa fahitana miavaka izay manan-danja ara-tantara.
19. Maro no mahafantatra tsara ny fomba nitsinjaran'ny Mpiambina ny Vanim-potoan'ny Finoana ho an’ireo vanim-potoana lehibe mifanesy; nanomboka tamin'ny 2001 ny vanim-potoana fahadimin’ny Taona Fiforonana. Ny zavatra tsy dia fantatra loatra dia ny hoe ny Mpiambina dia niresaka ihany koa momba ny fisian'ny ireo Vanim-potoana amin’ny Planina Masina sy ireo dingana tao anatin'ireo vanim-potoana lehibe ireo. Nampiandrasina nandritry ny roa am-polo taonany, tetsy an-kilany ny rafitra lokaly sy nasionalin’ny rafipitantanana dia nohariana sy nampatanjahana, Ny Planina Masina noforonin’i Abdu’l-Baha dia notokanana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny taona 1937 niaraka tamin’ny fanombohan’ny dingana voalohan’ny vanimpotoanany: ny Planina Fito taona izay nankinin’ny Mpiambina tamin'ny vondrona baha’i tao Amerika Avaratra. Nifarana tamin'ny taona 1963 ity vanim-potoana lehibe voalohany ity, niaraka tamin'ny fiafaran'ny Sahanady folo taona izay namela ny fanevan'ny Finoana hitsatoka manerana an'izao tontolo izao. Ny Planina Sivy Taona voalohany dia mandrafitra ny dingana fototry ny vanim-potoana lehibe faharoa, ary tsy latsaky ny Planina miisa folo izay manana faharetana eo antenantenan'ny roa ambin'ny folo volana ka hatramin'ny fito taona no narahina tamin’izany. Tamin'ny fiandohan'ity vanim-potoana lehibe faharoa ity, dia efa nahita ireo famantarana voalohan'ny fidirana amin’ny andiany ny tontolo baha’i izay efa tsinjon’Ilay Mpamorona ny Planina Masina; tao anatin'ireo am-polo taonany maro taorian'izay dia niasa tsy nitandro hasasarana tao amin'ny tanimboaloboka masina ireo taranaka mpino feno fanoloran-tena ao amin'ny vondron’Ilay Anarana lehibe Indrindra mba hikolokoloana ireo fepetra hahazoana fivoarana lehibe sy tsy mitsaha-mitombo. Ary amin' ity vanim-potoana feno voninahitry ny Ridvan ity, akory ny halehiben' ny vokatr' ity asa ity! Ny mahatonga ny isana olona marobe hampitombo ireo hetsiky ny vondrona, handray firehetana amin’ny pitik’afon’ny finoana sy hitsangana haingana hanompo eny amin’ny lohalaharan’ny Planina dia nijanona tsy ho faminanian’ny finoana fotsiny fa ho lasa tena zava-misy marina mitamberina ombieny ombieny. Ny fivoarana miavaka sy mora aseho toy izany dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ireo tantaran’ny Finoana. Amin'ny fo feno fifaliana no hanambaranay fa ny vanim-potoana lehibe fahatelo ao amin'ny Planina Masin'ny Mpampianatra dia efa nanomboka. Tsikelikely, rehefa hifandimby ireo vanim-potoana lehibe, ny Planiny dia hiroso hatrany ambarapahatongan’ny fotoana izay hanazavan’ny fahazavan’ny Fanjakana ny fo rehetra. Ry namana malala isany, tsy ho feno mihintsy ny famakafakàna momba ilay tetik’asa mandritra ny dimy taona izay namarana ny vanim-potoana lehibe faharoan'ny Planina Masina raha tsy lazaina manokana ihany koa ireo korontana izay nitranga nandritry ny taona farany ary mbola mitohy hatrany. Ireo famerana samihafa eo amin'ny fifandraisana eo amin'ny samy olombelona, izay napetraka tany amin'ny ankamaroan'ny firenena nandritra izany vanim-potoana izany, dia mety ho fahasarotana lehibe teo amin'ny ezaka iombonan’ny vondrona, fahavoazana izay mety ho naharitra taona maro tokoa vao ho voaarina, saingy tsy izany no zava-misy noho ny antony roa. Ny voalohany dia ny fahafantarana mihanaka ny adidin'ireo baha’i amin’ny fanompoana ny olombelona, ary izany dia ilaina faran’izay maika amin'ny fotoan'ny loza sy ny fahoriana. Ny iray hafa dia ny fitomboana mahatalanjona teo amin'ny fahafahan'ny tontolo baha’i hanavao izany fahatsiarovan-tena izany. Noho ny fahazaran'izy ireo nandritra ny taona maro amin’ny fandraisana modelin’hetsika maty paika, ireo namana dia niantso ny fahaizan’izy ireo mamorona sy ny fahavononany hiatrika ireo olana tsy nampoizina, miaraka amin’ny fahazoana antoka fa ireo fomba fanantonana vaovao izay hampivelarin’izy ireo dia mifanaraka amin'ny rafitry ny asa izay nataon'izy ireo mba hanatanterahana ireo Planina nifanesy. Tsy hoe akory hokobonina mangina ireo fitsapana mafy izay nanjo ireo baha’i, tahaka ireo mpiara-monina aminy any amin'ireo firenena rehetra; kanefa na dia teo aza izany fahasarotana goavana izany dia nifantoka hatrany ireo mpino. Natolotra hatrany ireo loharanom-panampiana mankany amin’ireo vondrona izay tena mila izany, notanterahina ny fifidianana amin’ireo toerana azo nanaovana izany, ary tamin'ny toe-javatra rehetra, dia nanohy nanatanteraka ny asany hatrany ireo rafi-pitantanan’ny Finoana. Nisy mihintsy aza ireo fivoarana feno fahasahiana izay tanteraka. Ny Antenimiera ara-panahy nasionaly ao Sao Tomé-et-Principe dia havaozina indray amin’ity Ridvan ity, ary hotafapetraka ireo andry roa vaovaon’ny Tranom-pahamarinana Iraisan’Izao Tontolo Izao: ny Antenimiera arapanahy nasionalin’i Croatie, izay ny foibeny dia ao Zagreb, ary ny Antenimiera ara-panahy nasionalin’i Timor oriental, izay ny foibeny dia ao Dili.
21. Ary dia toy izany no hanombohan’ny Planina Iray Taona. Ny tanjony sy ireo takiany dia efa natolotra tao amin’ny hafatra nalefa ny Andron’ny Fifanekena; ity Planina ity, na dia fohy aza, dia ampy hanomanana ny tontolo Bahá’í ho amin’ny Planina Sivy taona ho avy. Vanimpotoana manana hery manokana, izay manokatra zato taona tao aorian’ny fanambarana ireo Takelaky ny Planin’Andriamanitra, hikatona tsy ho ela miaraka amin’ny fahazato taona niakaran’i ‘Abdu’l-Baha, manamarika ny famaranana ny fahazato taona voalohan’ny Vanimpotoanam-Panorenana ary ny fanombohan’ilay faharoa. Ny andian’ireo mahatoky dia miroso ao amin’ity Planina ity amin’ny fotoana izay ny zanakolombelona dia nampitonian’ny fibaribarin’ny fahalemeny, ka toa tonga saina kokoa ny amin’ny filàna fifarimbonana mba hiatrehana ireo fanamby iraisam-pirenena. Kanefa, ireo fahazarana mitarazokin’ny fifaninanana, ny fikatsahana tombontsoa manokana, ny fitsarana an-tendrony sy ny fahateren-tsaina dia mitohy manakana ny firosoana mankany amin’ny firaisan-kina, na dia eo aza ny fitombon’ny isan’ireo eo amin’ny fiaraha-monina izay mampiseho amin’ireo fiteny sy ireo fihetsika hoe ahoana ry zareo ihany koa, dia miandrandra fanekena lehibe tokoa ny maha-iray ihany ny olombelona amin’ny maha izy azy ireo. Mivavaka izahay, mba hahomby ny fianakavian’ireo firenena amin’ny famelana ireo fifandirana mba ho an’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana. Na dia eo aza ireo kisendrasendra tsy fantatra izay mandrakotra ireo volana ho avy, dia mitalaho amin’i Bahá’u’lláh izahay mba hanao ireo fanamafisana orina izay efa nitondra fanohanana ireo mpanaradia Azy efa hatry ny ela be mba hitosaka misimisy hatrany, ka mba ahafahanareo ho voatohana amin’ny fandrosoanareo ao amin’ireo iraka fampielezana ny Finoana hiandreketanareo, ny fahatonianareo na dia eo aza ny fiozongozonana tontolo iray, izay tsy mbola tena nivaivay toy izany ny filany ny hafany manasitrana.
22. Ny Planin’Andriamanitra dia miditra ao amin’ny vanim-potoana iray vaovao ary manatontosa dingana iray vaovao. Nivadika ny pejy.
Olona anarivony maro izay maneho ny fahasamihaf'n'ny fianakaviamben'ny taranak'olombelona izao no miombon'antoka mianatra tsy tapaka ny Teny Mpamorona anatina Rafitra sady matotra no manome aingam-panahy. Eo am-pamit'ny ezaka avy amin'ny al'lan'ny asa, fieritreretana sy fifanakalozan-kevitra mba hampih'tra izay azony, dia tsapan'izy ireo fa nivoatra ka tafasandratra avo dia avo ny fahafahan'izy ireo hanompo ny Finoana. Ho valin'ny faniriana mivaivay asehon'ny fon'ny tsirairay avy hifandray amin'Ilay Mpahary azy dia hita izy ireo fa manatanteraka fotoam-pivoriana iar'hana misaintsaina sy iombonam-bavaka amin'ny hafa, izay ezahin'izy ireo amohazana fahatsap'na ara-panahy, ary mamolavola fomba fiaina miavaka satria miorina amin'ny fitiavam-bavaka. Rehefa mifampitsidika na mamangy fianakaviana na namana sy olom-pantatra izy ireo dia mitari-dresaka matotra mombana foto-kevitra manome lanja ny lafiny ara-panahy, mandalina ny Finoana, mizara ny Fampianaran'i Bah'''ll'h ary tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mifanety izay asain'izy ireo hiara-manatanteraka amin'izy ireo lamin'asa mahery vaika. Noho izy ireo mahatsapa fa iriana fatratra sy ilaina tokoa ny fanabeazana ara-panahy ny zaza maneran-tany, dia sokafan'izy ireo ho an'ny besinimaro ireo hetsika ataony mba handraisan'izy ireo mpandray anjara mihamaro hatrany any amin'ireo kilasy izay manjary toerana mahasarika ireo tanora ary manamafy orina ireo fototry ny Finoana eo anivon'ny fiaraha-monina. Manampy ireo sakan-jaza mba handresy ny sarotra mandritry ny vanim-potoana sarobidy lalovany eo amin'ny fiainany izy ireo no manoro azy ireo ny fomba hanatsar'ny ny fahaizany mampifantoka ny heriny ho amin'ny fampandrosoana ny sivilizasiona. Vokatry ny tombontsoa azon'izy ireo noho ny fitombon'ny loharanon-kolona dia mihamaro dia maro izy ireo no afaka maneho ny finoany amin'ny al'lan'ny fanatontos'na asa maro izay mamaly ny fil'n'ny zanak'olombelona na eo amin'ny lafiny ara-panahy na ara-materialy. Io no endri-javatra ankapobeny manoloana antsika amin'izao Asaramanitra izao izay hiatoantsika kely mba handinihana ny fandrosoan'ny Fianakaviambe bah'i eran-tany .
Imbetsaka izahay no nanambara fa ny tanjona kendren'ireo andiana planina ampiharina eran'izao tontolo izao ka hitarika ny tontolo bah'i ho amin'ny fankalaz'na ny fahazatotaonan'ny Vanim-potoana Fiforonan'ny Finoana amin'ny taona 2021 dia ho tratra satria azo tsapain-t'nana ny fandrosoan'ny hetsika sy ny fivoaran'ny mpino, sy ireo Rafitra Masina ary ny vondrona bah'i. Ankehitriny, eo antsasa-d'lan'izay azo lazaina ho ampahefana taonjato namit'na ezaka mitohy sy mifantoka dia hita porofo etsy sy eroa fa mivoatra bebe kokoa ny fahaiza-manao. Manan-danja manokana koa ny fitombon'ny vokatry ny faharisihana avy amin'ny fiaraha-miasa misy eo amin'ireo tompon'antoka telo tontan'ny Planina. Mihamazava bebe kokoa hatrany amin'ireo Rafitra misy, manomboka amin'ireo nasionaly ka hatramin'ireo lokaly, ny fomba famoriana fepetra tsara mba hanosika ireo mpino tsy mitsaha-mitombo izay mirotsaka an-tsehatra amina fanatr'rana tanjona iraisana, haneho hery ara-panahy mahery vaika. Ny vondrona bah'i dia manjary toerana ahit'na fa avy amin'ny al'lan'ny seha-piofanana, dia mifameno ny ezaka ataon'ny tsirairay sy ny asa ifanakonan'ny daholobe, mba hahatrarana fandrosoana. Ny faharisihana asehony sy ny fitovian-kevitra mandrisika ireo ezaka ataony dia mahasarika olona mihamaro an'isa hatrany, avy amin'ireo sokajy rehetra misy ao amin'ny fiaraha-monina, olona tsindrian-daona hanokana ny fotoany sy herim-batany hias'na mba hiad'nan'ny taranak'olombelona.
Mazava izao fa misokatra mid'nad'na bebe kokoa ireo varavaran'ny vondrona mba hampandrosoana izay olona liana te hiditra ka hivelona amin'ny Teny Faminanian'i Bah'''ll'h. Ny hafainganana mampitolagaga hita teo amin'ny sehatry ny fampianarana nandritra iny taona lasa iny no porofo faran'izay mazava fa mamokatra tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpandray anjara telo tontan'ny Planina. Tena nisongadina mihitsy ny fandrosoana tratra teo amin'ny sehatry ny fidirana amina andiany.
Mihamahomby hatrany ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay, raha ny sehatr'io fiaraha-miasa mitombo io no jerena. Tao anatin'ireo Hafatray teo aloha dia nampahatsiahivinay fa ny seha-piofanana dia manome hery manosika ny mpino tsirairay avy hahay hanita-kevitra. Mirotsaka an-tsehatra mandinika ny Tenin'ny Soratra Masina ny havana bah'i isaky ny kaontinanta ka ny tanjona mazava hotratrariny amin'izany dia ny hianatra hampihatra ireo fampianarana amin'ny fandrosoan'ny Finoana. Mahatalanjona ny hamaron'ny mpino mandray andraikitra amin'izay, ka manao izay hikolokoloana ny hery sy tanjaka ara-panahin'ny vondrona misy azy ireo. Amim-pahavitrihana no anatanterahan'izy ireo asam-panompoana mifanentana amina modelim-pivoarana mafy orina tsara. Raha naneho fihetsika feno fanetren-tena teo am-pianarana izy ireo dia nahita fahombiazana nohon'ny faharetany nanompo ny Finoana ka nahafahany naneho miaraka tsaratsara kokoa hatrany toetra mendrika toy ny fahasahiana sy fahendrena, zotom-po sy faharanitan-tsaina, hafanam-po sy fahamalinana, fikirizana sy fahatokisana an'Andriamanitra. Ka hita fa nanjary nifameno sy nihamafy ireo toetra ireo. Amin'ny fomba fanolorany ny Hafatr'i Bah'''ll'h sy ny fahamarinana raiketiny dia nahaliana fatratra ireo mpino ny tenin'i Shoghi Effendi izay nilaza fa tsy mahazo 'misalasala', na 'mangovitra', na 'mampitombo', na 'manamaivana' ny fahamarinana izay arovany izy ireo. Sady tsy 'mitompo teny fantatra' no tsy 'tia baranahiny diso tafahoatra' izy ireo. Noho ny faherezan'izy ireo mampianatra dia nanjary nahay nandanjalanja bebe kokoa ny fahaiza-mandray asehon'ireo mpiresaka aminy izy ireo mba hahalal'ny raha tokony ho 'malina' na ho 'sahisahy', 'hiasa haingana' na 'hiato kely', hampiasa fomba fampianarana 'mivantana' na 'ankolaka' izy ireo.
Ny tena tsapanay hatrany fa mahavelom-panantenana dia ny fahalalam-petra mandrindra ity fanehoan-kevitry ny tsirairay ity. Hatraiza hatraiza dia efa mihamahazo tsikelikely ireo lesona nianarana noho ny fampiharana mitohy tsy miato ny vondrona. Ary mampirindra sy manalefaka ny ezaka ataon'ny havana bah'i ny rafitra izay voafaritr'ireo andiana planina ampiharina ankehitriny. Lavitra ity rafitra ity izany hamepetra izany ka noho izany dia afaka ireo mpino hanararaotra fotoana miseho, hanenona fifandraisana ary hanao izay hahatonga ny fomba fijery ny fandrosoana mirindra ho azo tsapain-t'nana. Raha fintinina dia manome endrika ny fahef'n'ny daholobe miaraka io rafitra io.
Eo am-pandinihana ireo zava-bita manerana an'izao tontolo izao dia amin'ny fo feno fankasitrahana sy fifaliana no ider'nay manokana ireo mpino any Iran izay nisedra fahasahiranana faran'izay mafy kanefa dia nitsangana an-kasahiana mba hanokana ny heriny hanompo sy hanome ainga vao ny fireneny, na dia hita fa hety dia hety aza ny l'lan-kizoran'izy ireo. Koa noho ireo fameperana nandidiana ny fitant'nana ny Finoana dia niantoka izy ireo tsirairay avy mba hanazatra ireo mpiray tanindrazana aminy handray ny Fampianaran'i Bah'''ll'h, ka tonga dia mampiditra resaka mivantana amin'izy ireo momba ny Hafatra mifono Fanavotana nentiny. Tsy vitan'ny nahazo tohana faran'izay tsara tsy mbola nisy hoatra izany fotsiny avy tamina olona matsilo saina izy ireo teo am-panombohana , fa dia sendra ireo mora mandray koa, izay mihoatra lavitra ny niheveran'izy ireo azy.
Izay mety ho mpanaradia an'i Bah'''ll'h ka mahatsapa ny fisian'ireo hery mpamelona sy ireo hery mpandrava miasa eo anivon'ny fiaraha-monina ankehitriny dia mahita fa mifandray ny fitombon'ny fahafaha-mandray ny Finoana isaky ny faritra eran'izao tontolo izao sy ireo lesoka asehon'ireo rafitra misy eto amin'izao tontolo izao. Tsy isalasal'na fa io fahafaha-mandray io dia hitombo arakaraky ny hahamafy ny fangirifiriana sedrain'ny taranak'olombelona. Aoka tsy ho diso hevitra fa: ny fivoaran'ny fahaiza-manao izay nampandehanina mba hiatrehana ity fahafaha-mandray tsy mitsaha-mivoatra ity dia mbola vao eo am-piandoh'ny. Amin'ny hoavy dia hitsapa ny fetran'ireo fahaiza-manao ireo ny fitombon'ny filan'ny taranak'olombelona misavoritaka sy mikorontan-tsaina. Maradratrana hery mpanindritsindry ny zanak'olombelona, na izany avy amin'ny halalin'ny fitsar'na an-tendrony eo amin'ny lafiny ara-pivavahana, na avy amin'ny materialisma faratampony satria tsy voafehy. Mahay mamantatra ny anton'ireo fangirifiriambe ireo ny bah'i. 'Inona indray no fahoriana mbola lehibe lavitra mihoatra an'ireo? Izay te hahafantatra ny marina sy te hahalala ny momba an'Andriamanitra dia tsy mahafantatra izay l'lana tokony hizorany na izay olona tokony hanontaniany', hoy ny nambaran'i Bah'''ll'h. Tsy misy fotoana hoverezina. Tsy maintsy tohizana hatrany ny fandrosoana tsapa eo amin'ny hetsika atao sy ny fivoaran'ireo mpandray anjara telo tonta amin'ny Planina.
Abd''l-Bah' dia nanao 'antso avo roa' ho amin'ny 'fahombiazana' sy 'fanambinana' izay avy amin'ireo 'faratampom-pahasambaran'ny taranak'olombelona'. Ny iray voalohany dia ny antson'ny 'sivilizasiona' sy ny fandrosoan'izao tontolo izao hita maso. Hita ao ny 'lal'na', ny 'fitsipika', ny 'taozavatra sy ny siansa', izay manampy ny zanak'olombelona hivoatra. Ny faharoa dia 'ny antso manentana ny fanahy' izay avy amin'Andriamanitra, ary iankinan'ny fahasambarana mandrakizain'ny taranak'olombelona. Araka ny fanazavan'ny Mpampianatra, 'io antso faharoa io dia miankina amin'ireo didy sy teny fanan'ran'ny Tompo, miankina amin'ireo fihetseham-po maneho fitiava-namana, izay mahakasika ny fanarahana ny lal'nan'Andriamanitra ary miendrika hazav'na mamirapiratra ka mitsilo sy manazava ny jiron'ireo zava-misy iainan'ny zanak'olombelona. Ny Tenin'Andriamanitra no fahef'na mitsilo azy'. Eo am-panohizana ny asa tontosainareo any amin'ny vondrona misy anareo avy ianareo dia ho voasarika hatrany hatrany ka ho liana amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina manodidina anareo. Ka ny fanamby hotratrarinareo dia ny fahaizanareo hanitatra ny fomba fizotry ny fanof'nana mitohy tsy tapaka izay nirotsahanareo an-tsehatra ka hampidiranareo andiana hetsika isan-karazany hotontosaina. Ny fomba fisafidiananareo ny fitaovana hampiasainareo, ny fomba fiatrehanareo sy fanatontosanareo asa dia tsy maintsy ahatraranareo firindr'na mitovy lenta amin'ny modelim-pandrindr'na efa eo an-dalam-pias'na manomboka izao.
Ny fifehezana ny fandrosoana isaky ny vondrona dia miankina amin'ireo fahamendrehana mampiavaka ny asa fanompoanareo ireo mponin'izao tontolo izao. Ny fisainanareo sy ny asanareo dia tsy azo asiana pentina fitsar'na an-tendrony eo amin'ny lafiny firaz'nana, fivavahana, toe-karena, na hevi-diso mombana firenena, na foko na saranga na kolontsaina.
Ka na ny vahiny aza dia hahita anareo ho toy ny sakaiza tsara be fitiavana. Ny toetra fanaperana asehonareo dia tsy maintsy avo dia avo ary ny fitondran-tenanareo madio sy masina aoka izany ka hanenika ny eritreritry ny vondron'ny mpino amin'ny ankapobeny ny hery mibaiko ny fihetsikareo ara-moraly. Ny fanehoanareo ilay toetra mahitsy izay isarihan'ny Soratra Masina bah'i ny isam-batan'olona ihany no hany hahafahanareo miady amin'ireo endrika maro isehoan'ny fahalovana, miharihary sy mifono hafetsena izay mikiky ireo taova iankinan'ny ain'ny fiaraha-monina. Ny fahatsap'nareo ny voninahitra sy fahamendrehan'ny olombelona tsirairay avy ihany no hany hahafahanareo miaro ny fahamarinana, na mpanan-karena na mahantra ilay olona. Ary arakaraky ny fahafahan'ireo rafi-pitant'nana hita ao amin'ireo Rafitra masinareo mampihatra ny lal'nan'ny fifanakalozan-kevitra bah'i no hahafahan'ny ankabeazam-bahoaka hialokaloka ao anatin'ny vondrona bah'i.
Rehefa mandroso mizotra amin'io l'lana io ianareo, dia matokisa fa hampiseho ny heriny ary mivonona hanampy anareo ireo andian'anjely any an-danitra. Hitahy sy hiaro anareo ny vavakay tsy miato.
Ny taona voalohan'ny Planina dimy taona dia mampiseho amin'ny fomba mampihetsi-po ny toe-tsaina tia vavaka izay nentin'ny mpanaradia an'i Baha'u'llah nanaiky ankitsipo ny sehatr'asa natolotra tao amin'ny hafatra nalefanay ny 27 desambra 2005, toy izany koa ny antoka nomen'izy ireo hampandrosoana ny rindrandamin'ny (processus) fidirana amin'ny andiany. Ny vondrom-paritra izay nahatafapetrahana tamin'ny fomba mirindra ny lafin-javatra rehetra an'io sehatr'asa io dia nahatsapa fandrosoana maharitra, tsy teo amin'ny lafiny fandraisan'anjaran'ny mpino sy ny naman'izy ireo eo amin'ny fiainan'ny vondrona fotsiny fa koa teo amin'ny lafiny fitomboana arak'isa, ny vondrom-paritra sasany dia manao tatitra isaky ny volana vitsivitsy ny fidirana mpino aman-jatony ary ny an'ny hafa kosa amam-polony. Ny fahatongava-tsaina tena lehibe ny amin'ny toetra ara-panahin'io raharaha natao io, ary koa ny fahazoana mazava tsara ireo fitaovana enti-mandray fanapahan-kevitra izay voafaritr'ireo toetra fototra mampiavaka ny Planina dia nanan-danja lehibe tamin'io firoboroboana io.
Talohan'ny nanombohana ny andiana planina maneran-tany amin'izao fotoana izao, izay ny tanjona tokana dia ny fandrosoan'ny rindrandamin'ny fidirana amin'ny andiany, ny vondrona Baha'idia nandalo tamin'ny vanim-potoana fanapariahana haingana sy amin'ny sehatra goavana tany amina toerana maro maneran-tany ' fitomboana izay tsy afaka tazonina maharitra akory raha ny tena izy. Ny fanamby, noho izany, dia tsy hoe ny manatevin-daharana be dia be ny Finoana amin'ny fidiran'ny mpino vaovao, izay tokony ho avy amin'ny mponina mora mandray efa voaporofo, fa kosa ny mampiditra azy ireo ao amin'ny fiainan'ny vondrona sy ny mampitsangana avy amin'izy ireo ampahana mpino ampy isa hanokan-tena amin'ny fampandrosoana feno tanteraka. Efa tena maika tsy azon'ny tontolo Baha'i ny miatrika io fanamby io izay nataonay ho singa iray ivon'ny Planina efa-taona ary nangatahanay ny hanompanan'ireo antenimiera am-panahy nasionaly ny ampahany lehibe indrindra amin'ny herim-pony ho amin'ny fanorenana fahaiza-manao ara-pitantanan-draharaha, miseho amin'ny endriky ny lal'm-piofanana, mba hampivelarana ny loharano arak'olona. Nambaranay fa ny andiana mpino maro mitombo isa hatrany dia mila mahazo tombony amin'ny lamin'asa maty paika sy maharitra momba ny fiofanana novolavolaina mba hanome ho azy ireo ny fahalalana sy ny fivelarana ara-panahy, ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao, ilaina mba ametrahana amin'ny toerany ireo asam-panompoana izay afahana mitazona ny fampitomboana sy ny fanamafisana orina eo amin'ny sehatra goavana.
Ankehitriny, rehefa mandinika ny fiasan'ny vondrom-paritra izay mahatsapa fitomboana mahery vaika izahay, dia voamarikay fa tany amin'ny tsirairay amin'izy ireo, ireo namana dia nanohy nanamafy orina hatrany ny rindrandamin'ny lal'm-piofanana no sady koa nianatra nampandray anjara ireo vondron'olona vonona mpiaro mavitrikin'ny Finoana izay mitombo isa hatrany, nametraka endrika mahomby amin'ny fandrindrana ny ezak'izy ireo, nanorina avy amin'ny fandraisan'andraikitry ny isam-batan'olona sy ny ezakin'ny daholobe modely iray mahombin'ny fiasa mitovy ary nifantoka amin'ny famakafakana ny vaovao tena ilaina mba handrafetana ireo tsingerina hetsik'izy ireo. Voaporofo izany fa hitan'izy ireo ny fomba entina mampandroso miaraka ny asam-pampitomboana sy fanamafisana orina ' izay io no fanalahidin'ny fitomboana maharitra sy mitohy (soutenue). Ny porofo toy izany dia hamparisika marina tokoa ny mpino manokan-tena rehetra mba hijanona amim-pahamatorana eo amin'ny l'lan'ny fianarana maty paika sy mitohy tsy btapaka izay napetraka.
Ny zava-bita nandritra ireo taona nanaovana ezaka tena lehibe dia tsy voafetra fotsiny ho an'ireo vondrom-paritra izay nanomezana aina vao ny asam-pampitomboana sy fanamafisana orina tamin'ny sehatra goavana . Ny andrana/fiasa natao nandritra ny Planina efa-taona, avy eo ny Planina roa amby folo volana ary ny Planina dimy taona lasa teo, dia hita mazava fa nitarika tamin'ny fanorenana ny fepetra mamela ireo mpino hampivelatra ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fikambanan'olona midadasika , nitarika azy ireo handray anjara amin'ny lafiny samihafan'ny fiainan'ny vondrona. Ny tombotsoan'io fivoarana io, izay naharitra efa folo taona, amin'ny fampitomboana ny fahaiza-manao eo amin'ireo mpandray anjara telo tonta amin'ny planina maneran-tany, dia efa tena miharihary tokoa ankehitriny. Hatraiza hatraiza, dia tsy maintsy nanovozana ny fahazahoana momba ny fahavitrihan'ny fampitomboana ny loharano arak'olona. Hatraiza hatraiza, ireo namana dia tsy maintsy tonga saina ny amin'ny fepetra ilaina mba hitazonana fitomboana maharitra sy voatohana nampiroborobo ny hetsika maty paika sy maharitra ary miala amin'ireo zavatra manary dia, namerina ireo singa sasany amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra iombonana hanakaiky kokoa ny toerana ias'na ary namorona vondrona izay mahatsapa fa tompon'andraitra amina iraka iray, namporisika ny fandraisan'anjaran'ny olona rehetra ary nampifanentana ireo hetsika atao amin'ny sokajy samihafan'ny fiarahamonina, indrindra amin'ny ankizy sy ny sakan-jaza, izay ho mpiaro ny Finoan'Andriamanitra amin'ny ho avy ary mpanangana ny sivilizasionany.
Miaraka amin'ny fototra tena mafy orina efa mipetraka, ny eritreritra voalohany ao an-tsain'ny mpino tsirairay avy dia tokony ho ny fampianarana. Ka ny ezak'izy ireo manokana dia mba hanosika azy ireo hampianatra an'ireo namany avy amin'ny alalan'ny dinidinika amorom-patana mba afahana mampandray anjara azy ireo indray amin'ireo hetsika fototra indray rehefa avy eo na koa izy ireo hampiasa ireo hetsika ireo ho toy ny fitaovana voalohany enti-mampianatra, ka amin'ny maha-vondrona azy ireo dia hataon'izy ireo ho tanjona voalohan'ny vondrom-paritra ny asa iarahana amin'ny ankizy sy ny sakan-jaza na koa hihevitra manokana ny momba ireo mpiara-belona efa zokinjokiny aloha, ka amin'ireo ezaka iarahany manao izy ireo dia mba handeha hitsidika isan-tarika an'ireo fianakaviana tamin'ny fotoam-piasana mahery vaika na koa hitsidika ara-potoana ireo olona liana amin'ny Finoana any an-tranony mandritra ny fotoana voafetra ' ireo fanapahan-kevitra ireo dia tsy azo raisina raha tsy efa voahevitra miaraka amin'ny zava-mitranga sy ny fahafahan'ny namana hanao ary ny toetoetran'ireo mponina izay iarahan'izy ireo miasa. Ny zavatra tokony iarahantsika manaiky, izay tsy mifampiankina amin'ny zava-mitranga mihitsy, dia tsy vitan'ny hoe, ireo filàna mampitaraina ny zanak'olombelona, tsy mahazo sakafo ara-panahy, izay miha-rendrika any amin'ny haizina hatrany hatrany ao amin'ny famoizam-po, fa koa ny tena maha-maika ny fanatanterahana ny andraikitra amin'ny fampianarana izay adidin'ny tsirairay avy amintsika amin'ny maha-olon'ny vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra.
Baha'u'llah dia nandidy ireo mpanara-dia Azy hampianatra ny Finoana. Efa an'arivony maro no mampihatra amin-kavitrihana ireo zavatra takian'ny Planina mba hisehoan'ny fetezan-javatra amin'izy ireo ka afahany mitarika ireo fanahy ho any amin'ny Ranomasimben'ny Fanambarany. Miandry amim-pahamaizana fatratra izahay ny hahatongavan'ny andro izay hahalasa ny fampianarana ho zava-tiana fatratra lehibe indindra eo amin'ny fiainan'ny mpino tsirairay avy ary koa andro izay tena haha-mafy orina ny firaisankinan'ny vondrona ka hamelany io toetra manome hevitra io hiseho amin'ny alal'n'ny fiasa tsy mahalala sasatra eo amin'ny sahan'ny asam-panompoana. Izany no fanirianay mivaivay ho anareo ary vontoatin'ny vavakay miredareda eo an-Tokonana Masina.
Zato taona lasa izay, raha nijoro teo anoloan'ny olona an-jatony maro i 'Abdu'l-Bah' tamin'ny tolakandron'ny andro faha-iraika ambin'ny folon'ny fetin'ny Ridv'n, dia nandray ny angady ary nanatsatoka izany tamin'ny bozaka nandrakotra ny tokontanin'ny trano fiderana tao Grosse Pointe, avaratr'i Chicago. Avy amin'ny firenena maro samihafa ireo olona nasaina nametraka ny vato fehizoro niaraka tamin'i 'Abdu'l-Bah' tamin'io andron-dohataona io - norvezianina, indianina, frantsay, jap'nezy, persianina, amerindianina raha tsy hitanisa afa-tsy ireo vitsivitsy ireo. Na dia mbola tsy voatsangana akory aza ilay Trano Fiderana tamin'izany fotoana izany dia toa efa namaly sahady ny fanirian'ny Mpampianatra vao nolazainy ny omalin'io lanonana io, dia ny mba hahatonga ny trano fiderana rehetra toy izany ho 'toerana azon'ny zanak'olombelona hivoriana' ary mba 'ho avy amin'ny fisokafany ho amin'ny fahamasinana' no hipariahan'ny fanambarana ho amin'ny firaisankinan'ny zanak'olombelona rehetra. Tsy mbola tena nahatakatra mazava tsara ny halehiben'ny ho fiantraikan'ny teniny ho an'ny fiarahamonina, ho an'ny soatoavina sy ny fiahiana an'izany moa ny ankamaroan'ireo olona nihaino azy tamin'io fotoana io sy ireo naheno ny resaka nataony nandritra ireo diany tany Egipta sy tany Andrefana. Eny fa na dia hatramin'izao fotoana izao aza, iza tokoa moa no afaka milaza ho mahafantatra afa-tsy marika kely, manjavozavo sy lavitr'ezaka, ny sarintsarin'ilay fiarahamonina ho avy any aoriana nokendrena hateraky ny fanambaran'i Bah'u'll'h? Aoka tsy hisy handravona sahady fa vokatry ny fanajariana vitsivitsy ny lamina misy ankehitriny fotsiny ihany akory ilay fandrosoana izay hitondran'ny fampianarana avy amin'Andriamanitra ny zanakolombelona. Tsy izany velively. Nanambara i 'Abdu'l-Bah' nandritra ny resadresaka nataony andro vitsivitsy taorian'ny fametrahana ny vato fehizoron'ny Trano Fiderana voalohany tany amin'ny tany Tandrefana fa 'anisan'ireo vokatra ateraky ny fisehoan'ny hery ara-panahy ny fampivoarana ny tontolon'ny olombelona ho lasa lamim-piarahamonina vaovao', ary 'hibaribary eny amin'ny asa aman-draharaha rehetra ataon'ny zanak'olombelona ny fahamarinan'Andriamanitra'. Ireo teny ireo, sy ny fanambarana marobe hafa nataon'ny Mpampianatra izay averimberin'ny vondrona bah'' fakafakaina im-betsaka mandritra izao faha-zato taona izao, dia hahatsapana ny elanelana mbola mampifanalavitra ny fiarahamonina misy ankehitriny sy ilay fijery mahatalanjona nametrahan'ny rainy ho an'izao tontolo izao.
Indrisy anefa fa na dia maro aza ny ezaka nataon'ireo olona mazava fo izay miasa isam-paritra mba hanatsarana ny fiainam-piarahanonina, dia toa mbola sarotra amin'ny maro ny manohitra ireo sakantsakana tsy ahafahana manatanteraka io fijery vaovao io. Very ny fanantenan'izy ireo noho ny fiheverana tsy mitombina akory mikasika ny natioran'ny olombelona izay mahavonto ny firafitra sy ny fombafomban'ny ankamaroan'ny fiainana ankehitriny ka mahatonga azy ireo toa tahaka ny tsy ho azo ovaina intsony. Ireo fiheverana ireo anefa dia toa tsy mahatsapa ny fisian'ny herim-panahy mankadiry misy ao amin'ireo fanahy tsiraray voazava ka mampiasa izany; mifanohitra amin'izany aza, mitondra any amin'ny fanamarin-tena izy ireo ary mialokaloka ao ambadiky ny tsy fahombiazan'ny olombelona, ireo ohatra hita andavan'andro moa dia hita fa manamafy ny fahakiviana iombonana. Araka izany dia misy voaly izay misosona hevi-diso manamaizina ny tena fahamarinana: ny toetry ny tontolo ankehitriny dia ahitana taratra ny fahavoazan'ny fisainan'olombelona, fa tsy ny natiorany ara-boajanahary akory. Hitondra fanov'na eo amin'ny fiainana anatiny sy ny fepetra iainan'ny zanak'olombelona no tanjon'ireo Fanehoan'Andriamanitra tsirairay. Ary miseho ho azy io fiov'na io arakaraka ny hitomboan'ny isan'ny vondron'olona, ampiraisin'ny fampianarana avy amin'Andriamanitra, ka miaraka mitady izay hampitombo ny fahafahana ara-panahy entina handray anjara amin'ny ezaka hanov'na ny fiarahamonina. Tahaka ny tany mafy nanatsatohan'ny Mpampianatra ny angady, taonjato iray lasa izay, ireo fampianarana mibahan-toerana amin'izao vanimpotoana izao, mety hita ho mafy tsy laitra eo am-boalohany, nefa azo antoka fa hihamalefaka tsikelikely ihany izy ireo, ary avy amin'ny 'andon'ny lohataonan'ny Hamoram-pon'Andriamanitra', dia hamony 'ny voninkazon'ny tena fahazahoana marina', izay tsara tarehy sy vao namelana.
Omenay voninahitra Andriamanitra, satria noho ny herin'ny Teniny, dia eo am-pametrahana tontolo hahafahan'ny tena fahazahoana marina mamelana ianareo - vondron'ny Anarany Lehibe indrindra. Eny fa na ireo izay miaritra ny figadrana noho ny Finoana aza, dia afaka mampamelana ihany koa ny 'voninkazon'ny fahalalana sy ny fahendrena' ao am-po mangoraka, amin'ny alalan'ny fahafoizantena sy ny fahamatorana tsy azo ozongozonin'izy ireo. Marobe ireo fanahy mangetaheta mafy manerana izao tontolo izao izay efa nanomboka ny asa fanorenana ny tontolo vaovao eo am-panatanterahana amin'ny fomba maty paika ireo torol'lana mifandraika amin'ny Planina dimy taona. Efa mazava loatra moa ny toetoetr'izany ka tsy dia il'na fanazavana fanampiny intsony. Mandefa ny fitalahoanay amin'ny tokonan'ny Famonjeny feno Hamoram-po izahay, mba hanampian'ny Fanatrehan'ny Lanitra ny tsirairay aminareo amin'ny fandraisanareo anjara hampandrosoana ny Planina. Ankamamianay tokoa ny faniriana mivaivay, aredaredan'ny fandinihana ny ezaka natolotrareo nandritra iny taona lasa iny, mba hanamafisanareo ny fampiharana efa mafy orina ny fahalalana izay azonareo amin'ny traikefa. Tsy fotoanan'ny fisalasalana intsony izao; marobe loatra ireo izay tsy mbola mahafantatra ny fiposahan'ny maraina vaovao. Iza indray moa ankoatra anareo no afaka hampita ny hafatra avy amin'Andriamanitra? 'Amin'ny alalan'Andriamanitra', hoy i Bah'u'll'h raha niresaka mikasika ny Finoana, 'indro ny kianjan'ny fahaiza-manavaka sy ny tsy firaiketana, ny fahatakaran-javatra sy ny fisandratana, amin'izany, tsy misy olona afaka hanaitaitra ny soavaliny afa-tsy ireo mpitaingin-tsoavaly mahery fon'ilay Be Fiantrana izay nanapaka ny firaiketana rehetra amin'ny tontolon'ny fisiana'.
Tahaka ny mitazana vodilanitra mamirapiratra sy feno toky ny mijery ny tontolo bah'' eo am-perin'asa. Tazana ao anatin'ny fiainan'ny mpino izay maniry, mihoatra noho ny zavatra rehetra, mba hanasa ny hafa hifandray amin'ny Mpamorona sy hanampy ny zanak' olombelona, ny mariky ny fiov'na ara-panahy irian'ny Tompon'ny taona ho an'ny fanahy tsirairay. Tazana ao amin'ny fanahy izay mampiaina ireo hetsika ataon'ny vondrona bah'' izay miezaka fatratra hampitombo ny fahaizamanaon'ny mpikambana tsirairay ao aminy, na antitra io na tanora, ary koa ireo namana sy mpiara-miasa amin'izy ireo, amin'ny fikatsahana ny soa iombonana, ny famantarana ny fomba hahafahan'ny fiarahamonina iray izay mifototra amin'ny fampianaran'Andriamanintra mandroso. Ary ireo rafitra ara-pitantanana efa mivoatra eo anivon'ireo vondromparitra mandroso izay ahitana hetsika miavosa mifanaraka amin'ny torolalan'ny Planina ary izay tena maika ny fil'na ny firindran'ireo sehatr'asa, dia manome modely anankiray, na dia tsy mbola mazava tsara aza, ny fomba hahafahan'ireo rafipitantanan'ny Finoana manatanteraka miandalana ireo andraikiny isan-tsokajiny izay tsy mitsaha-mitombo amin'ny fampiroboroboana ny fiadanana sy ny fivoaran'ny zanak'olombelona. Araka izany dia mitondra mazava fampanantenana lehibe ny fivoaran'ny tsirairay, ny vondrona ary ireo rafi-pitantanana. Fa indrindra indrindra, marihanay amin-kafaliana manokana ny halehiben'ny fifandraisana feno fifankatiavana sy fifanohanana ara-tsaina mampifamatotra ireo singa telo tonta ireo.
Mifanohitra aminin'izany kosa, ahitana taratra ny tsy fifanarahana mampiavaka izao vanim-potoana tetezamita mikorontana lalovan'ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao ny fifandraisana misy eo amin'ireo mpilalao telo mitovitovy amin'izany misy eo amin'ny tontolo ankapobeny - dia ny olompirenena, ny vondrona politika ary ireo rafi-piarahamonina. Samy malaina hiara-hiasa tahaka ny taova mifampiankina mampiaina ny vatana iray izy ireo ary samy voafonja ao anatin'ny ady fahefana izay tsy hitondra vokany fa ho very maina. Hafa lavitra mihoatra izany ny fiarahamonina fariparitan'i 'Abdu'l-Bah' ao amin'ireo takelaka sy resadresaka maro tsy voatanisa nataony, fiarahamonina izay ny fifandraisana andavanandro sy koa eo anivon'ny samy Firenena, dia samy baikon'ny fahatsapana ny maha-iray ny zanak'olombelona. Fifandraisana vonton'io fahatsapana io no aorin'ny bah'' sy ireo namany any amin'ireo tan'na kely sy fokontany manerana izao tontolo izao; ary re manentoento avy amin'izany fifandraisana izany ny hanitra madion'ny fifanampiana sy ny fiarahamiasa, ny firindrana sy ny fifankatiavana. Eo anivon'ireo toerana tsy misy fieboeboana ireo no ipoiran'ny solon'ny fifandirana mahazatra ny fiarahamonina ankehitriny. Lasa mandray anjara ho azy amin'ny fomba voahevitra amin'ireo ady hevitra mikatsaka ny tombotsoa iombonana ireo olona maniry handray andraikitra haneho hevitra ka hanjary hanalavitra ho azy ireo fakampanahy mety hanosika azy ireo hifanditra hiaro ny heviny manokana; ka ny rafi-pitantanana bah'' anankiray, mahatsapa ny fil'na ny hetsika voarindra mitodika any amin'ireo tanjona mitondra vokatsoa, dia mba miezaka, tsy hanara-maso akory, fa hanampy tosika sy hankahery; tahaka izany koa, ny vondrona afaka miantoka ny fandrosoany dia mba hahatsapa ny tombotsoa lehibe dia lehibe entin'ny firaisankina ateraky ny fanolorantena tsy misy fepetra ho amin'ny fanatanterahana ny planina atolotry ny rafipitantanana. Noho ny fiantraikan'ny fanehoan'i Bah'u'll'h dia nahazo hafanana vaovao sy fiainana vaovao indray ny fifandraisana eo amin'ireo singa telo tonta ireo; izy telo miaraka, dia manome modely anankiray izay eo anivon'izany dia hihamatotra hatrany hatrany ny fandrosoan'izao tontolo izao ara-panahy sy hitondrany sarintsarin'ilay fiarahamonina araka izay niheveran' Andriamanitra azy.
Natao hanazava ireo sehatr'asa tsy ankanavaka ny fanilon'ny Fanambarana; eo anivon'ny tsirairay avy amin'izy ireo, tsy maintsy hohavaozina indray ny fifandraisana mihazona ny fiarahamonina; eo anivon'ny tsirairay amin'izy ireo, hitady ohatra ny amin'ny fomba tokony hifampitondrany ny olombelona. Manasa anareo izahay handinika ny fiainana ara-toe-karen'ny zanak'olombelona, hita mibaribary ny anjara asany izay natao hiteraka fihetsiketsehana izay lasa nahasintona olona marobe amin'izao, fiainana izay zary mandefitra sy tsy miraharaha manoloana ny tsy fahamarinana ary mihevitra ireo tombombarotra mitanila ho mariky ny fandresena. Efa latsa-paka loatra ireo fahazaran-dratsy mampidi-doza ireo ka nanjary sarotra ny hieritreritra ny fomba hahavitan'ny olon-tokana manova ireo fenitra ankehitriny izay mifehy ny fifandraisana ao amin'io tontolo io. Na izany aza anefa dia tena misy fomba fanao izay tokony hohalavirin'ny bah'', tahaka ny tsy fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fitsentsefana ny hafa eo amin'ny lafiny ara-toekarena. Ny fanarahana antsakany sy andavany mahatoky ireo toromarika avy amin'Andriamanitra dia mitaky ny tsy tokony hisian'ny fifanoherana eo amin'ny fitondran-tenantsika eo amin'ny ara-toe-karena sy ny finoantsika amin'ny maha-bah'' antsika. Afaka mampifanaraka ny fiainany amin'ny fenitra avo dia avo noho ny fetra farany ambany izay ananan'izao tontolo izao ny anahy iray amin'ny fampiharana eo amin'ny fiainany ny fitsipiky ny Finoana mifandraika amin'ny fahamarinana sy ny rariny. Efa reraky ny tsy fananana modelim-piainana tokony halain-tahaka ny zanak'olombelona; koa mitodika aminareo izahay mba hampandrosoanareo ny vondrona izay ny fitondra-tenan'izy ireo no hitondra fanantenana ho an'izao tontolo izao.
Tao anatin'ny hafatra nomenay tamin'ny Ridv'n 2001 dia nilaza izahay fa any amin'ireo firenena efa lasa lavitra amin'ny fizorana amin'ny fidirana amin'ny andiany ary efa mahafeno tsara ny fepetra rehetra ireo vondrona nasionaly, dia hankasitrahanay ny fanorenana Trano Fiderana nasionaly izay hanamarika ny vanimpotoana fahadimin'ny Taonan'ny famoronan'ny Finoana ny fitsanganany. Amin-kafaliana lehibe dia lehibe no anambaranay fa hatsangana any amin'ny firenena anankiroa: Repoblika Demokratikan'i Kongo sy Papouasie Nouvelle Guin'e ny Mashriqu'l-Adhk'r nasionaly. Mibaribary fa feno avokoa ny fepetra napetrakay ho an'ireo firenena roa ireo ary namirapiratra fatratra ny fanatanterahan'ny mponina ao aminy ny fanamby nentin'ireo andiana Planina misy ankehitriny. Miaraka amin'ny Trano Fiderana kaontinantaly farany izay mbola eo an-dalam-panorenana any Santiago, dia mbola mitondra porofo mivaingana hafa mampiseho ny fidiran'ny finoan'Andriamanitra eo anivon'ny tany sy ny fiarahamonina ny fanombohana tetik'asa fanamboarana Trano Fiderana nasionaly.
Mbola misy dingana manaraka izay efa azo irosoana. Araka ny namaritan'i 'Abdu'l-Bah' azy dia 'isan'ireo rafitra manandanja indrindra eto ambonin'ny tany' ny Mashriqu'l-Adhk'r izay mampifandray toetra fototra anankiroa, tsy afa-misaraka eo amin'ny fiainana bah'', dia ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fanompoana. Ahitana taratra ny firindr'na eo amin'ireo sehatry ny fampandrosoana ara-piarahamonina araka ny Planina ny fiarahan'ireo singa roa ireo, indrindra indrindra ny fitrangan'ny toetsaina tia vavaka izay afaka miasa tokoa mandritra ireo fivoriambavaka, sy lamim-panabeazana natao hampitomboana ny fahafaha-manompo ny zanak'olombelona. Miavaka manokana io fifampiankinana misy eo amin'ny fiderana sy ny fanompoana io any amin'ireo vondromparitra isan-karazany maneran-tany izay ahitana vondrona bah'' mivelatra tokoa na eo amin'ny habe na eo amin'ny hetsika ary efa hita mibaribary ny firosoana mankany amin'ny asa sosialy. Voatendry ho toy ny ivon-toerana natao hanapariahana ny fampianarana ny sasany amin'izy ireo mba hampitomboana ny fahafahamanaon'ireo namana hampandroso ny lamin'asa ho an'ny tanora zandriny any amin'ireo faritra izay mifandray amin'izy ireo. Araka ny nambaranay vao tsy ela akory izay, dia ahazoana mampiroborobo ny faribolam-pianarana sy ny kilasin'ny ankizy koa ny fahafahana mampandroso io lamin'asa io. Noho izany, mihoatra noho ny tena tanjony fototra, dia manampy betsaka amin'ny drafi-panitarana sy ny fanamafisan'orina ihany koa ireo ivon-toerana fanovozana ireo. Eo anivon'ireo vondromparitra ireo no azo hieritreretana ny hanorenana ny Mashriqu'l-Adhk'r isam-paritra ao anatin'ireo taona maromaro ho avy. Amin'ny fo diboky ny fankasitrahana Ilay Hatsaran-Tarehy fahagola no anambaranay amin-kafaliana aminareo fa efa eo am-pidinihana miaraka amin'ireo Antenimiera Am-panahy Nasionaly isanisany momba ny fananganana ny Trano Fiderana voalohany eo amin'ny sehatra lokaly any amin'ireto vondromparitra manaraka ireto izahay ankehitriny : Battamang (Cambodge), Bihar Sharif (Inde), Matunda Soy (Kenya), Norte del Cauca (Colombie) ary Tanna (Vauatu).
Mba hifanampiana amin'ny fanorenana ireo Mashriqu'l-Adhk'r roa eo amin'ny sehatra nasionaly sy ireo dimy eo amin'ny sehatra lokaly dia nanapa-kevitra izahay ny hanokatra kitapombola manokana ho an'ny trano fiderana eo anivon'ny Foibe iraisam-pirenena bah'' mba hanatanterahana ny vinavinan'asa rehetra mifandraika amin'izany. Asaina araka izany ny namana rehetra maneran-tany hanana fahafoizantena hanao rotsabola ao araka izay tratrany avy.
Ry mpiaramiasa malala : haverina hatsatoka indray any amin'ny firenena fito hafa ny angady natsatoky ny tanan'i 'Abdu'l-Bah' zato taona lasa izay, savaranon'ando ihany izany ho an'ny fihavian'ny andro hitsanganan'ny Trano Fiderana an'Andriamanitra isaky ny vohitra sy ny tan'na kely mba hanatanterahana ny baikon'i Bah'u'll'h. Avy amin'ireo Toeran'ny hazavana marainan'ny fahatsiarovana an'Andriamanitra ireo no hipariahan'ny taratry ny hazavana ary hanakoako ny hira amin'ny fiderany Azy.
Tranga roa nipoitra no manosika anay mba hanambara aminareo ireto teny ireto. Ny tranga voalohany dia ny fitomboan’ny fahatongavan-tsaina maneran-tany, mahakasika ireo loza mananontanona sy mampivarahontsana entin’ny valan’aretina coronavirus. Any amin’ny firenena maro, na dia eo aza ireo ezaka mitambatra feno herim-po sy feno fahatapaha-kevitra izay natao mba hampodia-miverina ny loza, dia efa tena lasa lavitra ny toe-javatra, ary niteraka zava-doza ho ana fianakaviana sy olona maro ary nampitsoraka ireo fiaraha-monina iray manontolo tao anaty krizy. Ireo onja-pangirifiriana sy alahelo lalina dia tonga mifandimby avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny toerana iray hafa, ary handemy firenena isan-karazany, amin’ny fotoana samihafa, amin' ny fomba samihafa.
Ny tranga faharoa, ilay izay mihamibaribary isan' andro, dia ny fahafaha-miharitra sy ny tsy fikelezan’aina eo amin’ny tontolo Bahá'í manoloana ny fanamby izay tsy misy toa azy teo amin’izay mety ho fahatsiarovana nisy teo aloha. Tena miavaka ny famalianareo izany. Rehefa nanoratra ho anareo izahay iray volana lasa izay tamin’ny Naw-Rúz, dia nampisongandininay manokana ireo toetra mahagaga manohina tokoa izay nasehon’ireo vondrona izay voakorontana tokoa ireo rindran-damin’ny asa sy hetsika mahazatra eo amin’izy ireo. Ny zavatra rehetra nitranga tao anatin'ireo herinandro nihelina, ary nandritra izany, maro ireo namana izay tsy maintsy nanaja ireo famerana nihamafy hatrany, dia mbola nahalalina kokoa ireo fihetseham-ponay feno fahafaham-po. Mianatra amin’ny alalan’ny traikefa azo any amin’ny faritra hafa eto an-tany, misy ireo vondrona izay mahita fomba azo antoka sy feno famoronana mba hanaingana ny fahatongavan-tsaina amin’ireo fepetra takian’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ireo mponina. Fitandremana manokana no omena ireo izay tena marefo manoloana ny tsimok’aretina (virus) sy ny fahasahiranana ara-toekarena mipoitra avy amin’ny fiparitahany; ny tsirin-ketsika navoaka tao amin’ny vaovao Bahá’í maneran-tany (Bahá’í World News Service) mahakasika izany dia iray tanana ihany manoloana ireo izay efa maro be tsy hita isa efa an-dalam-panatanterahana. Izany dia fenoin’ireo ezaka hizaha sy handinika, hampiroborobo, ary hamboly ireo toetre ara-panahy izay tena ilaina tokoa amin’izao fotoana izao. Ezaka maro toy izany no ilaina maka toerana eo anivon’ny ankohonanan na eo amin’ny tsirairay mitokamonina, kanefa amin’ireo toerana avelan’ireo fepetrany na ireo fitaovam-pifandraisana, ny fisainana feno firaisan-kina dia voakolokolo am-pahavitrihana eo amin’ireo fanahy izay mizara ireo fepetra mitovitovy. Ny fivoaran’ny fiainan’ny vondrona, izay tena manan-danja tokoa ho an'ny fandrosoana miaraka, dia tsy ho voageja.
Ny fanahinay dia nahazo hery sy hafaliana eo am-pahitana ny fahaiza-manaon’ireo Antenimiera Am-Panahy Nasioanly, ireo jeneraly tsy mahalala sasatry ny Tafikin’ny Hazavana, mitari-dalana ireo vondrona misy azy sy namolavola ireo fomba fiatrehany ny krizy. Izy ireo dia tohanan’ireo Mpanolotsaina sy ireo mpanampy azy ireo mafy tokoa, izay toy ny mahazatra, amin-kerim-po mampakatra avo ny fanevan’ny fanompoana am-pitiavana. Raha mijanona mba haharaka tsara ny toe-draharaha misy eo amin’ireo firenena misy azy ireo izay mazàna ireo fepetra eo aminy dia miova haingana tokoa, ireo Antenimiera dia nametraka ireo fandaminana ilaina amin’ny fitantanana ireo raharahan’ny Finoana, ary amin’ny lafiny manokana amin’ny fitarihana ireo fifidianana, rehefa mbola azo atao izany. Amin’ny alalan’ny serasera, ireo rafitra sy ireo rantsamangaika dia nanolotra torohevitra feno fahendrena, fanomezana toky feno fankaherezana, ary famporisihana mitohy sy tsy tapaka. Amina tranga-javatra maro, izy ireo dia nanomboka ihany koa namaritra lohahevitra mpanorina izay mivoitra avy amin’ireo resadresaka izay teraka eo amin’ireo fiaraha-monina. Ny fiandrandrana izay nasehonay tao amin’ny hafatry ny Naw-Rúz nalefanay fa izao fitsapana ny fahafaha-mizaka sy miaritry ny zanak’olombelona izao no hanolotra ho azy fahatakarana lehibe kokoa, dia efa eo am-pahatanterahany sahady. Ireo mpitarika, ireo mpandinika manana toerana ambony, ireo mpanao valandresaka momba ny zava-mitranga dia mizaha sy mikaroka ireo foto-kevitra sy ireo fikasana feno fahasahiana, izay banga amin’ny ankapobeany teo aloha teo amin’ny resadresaky ny daholobe. Ankehitriny izany dia mbola vao ireo sombitsombiny am-piandohana ihany, kanefa izy ireo dia mihazona ao aminy ny fahafahana ho enti-manao hahitana fa efa managasanga ny fotoanan’ny fahatongavan-tsaina iombonana.
Ny fankaherezana raisinay amin' ny fahitana ny fahafaha-miharitry ny tontolo Bahá'í izay miseho ho azy amin’ny asa ataony dia voatapoky ny alahelo avy amin’ireo vokatry ny valan’aretina eo amin’ny olombelona. Indrisy, azonay an-tsaina tokoa fa ireo mpino sy ireo mifandray amin’izy ireo dia miaraka samy ao anatin' izany fijaliana izany. Ny elanelam-pahalavitana eo amin’ireo mpinamana, sy ireo mifandray amin’izy ireo, vokatr'ireo filàn’ny fiarovana ny daholobe, izay maro dia maro ireo olona manerantan amin’izao fotoana izao no manaja izany, ho an’ny sasany izany dia hitondra any amin’ny fisarahana mandrakizay. Isaky ny andro miratra dia toa azo antoka fa hisy ireo fijaliana misimisy hatrany tsy maintsy hozakaina alohan’ny hiletehan’ny masoandro. Enga anie ny fampanantenan’ny fihaonana any amin’ireo tontolo mandrakizay hanolotra fampiononana ho an’ireo izay very olon-tiana. Mivavaka izahay ho an’ny fanalefahana ny fon’izy ireo, ary ny fahasoavan' Andriamanitra mba hanodidina ireo izay ny fianarany, ireo antom-pivelomany, ireo tokatranony, eny na dia ireo fitaovana entiny mivelona aza dia ahiana. Ho anareo, sy ireo izay lalainareo, ary ho an’ireo mpiray tanindrazana rehetra aminareo, mitalaho amin’i Bahá'u'lláh izahay ary miangavy ireo fitahiany sy ny tombotsoa avy Aminy.
Na dia lava sy tena sarotra aza ny lalana izay tsy maintsy handehanana, dia faran’izay feno fahatokiana izahay amin'ny herim-panahy sy ny fahavononanareo hisikiponitra handia izao lalana izao hatramin’ny farany. Misintόna avy ao amin’ireo sompitry ny fanantenana, ny finoana ary ny fahamboniam-panahy, mametraha hatrany ireo filan’ny hafa alohan’ny filanareo manokana, mamelà ireo izay tsy manana mba ho voakoloakolo ara-panahy, ireo izay mihamangetaheta valiny hatrany mba ho afa-po, ary ireo izay maniry mafy ny hiasa ho an’ny fanatsarana an’izoa tontolo izao mba ho tolorana ireo fitaovana. Avy amin’ireo mpanara-dia feno fanolora-tena ho an’Ilay Fahalavorariana Voatahy, ahoana moa no hanantenanay ny latsak’izany?
Ity Ridvan 2006 ity dia manamarika fotoam-pandresena miezinezina sy feno fanantenana. Na aiza na aiza toerana misy azy ireo, dia rariny sy hitsiny ireo Mpanaradia an'i Baha'u'llah raha mirehareha noho ny fandresena miezinezina azon'izy ireo nandritry ny Planina 5 taona izay mifarana manomboka izao. Ary afaka mibanjina ny ho avy amim-pitokiana izy ireo, satria io no hany fomba natokana ho an'izay vonona tanteraka handray fanapahan-kevitra avy amin'ny alalan'ny traikefa. Ny ankamaroan'ireo mpino Baha'i dia velombelom-bolo raha mandinika tsara maharitra ny vokatry ny raharaha nosahanina nandritra ny 5 taona, izay manoloana azy ireo, ny fanandratana ambony ny fahamasinana izay ho takiany sy ireo vokatra efa voatendry ho tratra. Miombom-bavaka aminareo izahay, rehefa mitodika any amin'i Baha'u'llah ianareo izay mahay mankasitraka satria nahazo tombon-tsoa fa vavolombelona manatrika ny fanehoana ny tanjona nofaritany ho an'ny taranak'olombelona.
Tao anatin'ny Hafatra tamin'ny 27 desambra 2005 izay natokana ho an'ny Mpanolotsaina nivory tany amin'ny Tany Masina, ary nampitaina ny andron'io ihany any amin'ireo Antenimiera Am-panahy Nasionaly rehetra eran'izao tontolo izao, dia nasongadinay ny momba ny Planina 5 taona izay hanomboka amin'ity 2006 ity ka hifarana amin'ny taona 2011. Ary dia namporisihina ny mpino sy ireo rafitra misy mba handinika amim-pahamalinana io Hafatra io. Ka tsy isalasal'na noho izany fa tena efa fantatrareo tsara ny vontoatiny. Manomboka izao dia miantso ny tsirairay avy aminareo izahay mba hampifantoka ny herinareo rehetra mba hampahomby ny tanjona , izay tsy inona fa fanombohana mandritra ny 5 taona ny atao hoe 'lamin'asam-pitomboana mahery vaika' ao anatina vondrom-paritra tsy latsaky ny 1500 eran'izao tontolo izao. Ny fahit'na fa volana vitsivitsy monja taorian'ny nandaozan'ireo Mpanolotsaina ny Foibe eran-tany dia efa tafajoro sahady amin'ny fomba voahevitra tsara, isaky ny firenena, ny asa fanomanana ny fanatanterahana io Planina io, dia efa porofo manambara ny hafanam-po miredareda entin'ny vondrona Baha'i miatrika ny fanamby manoloana azy. Na dia tsy ilaina intsony aza eto ny hanome fanampim-panazav'na momba ny zava-takian'io Planina io, dia toa voatery ihany izahay hanolotra aminareo mba ho saintsaininareo sy ho jerenareo ny toe-draharaha eran-tany, izay sehatra tsy maintsy hanatanterahana ny ezaka ataon'ny vondrona sy ny mpino tsirairay.
Maherin' ny 70 taona lasa izao no nanoratan'i Shoghi Effendi ireo taratasiny mikasika ny rafim-pitantanana eran-tany, izay mirakitra fandalinana lalina momba ireo hery manosika an'izao tontolo izao. Tamina fahaiza-mandaha-teny izay mampiavaka azy, no nanazav'ny ireo fizotran-javatra maharitra roa lehibe izay navoitran'ny Teny faminanian'I Baha'u'llah . Ka ny iray toa hery mpanapotika fa ny iray kosa hery mpanorina, ary samy manosika ny taranak'olombelona mankany amin'io rafi-pitantanana eran-tany nentin'I Baha'u'llah io izy roa ireo. Nampitandreman'ny Mpiambina isika mba tsy ho 'voafitaka satria mitaraikiraiky fatratra ny fivoarana sivilizasiona miorim-paka vokatry ny ezaka mafy natao' na koa 'hanao hadisoana noho ireo famantarana miserana miendrika fiverenan'ny firoboroboana, izay indraindray toa afa-manohitra ny hery mpandrava asehon'ireo olana raiki-tapisaka mianjady amin'ireo rafitry ny vanim-potoana miharatsy. Tsy misy fandinihana ny fizotry ny zava-nitranga nandritra ireo 10 taona vao niserana, afaka hanohitra ny fak'na bahan'ireo fizotran-javatra izay nohalalininy tamin'ny fomba maty marika.
Fandinihana fotsiny ny olana goavana ara-pitondran-tena izay mandifotra ny taranak'olombelona dia ampy hahatsap'na fa goavana tokoa ireo hery mpandrava nanapotika ny fifamatoran'ny mpiara-monina. Moa ve ireo endrika isehoan'ny fitiavan-tena, ny fiahiahiana, ny tahotra sy ny fitaka izay tsinjon'ny Mpiambina mazava tsara, tsy nanjary nielipatrana aoka izany, ka na dia izay tsy zatra mandalina aza dia lasa nahavoatsikaritra izany mora foana ? Moa ve ny fandrahonan'ny fampihorohoroana, izay nambarany, tsy mibahan-toerana lehibe tokoa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ka manjary mampiasa saina mafy na ireo tanora na ireo efa zokinjokiny, amin'ireo faritra rehetra eran-tany? Moa ve ny hetaheta tsy mahalala onona, ny fanenjehana ireo firehareh'na fatratra, ny faniriana mafy hangoron-karena sy hilomano ao anatin'ny fahafinaretan'ny tany tsy nanamafy orina ny hery amam-pahefany, hany ka nanjary nanjakazaka sy nanosihosy ireo toetra tsara tokony hasehontsika olombelona, toy ny hasambarana, ny toetra mahatoky sy ny fitiavana ? Moa ve ny fihenandanjan'ny firaisankina eo anivon'ny fianakaviana sy ny fihetsika mitsoaka andraikitra manoloana ny fanambadiana tsy nahatratra salan'isa mihoam-pampana ka manjary tandindomin-doza ny fisian'io firaisankina fototra iorenan'ny fiarahamonina io ? 'Ny fiharatsian-toetra sy ny fitondran-tena mivarilavo asehon'ny olona, ny fahalovana sy ny firod'nan'ireo rafitra natsangan'olombelona', izay nanaovan'I Shoghi Effendi fampitandremana, dia miseho amintsika ankehitriny amin'ireo endriny faran'izay ratsy sy maharikoriko'.
Tondroin'ny Mpiambina ho tompon'andraikitra lehibe indrindra amin'io fitondran-tena mivarilavo asehon'ny taranak'olombelona io ny fihemoran'ny finoana, izay hery iray lehibe ao anatin'ny fiarahamonina. Misarika ny saintsika handinika ireto tenin'I Baha'u'llah manaraka ireto izy : 'Raha toa ka voasarona ny jiro manazava ny Finoana dia ho tonga ny fifanjevoana sy fikorontanam-be ary dia hitsahatra tsy hamiratra intsony ireo hazav'na tokony hitsilo ny rariny, ny fahamarinana sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana'. Nandritra ireo folo taona nanaraka ny fotoana nanoratan'ny Mpiambina ireo taratasiny dia tsapa fa tsy nitsaha-nihena ny fampiharam-pahef'na vitan'ny finoana teo amin'ny lafiny fitondran-tena. Hita ihany koa ny famadihana ny vahoaka mpino amin'ny al'lan'ny fitondran-tena tsy mendrika asehon'ireo mpitondra fivavahana. Ireo fikas'na natao hamelombelomana ny finoana dia tsy nahavita afa-tsy namoha fikiribibiana izay mety hanimba ny fototra iorenan'ny fifandraisana ombam-panaj'na eo amin'ny samy olombelona, raha tsy voasakana. Ny fanenjehana ireo Baha'is any Iran, izay vao mainka nihamafy tato ho ato dia efa ampy hanaporofoana tsara fa vonona hamono ny lela afon'ny finoana eran'izay toerana mampanjelanjelatra azy, ny herin'ny aizina. Na dia matoky aza isika fa ny finoana no hahazo ny fandresena farany, dia tsy ho sahintsika ny hanadino ny fampitandremana nataon'ny Mpiambina izay milaza fa tokony hiady hanohitra fahavalo mbola mahery sy mbola mamitaka mihoatra lavitra an'ireo izay nanozongozona mafy azy teo aloha ny finoana.
Tsy ilaina intsony ny manitatra fanazavana mikasika ny tsy fahaiza-manao asehon'ireo mpitondra fanjakana - izay lohahevitra iray hafa novoaboasan'ny Mpiambina amin'ny fomba hentitra tao anatin'ireo taratasiny momba ny rafi-pitant'nana eran-tany. Ny fihitaran'ny hantsana ara-toekarena manelanelana ny mpanankarena sy ny mahantra, ny faharetan'ireo lolom-po tranainy nampisara-bazana firenena, ny fitomboan'isan'ireo mponina afindra monina, ny fidangan'isan'ireo heloka voaomana sy ireo herisetra, ny fandriana an-driran'antsy hatraiza hatraiza, ny firod'nan'ireo fitondran-draharaha fototra amina faritra maro dia maro, ny fitrandrahana tsy an-kiato ireo harena voajanahary, ireo no sombintsombiny avy amin'ireo famantarana tena marobe maneho ny tsy fahaizan'ireo mpitarika eto amin'izao tontolo izao handinika fomba ho enti-manamaivana ireo olana mianjady amin'ny taranak'olombelona. Tsy midika anefa akory izany fa tsy nisy ny ezaka natao tamin'ny fo madio, na koa tsy nitombo izy ireo tao anatin'ny 10 taona maro nifandimby. Tsapa anefa, fa na dia voadinika toy ny inona aza ireo ezaka ireo dia tsy afaka namongotra 'ny fototry ny ratsy izay tena nanakorontana ambony ambany ny fifandanj'na ato anatin'ny fiaraha-monina ankehitriny'. Nanambara tamim-pitokisana ny Mpiambina fa 'na dia ny fametrahana Planina arahin'asa eo anivon'ireo ambaratonga ilaina mba ahafahana mampiray an'izao tontolo izao eo amin'ny lafiny politika sy ara-toekarena aza' dia tsy afaka hanome irery ody fiarovana amin'ny poizina izay mikiky tsy an-kiato ny fahavitrihan'ireo firenena sy vahoaka milamina. Araka ny hevitry ny Mpiambina dia 'tsy misy na inona na inona hafa, ankoatry ny fanekena tsy am-pisalasal'na ny fandaharan'Andriamanitra izay nambaran'I Baha'u'llah , afaka hanohitra hatramin'ny farany, ireo hery mpandrava avy ao anatiny, izay hanohy hikiky amin-kaloz'na ireo taova iankinan'ny ain'ny fiarahamonina mamoifo, raha toa tsy voasakana. Amin'ny ankapobeny, io fandaharana io dia mirakitra ny drafitra nodidian'Andriamanitra hampiray ny taranak'olombelona amin'izao fotoana izao, izay tsy azo ozongozonina amin'ny finoany fa tena mahomby tanteraka ireo fandaharana rehetra tsy an-kanavaka raiketin'io lamina io.
Faran'izay manohina ny fo ny fitantar'n'I Shoghi Effendi ny fomba fizotry ny faharav'na izay mirimorimo fatratra eran'izao tontolo izao. Tena mampitola-gaga sahala amin'izany koa ny fahamarinan'ny fomba nandalinany ireo hery manosika ny fizotry ny fanorenana. Noresahiny ny 'fomba fihanaka miandalana eo anivon'izao tontolo izao ilay toe-tsaina mankamamy firaisankina izay mivoitra tampoka avy amin'ny fisamboaravoarana fiarahamonina misavoritaka'. Io toe-tsaina tia firaisankina io moa dia fisehoana an-kolak'ilay fiheveran'I Baha'u'llah ny foto-kevitry ny firaisankinan'ny zanak'olombelona. Tsy nitsaha-niely io toe-tsaina io nandritra ireo 10 taona nifandimby ary dia hita miharihary ankehitriny ny vokany eo anivona fitambarana fivoarana, miainga avy amin'ny fandavana ny fanavakavaham-bolokoditra izay tena lalim-paka tokoa mankamin'ny fahatsap'na vao mitsimoka fa mpiray tanindrazana avokoa rehefa mponina amin'izao tontolo izao, miainga amin'ny fihitaran'ny fahalal'na momba ny olana ara-tontolo iainana mankamin'ny ezaka mitambatra ho fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka, miainga avy amin'ny ahiahy momba ny fanaj'na ny zon'olombelona mankamin'ny fanohizana tsy an-kijanona ny fanabeazana ho an'ny daholobe, miainga avy amin'ny fanorenana hetsika iraisam-pinoana mankamin'ny famoronana an-jato sy arivona fikambanana eo anivona faritra, firenena sy izao tontolo izao misahana asa-ara-tsosialy maro isan-karazany.
Na ahoana na ahoana anefa, ho an'ny mpanara-dia an'I Baha'u'llah , dia ireo mifandray mivantana amin'ny finoana ihany no azo lazaina ho fandrosoana tena misongadina eo amin'ny fizotry ny fanorenana. Maro tamin'izy ireo no voavelon'ny Mpiambina mivantana ka dia niroborobo fatratra taty aoriana raha somary nihafihafy teny am-piadoh'ny. Avy amin'ireo mpino vitsivitsy monja izay fototra niandohan'ny Finoana ka nampit'ny ireo drafi-pampianarany voalohany no nipoiran'ny fianakaviam-be Baha'i eran-tany, izay hita amina toerana anarivony. Ka ny tsirairay avy amin'izy ireo dia manaraka fitambarana hetsika tsara orina izay manome endrika ireo foto-kevitra sy tanjon'ny Finoana. Tafaorina tsara eo ambonin'ny Rafi-pitant'nana izay natsangany tamim-pahamalinana nandritra ireo 10 taona voalohan'ny fotoana nanompoany ny fitamb'rana Antenimiera Am-panahy Lokaly sy Nasionaly maro, mifandray akaiky mba hitantana amin-kazotoana ny raharaham-pinoana any amina firenena mihoatry ny 180. Avy tamin'ireo andiana mpanolotsaina mpanampy voalohany izay naoriny mba hisahana ny fiarovana sy fampielezana ny Finoana no nisandratana tafika mpiasa mpakato miisa efa ho anarivony, ka manompo mivantana ny Finoana eny an-toerana, eo ambany fitarihan'ny mpanolotsaina miisa 81 izay tant'nan'ny Foibe Eran-tany misahana ny fampianarana amim-pahaking'na sy fahendrena. Ny fivoaran'ny Foibe Eran-tany Fitantanana ny Finoana, eo anivon'ny Foibeny Ara-panahy Eran-tany, izay fizotram-pivoarana nandanian'ny Mpiambina herim-po be dia be, dia namita dingana lehibe voamariky ny fiorenan'ny Tranom-pahamarinana Iraisan'izao Tontolo izao, eo an-tendrombohitr'I Karmela sy taty aoriana ny fahatontosan'ny toeram-pias'n'ny Foibe Eran-tany misahana ny Fampianarana sy ny Foibe Fandinihina Soratra Masina. Ny Rafitra masin'ny H'q'q''ll'h dia miroborobo fatratra eo ambany fiadidian'ny Tanam-pototr'Andriamanitra (Atoa Ali Muhammad Varq') izay mpiandraikitra notendren'I Shoghi Effendi dimampolo taona lasa izay. Tafasondrotra amin'ny avo indrindra io Rafitra io tamin'ny al'lan'ny fanang'nana, tamin'ny taona 2005, ny atao hoe Filan-kevitra Iraisam-pirenena natokana hampivoatra ny fampih'rana mitohy eo anivon'ny mpino Baha'i rehetra, an'ity lal'na mahery ity, izay loharanao ipoirana tsodrano tsara indrindra ka tsy voatombana, ho an'ny taranak'olombelona rehetra. Nitombo koa ireo ezaka nataon'ny Mpiambina hanang'nana ny endriky ny Finoana eo anivona fikambanana iraisam-pirenena ka nanjary lasa rafitra lehibe miendrika fandraharah'na mivelatra amin'ny any ivelany ny Finoana. Sady afaka hiaro ny tombontsoan'ny Finoana no hampiely ny Hafatra natokana ho an'izao tontolo izao ny mpino. Fahombiazana mahatalanjona no azo ilaz'na ny fanaj'na ambony atolotry ny olona ny Finoana Baha'i mandritra ireo fivoriana iraisam-pirenena, rehefa mandray fitenenana ireo solontenany. Ny fankatoavan-dal'na sy ny fitiavam-bavaka asehon'ny mpino Baha'i izay mampitomaratra foko sy fihaviana isan-karazany dia manjary tahirin-kery izay tsy azona vondrona hafa hisalorana, na iza izy na iza.
Novinanian'ny Mpiambina fa mandritra ireo vanim-potoana mifandimby hita ao anatin'ny fotoana fiforonan'ny Finoana dia hanomboka sahan'asa maro hiparitaka eran-tany ny Tranom-pahamarinana Iraisan'izao Tontolo izao. Ireo sahan'asa ireo dia 'hanamarika ny Firaisankina, sy handrindra ary hampiray ireo hetsika' ataon'ireo Antenimiera am-panahy Nasionaly. Nandritra ny vanim-potoana telo nifanesy, dia nazoto niasa mafy ny fianakaviam-be Baha'i nampihatra ny Planina iraisam-pirenena nalefan'ny Tranom-pahamarinana iraisan'izao Tontolo izao ka afaka nametraka modelim-piainana Baha'i izay mankahery ny fivoarana ara-panahin'ny tsirairay ary mampizotra ireo hery itambaran'ireo mpikambana mankany amin'ny fanavaozana ara-panahin'ny fiarahamonina. Azon'ny vondrona Baha'i koa ny fahafaha-manao izay ahit'na olona marobe vonona handray ny Hafatra fampianarana, mankahery azy ireo, mandalina ny fahazahoan'izy ireo ny vontoatin'ny tokony hofantarina ao anatin'ny Finoana vao nidirany. Nianatra nanova ny lal'nan'ny fifanakalozan-kevitra, izay novelabelarin'ilay Mpamorona azy ho tonga fitaovana mahombin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ary hanabe ireo mpikambana amin'ny fomba fampiasa io fitaovana io ny vondrona Baha'i. Namolavola fandaharana hoenti-manabe ara-panahy sy ara-pitondran-tena ireo mpikambana tanora izy ka nitariny ho an'ireo zaza sy tanora zandriny avy any ivelan'ny vondrona Baha'i izany fa tsy natokany ho an'ireo zanantsika ihany. Nanararaotra ny fisian'ny tahirin-talenta ananany izy ka nanangana haisoratra isan-karazany ahit'na antontany maro voasoratra amin'ny tenim-pirenena samihafa izay sady niresaka momba ny zavatra ilain'izy ireo no miantefa amin'izay mahasoa ny vahoaka hafa koa. Nanjary nihaliana hatrany amin'ny zava-mitranga any an-toeran-kafa izy ka nanatanteraka tetik'asa marobe ho amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Hatramin'ny niandohan'ny vanim-potoana faha-5 tamin'ny taona 2001 teo manokana, dia namita ezaka goavana izy tamin'ny fampitomboana ireo harena arak'olona nohon'ny fanarahana lamin'asa izay mahahenika ireo fototry ny vondrona ary nahita fomba fiasa sy fitaovam-piasana hanorenana modely maharitra ho amin'ny fitomboana.
Ao anatin'ny sehatry ny fiaraha-miasan'ireo hery voasoritra eto ireo no tsy maintsy hanomezan-danja sy hanafainganana ny fizotry ny fidirana amin'andiany. Takian'ity Planina 5 taona vao misokatra izao ity ny hampifantohanareo ny herinareo amin'ity fomba fiasa ity sy ny hahazoanareo antoka tsara fa afainganina ny fizotran'ireo hetsika roa lehibe mifameno. Io no tokony ho vaindohan-draharahanareo. Arakaraky ny mampisy vokany ny ezaka ataonareo, sy arakaraky ny fahatraran'ireo hery mpanosika fari-pahasarotana vaovao no hahavoatery ny Foibe eran-tany Baha'i hiatrika fanamby sy trangan-javatra, mandritry ny 5 taona ho avy, eo amina sehatra toy ny raharaha ivelany, ny fivoarana ara-tsosialy sy ara-toe-karena, ny fitantanan-draharaha sy fampiharana ny lal'na Baha'i. Ny fitomboan'ny vondrona dia efa nitaky fandraisana fepetra vaovao mba hampitombo avo roa heny ny isan'ireo mpanao fivahiniana masina, izay tokony hahatratra 400 isaky ny tarika, manomboka ny oktobra 2007. Tetik'asa maro ihany koa no tsy maintsy tanterahina. Anisan'izany ny fanit'rana ireo zaridaina manodidina ny fasan'I Baha'u'llah , ary ny zaridainan'ny Ridvan sy Mazra'ih ; Eo koa ny fanavaozana ny trano fitehirizam-bakoka, ny fanamboarana ny rafitry ny fasan'I Bab, izay tsy mbola fantatra mazava tsara ny fivelarany ary ny fanorenana ny Trano fider'na any Chili araka izay naminanian'ny Mpiambina azy, ilay Mashriqu'l-Adhk'rs kaontinantaly farany io. Arakaraka ny fandrosoan'ireo ezaka no hiantsoanay anareo hanampy anay indraindray, eo amin'ny lafiny ara-bola sy ara-talenta manokana, satria tsapanay tsara fa tsy maintsy ampifanarahana tsara, araka izay azo atao, amin'izay ilain'ny Planina, ny volan'ny Finoana.
Ry Havana : Tsy azo odian-tsy hita fa mielipatrana sy mahazo vahana tokoa ireo hery mpanapotika. Mazava koa fa ny Vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra dia voasariky ny Tanan'ny Fitondran'Andriamanitra hahazo fandresena mifanesy ka tsy maintsy mitombo sy mampitombo ny hareny. Tsotra ny sehatra nananganana ny Planina 5 taona. Ka ataontsika ahoana, izay mahafantatra ny toe-draharaha manahirana ny zanak'olombelona sady mahalala ny lalan-kizoran'ny tantara no tsy hitsangana ka hanome izay farany tsara amintsika ary hanokan-tena ho amin'ny Tanjon'ny Planina ? Tsy ekentsika fa tanteraka ve ankehitriny ny tenin'ny Mpiambina manao hoe 'efa vonona ny sehatra', toy ny tamin'ny fotoana nanora-tany azy ireo nandritra ny Planina 7 taona voalohany ? Aoka haneno tsara eo am-pototsofinareo ireto teny ireto : 'Tsy misy fotoana hoverezina'. 'Tsy azo ekena ny fisalasal'na'. 'Tsy azo soloina fa sarobidy ny fotoana toy izao'. 'Ny fanandramana sy fikirizana no hiantoka ny fandresena feno farany'. 'Matokisa fa ny vavaka ataonay tsy tapaka eo An-tokonana Masina dia hitari-d'lana sy hiaro anareo'.