Selections from the Writings of the Báb
Malagasy ·
BB00553 BB00553
Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitra. Ianao marina tokoa no Tomponay. Hainao avokoa izay rehetra ao an-danitra sy eto an-tany. Koa noho izany, ampidino aminay ny mariky ny Famindramponao. Marina tokoa, mihoatra ireo rehetra be famindram-po Ianao. Ny dera anie ho Anao, ry Tompo. Didio ho anay eo anatrehanao izay hampafana ny fon’ireo marina eo amin’ireo mpanomponao. Ankalazaina ny lanitra sy ny tany sy ireo rehetra eo anelanelan’izy ireo. Ianao Ilay Tompo Andriamanitra, Tena Masina, Tsitoha, Tena Hendry. Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro, eo amin’ny Fanatrehanao, omeo ho an’ireo izay mino an’Andriamanitra sy ny famantarana Azy, ny fanampiana mahery izay hahazoany mifanandrina amin’ny olona rehetra
BB00617 BB00617
Miangavy Anao aho hamela ny heloko, ry Tompo, noho ny fanambarana hafa afa-tsy ny fanambarana Anao, ny fiderana hafa afa-tsy ny fiderana Anao, ny firavoravoana hafa afa-tsy ny firavoravoana ny eo akaikinao, ny fahafinaretana hafa afa-tsy ny fahafinaretana noho ny fiombonana Aminao sy ny hafaliana rehetra afa-tsy ny hafalian’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara, ary ny zavatra mikasika ahy rehetra izay tsy hitondra ahy ho amin’ny fifandraisana Aminao, O Ianao izay Tompon’ny Tompo, Ianao izay manome ny fitaovana sy manokatra ny fanalahidy ny varavarana.
BB00621 BB00621
Deraina sy omem-boninahitra anie Ianao, ry Andriamanitra! Aoka ho avy haingana ny andro izay anatratrarana ny fanatrehanao masina. Ampifalio ny fonay amin’ny herin’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara ary omeo anay ny fahamatorana mba hahafahanay manaiky an-tsitrapo ny Sitraponao sy ny Didinao. Marina tokoa, ny Fahalalanao dia mandrakotra ny zavatra noharianao sy hoharianao rehetra ary ny Fahefan-danitrao dia mihoatra noho ny an’izay nantsoinao sy izay hantsoinao ho amin’ny fisiana. Tsy misy ho tompoina afa-tsy Ianao, tsy misy hiriana afa-tsy Ianao, tsy misy ho deraina afa-tsy Ianao ary tsy misy ho tiavina afa-tsy ny Sitraponao tsara.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanapaka ambony indrindra, Ilay Fahamarinana ambony indrindra, Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.